Testamenta Taloha 2022
23 ôktôbra. Voasoratra ao am-poko ve ny Filazantsara? Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3


“23 ôktôbra. Voasoratra ao am-poko ve ny Filazantsara? Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“23 ôktôbra. Voasoratra ao am-poko ve ny Filazantsara?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
fandalinana soratra masina ataon’ny mpianakavy

23 ôktôbra

Voasoratra ao am-poko ve ny Filazantsara?

Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 13

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona no noresahintsika farany, ary inona no fanasana natao na andraikitra nomena? Inona no nataontsika mba hamaliana ireo fanasana ireo na hanatanterahana ireo andraikitra nomena ireo?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Inona no azontsika atao na lazaina mba hanampiana ireo izay mety hahatsiaro ho irery na lavitra ny Ray any An-danitra?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika manampy ny hafa hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no hevitra azontsika ifampizarana mba hanampiana amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviantsika?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Nilaza tamin’ny mpaminany Jeremia ny Tompo fa amin’ny andro ho avy dia hanangona ny Isiraely Izy ary hanao “fanekena vaovao” amin’ny olony. Izao no nambarany: “dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko” (jereo ny Jeremia 31:31–34). Izao fotoana izao izany andro izany ary olon’ Andriamanitra isika. Ireo fampianarana ireo dia mety hanosika anao—sy ireo izay ampianarinao—hanontany hoe: Inona no hevitry ny hoe voasoratra ao am-poko ny filazantsara? Voasoratra ao am-poko ve ny Filazantsara? Raha tsy voasoratra dia inona no hataoko amin’izany?

Hevero ny fomba hanampianao ny mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao hisaintsaina manokana ireo fanontaniana ireo. Mba hiomanana hampianatra dia azonao atao ny mitady hafatra hozaraina avy ao amin’ny Jeremia 30–33; 36; avy amin’ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Aoka Andriamanitra no hanjaka” (Liahona, nôv. 2020, 92–95); ary avy amin’ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Quand tu seras converti” (Liahona, mey 2004, 11–13).

Sary
zatovovavy mandalina soratra masina

Rehefa tia ny Tompo isika ary mikatsaka ny hianatra momba Azy, dia ho voasoratra ao am-pontsika ny filazantsara.

Miaraha mianatra

Amporisiho ny zatovo hifanakalo hevitra momba ny Jeremia 31:31–34. Mba hanaovana izany dia azonao atao ny manome azy ireo fo taratasy misy fanontaniana maromaro voasoratra eo aminy momba ny dikan’ny hoe manana ny filazantsara ao am-pontsika, toy ireo hita eo ambanin’ny hoe “Manomàna tena ara-panahy.” Rehefa miasa tsirairay, na tsiroaroa, na isam-bondrona ahitana olona vitsy ny zatovo, dia afaka mamaky ireo andininy avy ao amin’i Jeremia ireo ary misaintsaina ny fomba hamalian’izy ireo ireo fanontaniana. Avelao izy ireo hizara ny fanontaniany sy ny valiny neritreretin’izy ireo. Ireto ambany ireto misy hevitra fanampiny afaka manampy anao hampianatra ny zatovo ny fomba ahafahan’ny filazantsara ho voasoratra ao am-pony.

  • Rehefa nomen’i Mosesy ny Isiraelita ny sasany tamin’ireo fampianarany farany dia namporisika azy ireo handray ny tenin’ Andriamanitra ao am-pony izy. Nampianariny azy ireo ihany koa ny fomba sasany ahafahan’izy ireo manao izany, araka ny hita ao amin’ny Deoteronomia 6:3–9. Iaraho mamaky ao amin’ny kilasy na ny kôlejy manontolo ireo andinin-tsoratra masina ireo ary mifanakaloza hevitra momba ny fomba ahafahantsika manao izay natoron’i Mosesy. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mandalina ny Almà 5:14, 26–35 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Almà momba ny fomba ahafahantsika mihazona ny filazantsara ho voasoratra ao am-pontsika.

  • Ao amin’ny hafany “Quand tu seras converti,” ny Loholona D. Todd Christofferson dia mamaritra ny zavatra azontsika atao mba hahatonga ny filazantsara ho voasoratra ao am-pontsika. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andiam-pehezan-teny efatra voalohany momba ny dikan’ny hoe voasoratra ao am-pontsika ny filazantsara? Azonao atao ny manasa ny zatovo tsirairay hamaky iray na maromaro amin’ireo andiam-pehezan-teny sisa ary hitady izay zavatra ilaina hataontsika mba hitrangan’izany. Inona no anjara asan’ny Mpamonjy? Inona no anjara asantsika? Amporisiho hizara ny valin-teniny miaraka amin’ny hevitra hafa hitany ny zatovo. Inona avy no zavatra niainana nanampy antsika hanana ny filazantsara voasoratra ao am-pontsika? Inona no anjara asan’ny fihazonana ny fanekempihavanana nataontsika amin’io dingana io?

  • Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava fa ny teny hoe Isiraely “dia milaza olona iray izay vonona ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany” (“Avelao Andriamanitra no hanjaka,” 92). Azonao atao ny manasa ny zatovo hamakafaka ireo andiam-pehezan-teny enina voalohany amin’ny hafatry ny Filoha Nelson sy ny ampahany farany amin’ilay hafatra manomboka amin’ny hoe “Ny fanontaniana ho antsika tsirairay.” Angataho izy ireo hitady zavatra izay manampy azy ireo hahatakatra ny dikan’ny hoe “avelao Andriamanitra no hanjaka” eo amin’ny fiainany. Inona no tsapantsika sy ny fihetsika ataontsika rehefa manjaka eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra? Inona no nampianarin’ny Filoha Nelson momba ny fiantraikan’ny fananana ny filazantsara voasoratra ao am-pontsika amin’ny ezaka ataontsika mba hanangonana an’i Isiraely?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Ny fotopampianarana hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany dia manana hery hanovana fo sy hampitomboana finoana. Rehefa manandrana ny herin’ny tenin’ Andriamanitra ianao sy ireo izay ampianarinao dia hahita fa manana -fironana lehibe hitarika ny olona hanao izay marina- izany (Almà 31:5)” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5).

Hamoaka printy