Mikatsaka fahalalana amin’ny alalan’ny Fanahy
Tokony hianatra manavaka ny fahamarinana tsy amin’ny alalan’ny fandanjalanjana ara-tsaina fotsiny ihany isika fa amin’ny alalan’ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy ihany koa.
Ry rahalahy sy anabavy malala, ny Tompo dia efa namerimberina niteny tamintsika hoe “katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.”1 Tsy amin’ny alalan’ny fandinihana araka ny lôjikan’ny saintsika ihany no ahafahantsika mandray fahazavana sy fahatakarana fa amin’ny alalan’ny fitarihana sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina ihany koa.
Io loharano faharoan’ny fahalalana io dia tsy niaraka tamin’ny fiainako foana.
Fony izahay mbola mpivady vao, 31 taona lasa izay, dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izaho sy i Irene vady malalako. Samy lehibe tany Kôlômbia izahay roa saingy volana vitsivitsy taorian’ny fanambadianay dia nifindra tany Alemàna izahay noho ny asako. Tena mbola tanora dia tanora tokoa izahay tamin’izany ka nanana zavatra andrasana sy fanantenana lehibe, fotoana nahavelombolo sy naharavoravo anay tokoa izany.
Raha mbola nifantoka tamin’ny asako aho dia nanana fahatsapana i Irene fa handray karazana hafatra avy any an-danitra izahay, saingy tsy fantatra hoe amin’ny fomba ahoana na amin’ny fotoana inona. Koa dia nanomboka navelany hiditra tao an-tranonay daholo izay karazana mpivarotra mpandondom-baravarana nitondra rakibolana, masinina mitsoka vovoka sy poti-javatra, boky momba ny nahandro, fitaovana fampiasa ao an-dakozia, sy ny sisa, niandry foana izany hafatra iray manokana izany.
Indray takariva dia niteny tamiko izy fa nisy tanora roalahy nanao palitao mainty nandondona ny varavaranay, ary nanana fahatsapana tena nazava sy niavaka tsara izy fa tokony hampandroso azy ireo. Nilaza taminy izy ireo fa te-hiresaka aminy momba an’ Andriamanitra saingy mbola hiverina indray rehefa ao an-trano koa aho. Mety ho izany ve ilay hafatra nandrasana?
Nanomboka nitsidika anay izy ireo, ary niaraka tamin’ny fitarihan’izy ireo dia namaky tao amin’ny soratra masina izahay ary dia nanomboka nahatakatra ny maha-zava-dehibe tokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy. Tsy ela dia nanenina izahay noho ny nahavitana batisa anay fony mbola zazakely, izay fanekempihavanana tsy natao tamin’ny nahim-po. Na dia izany aza, ny fanaovana batisa indray dia midika ihany koa fa ho lasa mpikamban’ity Fiangonana vaovao ity ka noho izany dia nila nahatakatra ny zava-drehetra bebe kokoa momba izany izahay aloha.
Saingy ahoana no fomba hahafantaranay raha toa ka tena marina ireo zavatra izay nolazain’ireo mpitory ny filazantsara ireo momba ny Bokin’i Môrmôna, momba an’i Joseph Smith, ary momba ny drafitry ny famonjena? Efa azonay avy tamin’ny tenin’ny Tompo fa isika dia afaka mahafantatra amin’ny alalan’ny voany.”2 Mba ho fampiharana izany dia nanomboka nanadihady ny Fiangonana izahay tamin’ny alalan’ny fijerena ireo voany ireo tamin’ny alalan’ny mason’ny fandanjalanjana ara-tsaina izay nanananay. Inona no hitanay? Ny hitanay dia:
-
Olona sariaka sy feno fifaliana ary fianakaviana mahavariana izay nahatakatra fa isika dia natao hahatsapa fifaliana eto amin’izao fiainana izao fa tsy fahoriana sy fijaliana fotsiny ihany.
-
Fiangonana izay tsy manana mpitarika fivavahana voakarama fa kosa mpitarika fivavahana izay ny mpikambana ihany no manao izany ho toy ny andraikitra sy iraka.
-
Fiangonana izay i Jesoa Kristy ary ny fianakaviana no ivon’ny zava-drehetra, izay ahitana mpikambana mifady hanina indray mandeha isam-bolana ka manome fanomezana mba hanampiana ny sahirana sy ny mahantra, izay toerana mampiroborobo fahazarana ara-pahasalamana, ka mampianatra antsika mba hifady ireo zavatra manimba.
Ho fanampin’izany:
-
Tena tianay ilay fanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fivoaran’ny tena manokana, ny fanabeazana, ny fiasana mafy ary ny fizakan-tena.
-
Nianatra mikasika ilay fandaharana mahatalanjona momba ny asa fanampiana ny sahirana maneran-tany izahay.
-
Ary dia tena talanjona izahay tamin’ireo fihaonambe maneran-tany izay nahitana hira tsara dia tsara sy ireo fitsipika ara-panahy lalina izay nozaraina nandritra izany.
Rehefa hitanay izany rehetra izany dia tsy afaka nahita hadisoana tao amin’ny Fiangonana izahay. Nifanohitra tamin’izany kosa, dia tianay tokoa ny zava-drehetra izay hitanay. Na dia izany aza anefa, dia mbola tsy tapa-kevitra ny hatao batisa izahay satria nirianay ho fantatra ny zava-drehetra mialoha ny hanaovana izany.
Saingy, na dia tao anatin’ny tsy fandraisan-tsafidy aza izahay, ny Tompo dia nanomana anay tamim-paharetana, namolavola anay Izy, ary nanampy anay mba hahita fa isika dia tokony hianatra manavaka ny fahamarinana tsy amin’ny alalan’ny fandanjalanjana ara-tsaina fotsiny ihany fa amin’ny alalan’ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy ihany koa, izay miteny indrindra indrindra ao am-pontsika.
Izany feo izany sy ny fahatsapana vokatr’izany dia tonga indray takariva taorian’ny fianarana ny filazantsara nandritry ny 10 volana, rehefa namaky tao amin’ny Môzià 18: “Satria maniry ianareo ny … hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay, … ary hampionona ireo izay mila fampiononana, … raha izany ny fanirian’ny fonareo, inona no misakana ny tsy anaovana batisa anareo amin’ny anaran’ny Tompo?”3
Izany andalana avy tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izany dia niditra ny fonay sy ny fanahinay, ary tampoka teo dia nahatsapa sy nahafantatra izahay fa tsy nisy antony tsy tokony hanaovana batisa. Tonga saina izahay fa ireo faniriana voatanisa tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia fanirian’ny fonay ihany koa ary ireo zavatra ireo dia zavatra izay tena nanan-danja. Izy ireo dia nanan-danja kokoa noho ny fahatakarana ny zava-drehetra satria efa ampy ny zavatra fantatray. Efa niantehitra hatrany tamin’ny fitarihan’ny tanan’ny Ray any An-danitra be fitiavana izahay ary dia feno fatokian-tena fa mbola hanoy ny hitarika anay Izy.
Noho izany, tamin’io andro io ihany, dia nanendry daty iray izahay ho an’ny batisanay, ary tsy ela dia vita batisa ihany izahay nony farany!
Inona no nianaranay avy tamin’izany zavatra niainay izany?
Voalohany, nianatra izahay fa isika dia afaka matoky tanteraka ny Ray any An-danitra be fitiavana, izay miezaka hatrany mba hanampy antsika ho tonga ilay olona izay fantany fa tratrantsika. Hamafisinay ilay fahamarinana lalina ao amin’ny teniny raha nilaza Izy hoe: “Hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra Aho, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely; ary sambatra ireo izay mihaino ny fitsipiko, sy mampandry sofina amin’ny torohevitro, fa hianatra fahendrena izy, fa izay mandray no homeko bebe kokoa.”4
Ary faharoa, nianatra izahay fa, ho fanampin’ny fandanjalanjana ara-tsaina ataonay dia misy lafiny iray hafa mba hahazoana fahalalana izay afaka ny hanome antsika fitarihana sy fahatakarana. Izany dia ny feo tony sy malefaky ny Fanahy Masina miresaka ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika.
Tiako ny mampitaha io fitsipika io amin’ny fahafahantsika mahita. Tsy nanome antsika maso tokana ny Raintsika any An-danitra fa anankiroa. Afaka mahita tsara isika amin’ny maso iray ihany, saingy ilay maso faharoa dia manome antsika fomba fijery hafa. Rehefa atambatra miaraka ao anaty ati-dohantsika ireo fomba fijery roa ireo, dia miteraka sarin’ny manodidina antsika misy lafiny miisa telo.
Toy izany ihany koa, isika dia efa nomena loharano miisa roa mba hahafahana mandray fampahalalana, amin’ny alalan’ny fahafahantsika ara-nofo sy ara-panahy. Ny saintsika dia mamokatra fomba fijery iray avy amin’ny alalan’ny retsim-pahatsapana ara-nofontsika sy avy amin’ny alalan’ny fisaintsainana ataontsika. Saingy amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny Ray dia efa nanome antsika fomba fijery vaovao faharoa, izay tena manan-danja sy tena marina, satria izany dia tonga mivantana avy Aminy. Kanefa satria ny bitsiky ny Fanahy Masina dia matetika malefaka, dia betsaka ny olona no tsy mahatsikaritra an’izany loharano faharoa izany.
Rehefa atambatra miaraka ao amin’ny fanahintsika amin’izay ireo fomba fijery roa ireo, ny sary feno iray dia mampiseho ny zava-misy momba ny zavatra araka ny maha-izy azy ireo. Raha ny marina, amin’ny alalan’ny fomba fijery fanampiny avy amin’ny Fanahy Masina, ny “zava-misy” sasany, araka ny sary azontsika amin’ny alalan’ny fahatakarana ara-tsaina ananantsika fotsiny, dia afaka ny hibaribary amin’ny maha-fitaka azy na diso tsotra izao. Tsarovy ireo tenin’i Môrônia: “Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”5
Tao anatin’ny 31 taona naha-mpikamban’ny Fiangonana ahy, dia nianatra imbetsaka aho fa raha toa isika ka miantehitra fotsiny amin’ny fandanjalanjantsika ara-tsaina sy mandà na manao tsinontsinona ny fahatakarana ara-panahy izay azontsika raisina amin’ny alalan’ny fahatsapana sy bitsiky ny Fanahy Masina, dia mitovy amin’ny mandeha mamakivaky ny fiainana amin’ny maso tokana ihany isika. Fa raha atao sarin-teny anefa, raha ny marina dia efa nomena “maso anankiroa isika.” Ny fitambaran’ireo fijery roa ireo ihany no afaka hanome antsika ny sary feno sy marina ny amin’ny fahamarinan’ny zava-drehetra sy ny zavatra tsirairay izay lalovantsika eo amin’ny fiainantsika, ary ihany koa ny amin’ny fahatakarana lalina sy tomombana ny maha-izy antsika sy ny tanjontsika amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra velona antsika.
Tsaroako ny zavatra izay nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson taona maro lasa izay raha nilaza izy hoe: “Saingy ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”6
Lasa nahafantatra tsy am-pihambahambana tanteraka aho fa:
-
Manana Ray any An-danitra be fitiavana isika, ary isika rehetra dia nanaiky ny ho tonga tety amin’ity tany ity tao anatin’ny drafitra iray avy any an-danitra.
-
I Jesoa no Kristy, velona Izy ary Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra ahy.
-
I Joseph, ankizilahy tantsaha tsotra iray, dia nantsoina sy lasa mpaminany nahery izay nanomboka ity, dia ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana, miaraka amin’ny fanalahidy rehetra an’izany, ny hery, ary ny fahefan’ny fisoronana masin’ Andriamanitra.
-
Ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona faharoa an’i Jesoa Kristy ary ny fianakaviana dia natao hiaraka mandrakizay.
-
Ny Tompontsika, Jesoa Kristy, dia mitarika an’ity, dia ny Fiangonany tafaverina tamin’ny laoniny, amin’ny alalan’ny mpaminanintsika velona ankehitriny, dia ny Filoha Russell M. Nelson.
Ireo sy ny fahamarinana sarobidy maro hafa dia lasa vato ara-panahy niorenako hahatongavako amin’izay anampian’ Andriamanitra ahy mba hahatongavako. Ary dia mbola miandrandra an’ireo fampianarana vaovao maro dia maro izay mbola tiany horaisiko, sy horaisinareo, aho raha mbola mandeha mamakivaky ity fiainana mahafinaritra ity isika sy “mianatra … dia amin’ny alalan’ny fandalinana sy amin’ny alalan’ny finoana.”
Fantatro izany rehetra izany fa marina ary ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.