Testamenta Taloha 2022
9 ôktôbra. Nahoana i Jesoa Kristy no tokony ho ivon’ny fiainako? Isaia 58–66


“9 ôktôbra. Nahoana i Jesoa Kristy no tokony ho ivon’ny fiainako? Isaia 58–66,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“9 ôktôbra. Nahoana i Jesoa Kristy no tokony ho ivon’ny fiainako?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
Jesoa Kristy

9 ôktôbra

Nahoana i Jesoa Kristy no tokony ho ivon’ny fiainako?

Isaia 58–66

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Aorian’izay, ankoatra ny fanoroana hevitra mikasika ny raharaha manokan’ny kilasy na ny kôlejy, dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ireo zavatra tsapa sy ireo lohahevitra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo lohahevitra na hafatra nanan-danja tamintsika? Inona no nanamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ireo mpaminany velona? Inona no zavatra tsapantsika fa asaina ataontsika noho ny zavatra nianarantsika na tsapantsika?

  • Inona no zavatra tokony hataontsika kilasy na kôlejy manontolo mba hitadidiana sy hampiharana ireo torohevitra rentsika nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

“Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’andriamanitro,” hoy i Isaia, “fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana,” (Isaia 61:10). Nahoana ianao no “mifaly amin’i Jehovah”? Toa an’i Isaia, rehefa fantatsika izay nataon’ny Tompo ho antsika dia faly isika ary miresaka matetika momba ny “famindram-pon’i Jehovah …, dia sy ny fiderana an’i Jehovah” (Isaia 63:7).

Inona no tsapan’ireo olona ampianarinao momba ny Mpamonjy? Inona no afaka manampy azy ireo hahatsapa fitiavana sy fanajana lehibe kokoa ho Azy? Inona no mety hanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavany? Rehefa misaintsaina ireo fanontaniana ireo ianao ary mamaky ny Isaia 58–66, dia mety ho azonao vakina ihany koa ny hafatry ny Loholona Matthew S. Holland hoe “Ilay fanomezana tena fatratra an’ilay Zanakalahy” (Liahona, nôv. 2020, 45–47) sy ny hafatry ny Rahavavy Cristina B. Franco hoe “Ny hery manasitran’i Jesoa Kristy” (Liahona, nôv. 2020, 60–62).

Sary
zatovovavy mandalina ny soratra masina

Rehefa mianatra bebe kokoa momba ny Mpamonjy isika dia entanim-panahy hametraka Azy ho ivon’ny fiainantsika.

Miaraha mianatra

Rehefa mianatra momba ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy mba hotanterahiny ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy dia hoentanim-panahy bebe kokoa izy ireo hametraka ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainany. Angamba azon’izy ireo atao ny mamakafaka ny Isaia 61:1–3 sy mitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo zavatra nanosorana ny Mpamonjy mba hataony (jereo ihany koa ny Lioka 4:16–20). Ahoana no nahatanterahan’ny Mpamonjy ireo lafin-javatra amin’ny iraka nampanaovina Azy ireo? Ahoana no anatanterahany izany eo amin’ny fiainantsika ankehitriny? Ireo hevitra eo ambany dia afaka manampy ny kilasy na ny kôlejy misy anao hanohy fifanakalozan-kevitra momba ny antony tokony haha-ivon’ny fiainantsika an’i Jesoa Kristy.

  • Ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia ahitana hatrany hafatra izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Mety ho azonao atao ny manasa mpikambana maromaro ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao hizara zavatra nianarany momba ny Mpamonjy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Amporisiho izy ireo hizara ny zavatra tsapany momba ny Mpamonjy noho ny zavatra nianarany.

  • Afaka manampy ny zatovo hahatakatra kokoa ny antony tokony haha-ivon’ny fiainan’izy ireo ny Mpamonjy ny soratra masina. Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Nahoana no tokony ho ivon’ny fiainako i Jesoa Kristy? Angataho hizara ny eritreriny ny zatovo. Avy eo dia azonao angatahina (tsirairay na isam-bondrona) izy ireo hamakafaka ireo soratra masina eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” mba hahitana valiny fanampiny. Asao hizara ny zavatra ianarany sy ny antony maha-manan-danja izany amin’izy ireo ny zatovo.

  • Hevero ny hangataka ireo izay ampianarinao hamaritra ny andro manan-danja indrindra eo amin’ny fiainany. Inona no mety ho andro manan-danja indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona? Asao izy ireo hamantatra izay lazain’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ho andro manan-danja indrindra amin’ny alalan’ny famakiana ilay hafany hoe “Indro ny Lehilahy!” (Liahona, mey 2018, 107–10). Amporisiho ny zatovo hitady ireo fitahiana nampanantenain’ny Loholona Uchtdorf ho an’ireo izay mijery an’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo zaraina ihany koa ny zavatra ataon’izy ireo mba hametrahana ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainan’izy ireo isan’andro. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hieritreritra izay azon’izy ireo atao mba hanatonana kokoa an’i Jesoa Kristy ary hametraka tanjona hanaovana izany.

  • Raha tsy maintsy manontany antsika ny antony inoantsika an’i Jesoa Kristy ny olona iray, dia inona no holazaintsika? Amporisiho hizara ny eritreriny ny zatovo ary hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo hamaky ny “Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (ChurchofJesusChrist.org) na ny “Ny Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy” ao amin’ny toko faha-3 amin’ny Torio ny Filazantsarako ([2019], 60–61). Amporisiho izy ireo hitady fahamarinana tsotra izay hozarain’izy ireo hanazavana ny antony maha-zava-dehibe ny Mpamonjy amin’izy ireo. Afaka mampiditra ireo fahamarinana hitan’izy ireo ao amin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe izy ireo ary mifanakalo hevitra momba ny fomba ahafahan’izy ireo mizara ireo fahamarinana ireo amin’ny olona fantany.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Ny olona tsirairay ao amin’ny kilasinao dia loharano manan-karena fijoroana ho vavolombelona, hevi-baovao ary traikefa eo amin’ny fiainana ny filazantsara. Asao izy ireo hifampizara sy hifampahery” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5).

Hamoaka printy