Testamenta Taloha 2022
25 septambra. Inona avy no andraikitsika amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana? Isaia 40–49


“25 septambra. Inona avy no andraikitsika amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana? Isaia 40–49,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“25 septambra. Inona avy no andraikitsika amin’ny asa famonjena sy ny fisandratana?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
zatovo mitsangana eo ivelan’ny tempoly

25 septambra

Inona avy no andraikitsika amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana?

Isaia 40–49

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona no noresahintsika farany, ary inona no fanasana natao na andraikitra nomena? Inona no nataontsika mba hamaliana ireo fanasana ireo na hanatanterahana ireo andraikitra nomena ireo?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Inona no azontsika atao na lazaina mba hanampiana ireo izay mety hahatsiaro ho irery na lavitra ny Ray any An-danitra?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika manampy ny hafa hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no hevitra azontsika ifampizarana mba hanampiana amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviantsika?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Mazava tsara ao amin’ny soratra masina fa ny fanampiana amin’ny asan’ny Tompo dia tsy natao ho an’ny olon-dehibe ihany. Mbola zazalahy i Samoela tamin’ny fotoana niresahan’ny Tompo taminy voalohany. Azo inoana fa tovovavy i Maria tamin’ny fotoana nitsidihan’ny anjely iray azy, izay nanambara fa ho renin’ny Mpamonjy izy. Ary 14 taona i Joseph Smith tamin’ny fotoana niantsoan’ny Tompo azy hamerina ny filazantsara tamin’ny laoniny. Vao tsy ela akory izay, ny Filoha Russell M. Nelson no nanasa ny zatovo rehetra “hirotsaka ao amin’ny tafiky ny tanoran’ny Tompo izay hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely (“Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo maneran-tany, 3 jona, 2018], ChurchofJesusChrist.org). Azo antoka fa tamin’ny fotoana nitenenan’ny Tompo hoe, “Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko” (Isaia 41:8), dia tafiditra tao daholo ny vahoakan’ny fanekempihavanany rehetra, ao anatin’izany ireo izay ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao.

Na dia samy manao fanekempihavanana hanompo an’ Andriamanitra aza isika rehetra rehefa vita batisa, dia tsy ny zatovo rehetra no mihevi-tena ho mpanompon’ny Tompo. Mety tsy fantatr’izy ireo ny fomba miavaka ahafahan’izy ireo manampy amin’ny asany. Mitadiava andinin-tsoratra masina ao amin’ny Isaia 41–44 sy ny fizarana 1.2 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay afaka manampy ny zatovo hahazo ny dikan’ny hoe mpanompon’ny Tompo.

Sary
zatovovavy eo ivelan’ny tempoly

Ny zatovo tsirairay dia afaka mitondra anjara biriky amin’ny fomba miavaka amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana.

Miaraha mianatra

Isaia 41–44 dia afaka manampy ny zatovo hahazo ny dikan’ny hoe mpanompon’ny Tompo. Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra dia afaka manoratra toko sy andininy toy ireto eny amin’ny solaitrabe ianao: Isaia 41:8–10; 42:6–7; 43:9–12; 44:21. Afaka maka andinin-tsoratra masina iray ny olona tsirairay, mamaky izany ary mizara izay fantany momba ny dikan’ny hoe mpanompon’ny Tompo. Amin’ny fomba ahoana no maha-mpanompon’ny Tompo antsika? Inona avy no fitahiana tonga rehefa manompo Azy isika? Ireto misy fomba hafa hanampiana ireo izay ampianarinao hitondra olona hanatona an’i Kristy mba ho mpandray anjara mavitrika amin’ny asany.

  • Azon’ireo izay ampianarinao ve hoe inona izany “asa famonjena sy ho an’ny fisandratana” izany? Mba hanampiana azy ireo, dia mety ho azonao atao ny manome andraikitra azy ireo handalina (tsirairay na isam-bondrona kely) ny iray amin’ireo zana-pizarana ao amin’ny fizarana 1.2 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany. Ny zana-pizarana tsirairay dia mamaritra lafin-javatra iray amin’ilay asa. Angataho hisaintsaina fanontaniana toy ireto ny zatovo: Inona avy ireo zavatra manokana azon’ny olona iray mitovy taona amiko atao mba handraisany anjara amin’io lafin-javatra amin’ny asa famonjena io? Inona no azon’ny kilasy na kôlejy misy anay atao? Afaka mizara izay nianarany, miaraka amin’ny valin’ireo fanontaniana, ny olona tsirairay na ny vondrona.

  • Ireo izay ampianarinao dia mety hahazo tombony amin’ny alalan’ny fianarana bebe kokoa momba ireo lafin-javatra efatra amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana—fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, fikarakarana ireo sahirana, fanasana ny rehetra handray ny filazantsara, ary ny fampitambarana ireo fianakaviana ho mandrakizay. Azon’izy ireo atao ny misafidy lafin-javatra iray izay mahaliana azy ireo ary hamantatra ny sasany amin’ireo zavatra mifandray amin’izany eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Avelao hizara ny zavatra hitany izay manentana azy ireo hiova fo bebe kokoa ho an’ny Tompo ary hanampy ny hafa hanao toy izany koa ny zatovo. Avy eo dia afaka manao drafitra hanao zavatra izay manampy amin’ny fanatanterahana io asa io izy ireo. Azon’ny filohan’ny kilasy na ny kôlejy tarihina ity fifanakalozan-kevitra ity.

  • Mba hanampiana ireo zatovo hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa ny talentan’izy ireo hitondra fanahy ho ao amin’i Kristy, dia azonao atao ny mangataka ny tsirairay amin’izy ireo handalina fizarana iray ao amin’ny hafatry ny Loholona John C. Pingree Jr. hoe “Manana asa ho anao Aho” (Liahona, nôv. 2017, 32–35). Azon’izy ireo atao ny mizara ny fomba mety hanampian’ny zavatra nianaran’izy ireo olona iray izay tsy matoky tena hoe afaka manampy amin’ny asan’ny Tompo izy. Azonareo atao ihany koa ny miara-mandinika ny fizarana “Fantaro sy ampitomboy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy” ao amin’ny hafatry ny Loholona Pingree. Ahoana no anampian’ny Tompo antsika hamantatra sy hampitombo ny talentantsika?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Raha tsapan’ny zatovo fa matoky azy ireo ianao dia hitombo ny fatokisany tena amin’ny fahafahany ho tonga tahaka an’ Andriamanitra” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 28).

Hamoaka printy