Tatitra avy amin’ny Departemantan’ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana, taona 2018
Ho an’ny Fiadidiana Voalohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany
Ry Rahalahy isany: Araka ny torolalana avy amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny fizarana faha-120 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia ny Filankevitry ny Fampiasana ny Fahafolonkarena, izay ahitana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy, no manome fankatoavana ny fampiasana ny volan’ny Fiangonana. Ireo rafitra ato amin’ny Fiangonana no mitsinjara ny vola araka ny tetibola sy ireo fitsipika ary fomba fiasa izay nolaniana.
Ny Fanamarinam-bola ato amin’ny Fiangonana, izay ahitana matihanina manana mari-pahaizana ary tsy miankina amin’izay departemanta hafa rehetra ato amin’ny Fiangonana, dia manana andraikitra hanatontosa ireo fanamarinam-bola mba hanomezana antoka azo ekena mikasika ireo anjara biriky voaray, sy ireo fandaniam-bola atao ary mba hiarovana ny fananan’ny Fiangonana.
Raha mifototra amin’ireo fanamarinam-bola notanterahina, dia mahita ny ao amin’ny Fanamarinam-bola ato amin’ny Fiangonana fa eo amin’ny antsipiriany rehetra, ny anjara biriky voaray sy ny fandaniana natao ary ny fananan’ny Fiangonana tamin’ny taona 2018 dia voarakitra ary notantanana araka ireo tetibola sy fitsipika ary fomba fitantanan’ny Fiangonana efa nahazoana fankatoavana. Ny Fiangonana dia manaraka ireo fomba amam-panao ampianarina ny mpikambana ao aminy dia ny mba hanao tetibola hivelomana sy hisoroka ny trosa ary hanangom-bola hiatrehana ny fotoam-pahasahiranana.
Atolotra amim-panajana,
Ny Departemantan’ny fanamarinana ny fampiasam-bolan’ny Fiangonana
Kevin R. Jergensen
Tale Mpitantana