2010–2019
Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2019


2:3

Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana

Noho ny drafitr’ Andriamanitra sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voadio amin’ny alalan’ny dingan’ny fibebahana isika.

Eo ambanin’ireo lalàn’olombelona sy ireo lalàn’ Andriamanitra isika eto amin’ny fiainana an-tany. Niaina zavatra tsy mahazatra tamin’ny fitsarana fitondrantena tena ratsy teo ambanin’ireo lalàna roa ireo aho. Teo aloha, tamin’ny naha-mpitsara tao amin’ny Fitsarana Faratampon’i Utah ahy ary ankehitriny amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ahy. Ny fahasamihafana hitako teo amin’ireo lalàn’olombelona sy ireo lalàn’ Andriamanitra dia nampitombo ny fankasitrahako noho ny tena fisian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny heriny. Eo ambanin’ireo lalàn’olombelona, ny olona meloka tamin’ny fanaovana heloka bevava dia afaka ny hogadraina mandra-pahafatiny ka tsy hisy fanafahana vonjimaika mihitsy. Tsy mitovy amin’izany anefa ny eo ambanin’ny drafitra feno famindram-po an’ilay Ray any An-danitra be fitiavana. Hitako fa ireo fahotana goavana ireo dia afaka ny ho voavela eto amin’ny fiainana an-tany noho ny sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy ho an’ny fahotan’ “ireo rehetra izay manana fo torotoro sy fanahy manenina” (2 Nefia 2:7). Manavotra i Kristy ary tena misy ny Sorompanavotany.

Ny fangorahana mifono fitiavana avy amin’ny Mpamonjintsika dia ambara ao amin’ilay hira mahafinaritra vao nataon’ny amboaram-peo teo.

Ô manatòna an’i Jesoa re!

Raha toa ianao ka lavo tokoa. 

Fahazavana, fitiavan-dehibe,

indro omen’i Jesoa.1

Ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manokatra ny varavarana ho an’ny “olon-drehetra mba [h]ibebaka sy [h]anatona Azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:11; jereo koa ny Marka 3:28; 1 Nefia 10:18; Almà 34:8, 16). Ny bokin’i Almà dia manao tatitra momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka na dia ny an’ireo izay olona ratsy fanahy sy lian-dra aza (jereo ny Almà 25:16; 27:27, 30). Ny hafatro anio dia hafatra mitondra fanantenana ho antsika rehetra, tafiditra ao anatin’izany ireo izay namoy ny maha-mpikambana azy ato amin’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fanesorana tsy ho mpikambana na fanesorana ny anarana. Isika rehetra dia mpanota avokoa izay afaka ny ho voadio amin’ny alalan’ny fibebahana. “Tsy mora ny mibebaka amin’ny fahotana,” hoy ny nampianarin’ny Loholona Russell M. Nelson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana teo aloha. “Kanefa mendrika ny sarany ny valisoa.”2

I. Fibebahana

Miantomboka amin’ny Mpamonjintsika ny fibebahana, ary fifaliana izany fa tsy enta-mavesatra. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny fampaherezam-panahin’ny Krismasy tamin’ny desambra lasa teo hoe: “Tsy zava-mitranga indray mandeha ny tena fibebahana. Tombontsoa tsy misy fiafarana izany. Fototry ny fivoarana sy ny fahazoana fiadanan-tsaina, fampaherezana, ary fifaliana izany.”3

Ny sasany amin’ireo fampianarana lehibe indrindra momba ny fibebahana dia hita ao amin’ny toritenin’i Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nofariparitany taty aoriana fa tao anatin’ny toetry ny “tsy finoana be,” “nanandra-tena ao amin’ny avonavona,” ary nametraka ny fo “tamin’ny harena sy ny zava-poanan’izao tontolo izao” (Almà 7:6). Misy zavatra maro azon’ny mpikambana tsirairay, ato amin’ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity, ianarana avy ao amin’ireo fampianaran’i Almà izay azo tamin’ny alalan’ny fanentanam-panahy.

Manomboka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy isika satria “Izy no tonga mba hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Almà 5:48). Tsy maintsy mibebaka isika satria nampianatra i Almà fa “raha tsy mibebaka ianareo, dia tsy afaka mandova ny fanjakan’ Andriamanitra mihitsy” (Almà 5:51). Ampahany manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fibebahana. Satria ny olona rehetra dia hanota eto amin’ity fiainantsika an-tany ity ary hesorina tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra, dia tsy azo “vonjena” ny olona raha tsy misy fibebahana (Almà 5:31; jereo koa ny Helamàna 12:22).

Nampianarina hatrany am-piandohana izany. Nodidin’ny Tompo i Adama hoe: “Ampianaro ny zanakao izao fa ny olona rehetra, na aiza na aiza, dia tsy maintsy mibebaka, fa raha tsy izany dia tsy afaka mandova mihitsy ny fanjakan’ Andriamanitra izy, fa tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra ao na mitoetra eo anatrehany” (Mosesy 6:57). Isika dia tsy maintsy mibebaka amin’ny fahotantsika rehetra, amin’ireo zavatra rehetra nataontsika na tsy nataontsika izay mifanohitra amin’ny didin’ Andriamanitra. Tsy misy afa-miala amin’izany. Vao omaly hariva ny Filoha Nelson no nampanao fanamby antsika hoe: “Ry rahalahy, mila mibebaka isika rehetra.”4

Mba ho voadio amin’ny alalan’ny fibebahana dia tsy maintsy mamoy ny fahotantsika isika ary mibaboka izany amin’ny Tompo sy amin’ny mpitsarany eto an-tany raha takina izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:43). Nampianatra koa i Almà fa tsy maintsy “[manao] ny asan’ny fahamarinana” isika (Almà 5:35). Izany rehetra izany dia tafiditra ao anatin’ilay fanasana miverimberina ao amin’ny soratra masina mba hanatona an’i Kristy.

Mila mandray ny fanasan’ny Tompo isika isaky ny andro Sabata. Manao fanekempihavanana isika ao anatin’izany ôrdônansy izany ary mandray ireo fitahiana izay manampy antsika handresy ireo fanaovana zavatra na ireo faniriana izay manakana antsika tsy ho tonga amin’ilay fahalavorariana izay anasan’ny Mpamonjy antsika mba hotratrarina (jereo ny Matio 5:48; 3 Nefia 12:48). Rehefa “mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra ny tenan[tsika], ary tia an’ Andriamanitra amin’ny herin[tsika], ny sain[tsika] ary ny tanja[tsika] rehetra,” dia afaka ny ho tonga “tanteraka ao amin’i Kristy” isika ary afaka “hamasinina” amin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany mba hahatonga antsika “ho masina, tsy misy pentina” (Môrônia 10:32–33). Fampanantenana lehibe izany! Tena fahagagana izany! Tena fitahiana izany!

II. Ny maha-tompon’andraikitra sy ireo fitsarana eto an-tany

Ny iray amin’ny tanjon’ny drafitr’ Andriamanitra eto amin’ity fiainana an-tany ity dia ny “hisedra” antsika mba “hahitana raha toa [isika] hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamani[tsika] [antsika]” (Abrahama 3:25). Tafiditra ao anatin’izany drafitra izany ny maha-tompon’andraikitra antsika eo anatrehan’ Andriamanitra sy ireo mpanompo nofinidiny, ary izany maha-tompon’andraikitra izany dia sady ahitana ny fitsarana eto an-tany no ahitana ny fitsaran’ Andriamanitra.

Ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo, ireo fitsarana eto an-tany ho an’ireo mpikambana na ireo hiditra ho mpikambana dia tanterahin’ireo mpitarika izay mikatsaka torolalana avy amin’ Andriamanitra. Andraikitr’izy ireo ny mitsara ireo olona izay mikatsaka ny hanatona an’i Kristy mba handray ny herin’ny Sorompanavotany eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ny fitsarana eto an-tany no mamaritra raha vonona hatao batisa ny olona iray. Moa ve ity olona iray ity mendrika ny hahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly? Moa ve ampy ny fibebahana tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy nataon’ity olona iray ity, izay nesorina tao amin’ny rejisitry ny Fiangonana ny anarany, ka azo raisina ho mpikambana indray amin’ny alalan’ny batisa izy?

Rehefa maneho fankatoavana ny hivoaran’ny olona iray bebe kokoa ny mpitsara iray eto an-tany izay nantsoin’ Andriamanitra, toy ny hoe mba hahazoany ireo tombontsoa any amin’ny tempoly, dia tsy raisiny hoe lavorary akory io olona, ary tsy misy fahotana avelany. Nampianatra ny Loholona Spencer W. Kimball fa aorian’ny antsoiny hoe “fanesorana ireo sazy” eto an-tany, ilay olona dia “tsy maintsy koa mikatsaka sy mangataka fibebahana farany amin’ny Andriamanitry ny lanitra, ary Izy irery ihany no afaka mamela.”5 Ary raha toa ka tsy nibebahana ireo asa ratsy sy faniriana ratsy mandra-pahatonga ny Fitsarana Farany, dia hijanona ho maloto ilay olona tsy nibebaka. Ilay fanehoana faratampony ny maha-tompon’andraikitra, tafiditra ao anatin’izany ny vokatry ny fanadiovana farany nataon’ny fibebahana, dia mitoetra eo amintsika tsirairay sy Andriamanitra.

III. Ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny Fitsarana Farany

Ilay fitsarana mahazatra indrindra voafaritra ao anatin’ny soratra masina dia ny Fitsarana Farany izay aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty (jereo ny 2 Nefia 9:15). Soratra masina maro no milaza fa “samy hiseho eo anoloan’ny fitsaran’ Andriamanitra isika rehetra” (Romana 14:10; jereo koa ny 2 Nefia 9:15; Môzià 27:31) “mba hotsaraina araka ny asa izay efa vitan’ny vatana mety maty” (Almà 5:15; jereo koa ny Apokalypsy 20:12; Almà 41:3; 3 Nefia 26:4). Ny olona rehetra dia hotsaraina “araka ny asany” (3 Nefia 27:15) sy “araka [ireo] fanirian’ny fony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9; jereo koa ny Almà 41:6).

Ny tanjon’io Fitsarana Farany io dia ny hamantarana raha toa ka nahatontosa ilay nofaritan’i Almà hoe “fiovana mahery vaika tao am-po” isika (jereo ny Almà 5:14, 26), ka lasa olom-baovao, “tsy manana fironana hanao ratsy intsony …fa ny hanao soa lalandava kosa” (Môzià 5:2). Ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy no mpitsara amin’izany (jereo ny Jaona 5:22; 2 Nefia 9:41). Aorian’ny fitsarany, dia hanambara isika rehetra “fa marina ny fitsarany” (Môzià 16:1; jereo koa ny Môzià 27:31; Almà 12:15) satria ny fahafantarany ny zavatra rehetra (jereo ny 2 Nefia 9:15, 20) dia manome Azy fahalalana tomombana momba ireo asantsika sy faniriantsika rehetra, na ireo tsara na nibebahana izany, na ireo tsy nibebahana na tsy novaina.

Mamariparitra ny lamin’ io Fitsarana Farany io ny soratra masina. Nampianatra i Almà fa ny fahamarinan’ Andriamanitra dia mitaky fa amin’ny Fitsanganana amin’ny maty dia “[tokony haverina amin’ny laminy tsirairay avy ny zava-drehetra]” (Almà 41:2). Midika izany fa “raha tsara ny asany teo amin’izao fiainana izao ary tsara ny fanirian’ny fony, dia … haverina amin’izay tsara koa [izy ireo] amin’ny andro farany” (Almà 41:3). Mitovy amin’izany koa, “raha ratsy ny asany [na ny faniriany] dia haverina ratsy aminy izany” (Almà 41:4–5; jereo koa ny Helamàna 14:31). Torak’izany koa, ny mpaminany Jakôba dia nampianatra fa amin’ny Fitsarana Farany “ireo izay marina dia ho marina hatrany, ary ireo izay maloto dia haloto hatrany” (2 Nefia 9:16; jereo koa ny Môrmôna 9:14; 1 Nefia 15:33). Izany no lamina eo anatrehan’ilay antsoin’i Môrônia hoe “ny toeram-pitsarana mahafinaritr’Ilay Jehovah Lehibe, ny Mpitsara Mandrakizain’ny velona sy ny maty” (Môrônia 10:34; jereo koa ny 3 Nefia 27:16).

Mba hahazoana antoka fa hadio isika eo anatrehan’ Andriamanitra, dia tsy maintsy mibebaka mialoha ny Fitsarana Farany (jereo ny Môrmôna 3:22). Nambaran’i Almà tamin’ilay zanakalahiny be fahotana fa tsy afaka hanafina ireo fahotantsika eo anoloan’ Andriamanitra isika, “ary raha tsy mibebaka ianao dia hijoro toy ny vavolombelona ireny hanohitra anao amin’ny andro farany” (Almà 39:8; nampiana fanamafisana). Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no manome antsika ilay hany fomba hanatontosana ilay fanadiovana ilaina amin’ny alalan’ny fibebahana, ary ity fiainana an-tany ity no fotoana hanaovana izany. Na dia ampianarina aza isika fa ny fibebahana sasany dia afaka mitranga any amin’ny tontolon’ny fanahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:31, 33, 58), dia tsy azo antoka izany. Nampianatra ny Loholona Melvin J. Ballard hoe: “Mora lavitra ny mandresy sy manompo ny Tompo rehefa mbola mitambatra ho iray ny nofo sy ny fanahy. Izao no fotoana ananan’ny olombelona toetra mora ifandaminana sy mahay mandray. … Eto amin’ity fiainana ity no fotoana hibebahana.”6

Rehefa mibebaka isika dia manana toky avy amin’ny Tompo fa ireo fahotantsika, tafiditra ao anatin’izany ireo zavatra nataontsika sy faniriantsika, dia ho voadio ary ilay mpitsara farany antsika feno famindram-po dia “tsy [h]ahatsiaro izany intsony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42; jereo koa ny Isaia 1:18; Jeremia 31:34; Hebreo 8:12; Almà 41:6; Helamàna 14:18–19). Rehefa voadio amin’ny alalan’ny fibebahana isika, dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay izay nofaritan’ny Mpanjaka Benjamina ho “[f]iaraha-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana” (Môzià 2:41; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).

Ampahany iray hafa ao anatin’ny “drafitry ny famerenana amin’ny laoniny” an’ Andriamanitra (Almà 41:2), ny Fitsanganana amin’ny maty izay hamerina “ [ny zava-drehetra] amin’ny endriny tsirairay avy sy tomombana” (Almà 40:23). Izany dia ahitana ny fandavorariana ireo tsy fahatomombanana sy ireo kilema rehetra ara-batanaazo nandritra ny fiainana an-tany, tafiditra ao anatin’izany ireo azo teo am-pahaterahana na tamin’ny alalan’ny fihotahotan’ny saina sy ny vatana na tamin’ny alalan’ny aretina.

Moa ve io famerenana amin’ny laoniny io manadio ireo faniriantsika na fiankinan-dohantsika izay ratsy na tsy voafehy? Tsy afaka ny ho izany mihitsy. Fantatsika amin’ny alalan’ny fanambarana maoderina fa isika dia hotsaraina amin’ireo faniriantsika sy ireo zavatra nataontsika (jereo ny Almà 41:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9) ary na ireo eritreritsika aza dia hanameloka antsika (jereo ny Almà 12:4). Nampianatra i Amioleka fa tsy tokony “hanemotra ny andron’ny fibebahan[tsika]” mandra-pahafatintsika isika (Almà 34:33), satria io fanahy io ihany izay nitoetra tao amin’ny vatantsika teto amin’ity fiainana ity, na an’ny Tompo izany na an’ny devoly, “no hanan-kery hizaka ny tenan[tsika] ao amin’izany tontolo mandrakizay izany” (Almà 34:34). Manana ny hery sy ny fahavononana mba hanadiovana antsika amin’ny ratsy ny Mpamonjy. Izao no fotoana hitadiavana ny fanampiany mba hibebahana amin’ireo faniriantsika sy eritreritsika ratsy na tsy mendrika, mba ho madio sy ho vonona ny hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny Fitsarana Farany.

IV. Ny sandrin’ny famindram-po

Ny ivon’ny drafitr’ Andriamanitra sy ny didiny rehetra dia ny fitiavany antsika tsirairay avy, izay “mahatsiriritra indrindra amin’ny zava-drehetra … mampiravoravo indrindra ny fanahy” (1 Nefia 11:22–23). Ny mpaminany Isaia dia nanome toky fa na ireo olona ratsy fanahy aza rehefa “hiverina amin’i Jehovah … [dia] hamindra fo aminy Izy … [ary] hamela heloka tokoa” (Isaia 55:7). Nampianatra i Almà hoe: “Indro mandefa fanasana ho an’ny olona rehetra Izy, fa ny sandrin’ny famindram-po dia mitolotra ho azy” (Almà 5:33; jereo koa ny 2 Nefia 26:25–33). Nilaza izao tamin’ireo Nefita ny Tompo nitsangana tamin’ny maty: “Indro, ny sandrin’ny famindram-poko dia mitsotra aminareo, ary na zovy na zovy no ho avy, dia izy no horaisiko” (3 Nefia 9:14). Fantatsika avy amin’izany sy ireo fampianarana maro hafa fa ilay Mpamonjintsika be fitiavana dia manokatra ny sandriny mba handray ireo lehilahy sy vehivavy rehetra ao amin’ny tontolo feno fitiavana izay narafiny, mba hahazo ireo fitahiana faran’izay lehibe nomanin’ Andriamanitra ho an’ny zanany.7

Noho ny drafitr’ Andriamanitra sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mijoro ho vavolombelona aho miaraka amin’ny “fanantenana mamirapiratra sy lavorary” fa tia antsika Andriamanitra ary isika dia afaka ny ho voadio amin’ny alalan’ny dingan’ny fibebahana. Nampanantenaina isika fa “raha mibosesika handroso [isika] ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo” (2 Nefia 31:20). Enga anie isika rehetra hanao izany. Izany no fiangaviako sy vavaka ataoko, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny “Venez à Jésus! Il vous appelle” Cantiques, no. 62.

  2. Russell M. Nelson, “Repentance and Conversion,” Liahona, May 2007, 102.

  3. Russell M. Nelson, “Four Gifts That Jesus Christ Offers to You” (2018 First Presidency’s Christmas Devotional, Dec. 2, 2018), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.

  4. Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 69.

  5. The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball (1982), 101.

  6. Melvin J. Ballard, in Melvin R. Ballard, Melvin J. Ballard: Crusader for Righteousness (1966), 212–13.

  7. Jereo ny Tad R. Callister, The Infinite Atonement (2000), 27–29.