Testamenta Taloha 2022
13 nôvambra. Ahoana no ahafahako mandray ny firotsahan’ny Fanahin’ny Tompo? Hosea 1–6; 10–14; Joela


“13 nôvambra. Ahoana no ahafahako mandray ny firotsahan’ny Fanahin’ny Tompo? Hosea 1–6; 10–14; Joela,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“13 nôvambra. Ahoana no ahafahako mandray ny firotsahan’ny Fanahin’ny Tompo?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
kilasin’ny zatovovavy

13 nôvambra

Ahoana no ahafahako mandray ny firotsahan’ny Fanahin’ny Tompo?

Hosea 1–6; 10–14; Joela

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona avy no zavatra niainana tato ho ato izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no mila ny fanampiantsika sy ny vavaka ataontsika? Mahatsapa ho entanim-panahy hanao inona isika mba hanampiana azy ireo?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika ho tonga fahazavana ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana na namana izay tsy mitovy finoana amintsika?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Ahoana no ahafahantsika maneho fitiavana sy fanohanana bebe kokoa ho an’ny fianakaviantsika ary manatsara ny ao an-tokantranontsika?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Tsy isalasalana fa miaina amin’ny fotoanan’ny tsy fahazoana antoka ny hoavy sy ny tahotra isika. Ilay mpaminanin’ny Testamenta Taloha, i Joela, dia namaritra ny fotoana iainantsika—ilay “andron’ny Tompo”—ho “andro maizina sy manjombona” ary “lehibe sy tena mahatahotra” (Joela 2:1–2, 11). Saingy tsy midika izany fa tsy misy antenaina ny androntsika. Hevero ity fampanantenan’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ity: “Na dia misy fotoana aza isika mety hahatsapa ho tototr’ireo fitsapan’ny fiainana na voahodidin’ny olana ara-pihetseham-po, ny fitiavan’ Andriamanitra sy ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny dia hampitranga zavatra tsy takatry ny saina.” (“Hanao zavatra tsy takatry ny saina Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2020, 52).

Koa rehefa tsikaritrao ny haizina sy ny fanjombon’ny androntsika dia tadidio fa nampanantena ihany koa fitahiana lehibe—tsy takatry ny saina mihitsy aza—ny Tompo: “handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo,” (Joela 3:1; jereo ihany koa ny Joseph Smith—Tantara 1:41). Jereo ilay fampanantenana voafaritra mazava tsara fa harotsaka amin’ny zatovolahy sy ny zatovovavy ny Fanahin’ Andriamanitra. Nahoana no tsapanao fa zava-dehibe ho an’ireo izay ampianarinao ny mahatakatra izany? Saintsaino io fanontaniana io rehefa mamaky ny Joela 2 sy ny hafatry ny Loholona Uchtdorf ianao mba hiomanana hampianatra.

Sary
zatovolahy mandalina soratra masina

Nampanantena ny Tompo fa amin’ny andro farany dia handatsaka ny Fanahiny Izy ary “haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo” (Joela 3:1).

Miaraha mianatra

Mba hanampiana ireo izay ampianarinao hahazo tsara kokoa ny Joela 3:1–2, dia azonao atao ny mametraka zavatra ao anaty lovia baolina iray ary avelao hisy olona handraraka rano eo amboniny. Ahoana no anampian’izany antsika hahatakatra ny dikan’ny hoe “handatsaka ny [fanahiny] amin’ny nofo rehetra”? Ahoana no ahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Joela 3:1–2 amin’izao fotoana izao? Ireto misy hevitra vitsivitsy izay afaka manampy ny zatovo hahatakatra tsara kokoa ny fomba androtsahan’ny Tompo ny Fanahiny ankehitriny.

  • Ny soratra masina dia mirakitra tranga maro izay nandrotsahan’ny Tompo ny Fanahiny tamin’ny olony. Ny fandinihana ny sasany amin’ireo dia afaka manampy ny zatovo hahatakatra kokoa ny fomba handraisany ny firotsahan’ny Fanahin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany. Hevero ny hanao sarina siny lehibe mandraraka rano eny amin’ny solaitrabe ary angataho ny isam-batan’olona na ny isam-bondrona hamaky ny iray na ny maromaro amin’ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana.” Azon’izy ireo soratana eny amin’ny solaitrabe manodidina ilay siny ny zavatra nataon’ny olona ao amin’ny andalan-tsoratra masina novakin’izy ireo ka nahafahan’ny Tompo nandatsaka ny Fanahiny sy ireo fitahiana nanaraka izany koa. Oviana no nahatsapantsika ny Fanahy nampionona, nitarika na nanadio antsika?

  • Mety ho azonao atao ny manoratra ireto tenin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ireto eny amin’ny solaitrabe: “Manana zavatra tsy takatry ny saina kasainy ho anao manokana sy ho an’ny Fiangonana iray manontolo [Andriamanitra]—asa iray mahatalanjona sy mahagaga.” (“Hanao zavatra tsy takatry ny saina Andriamanitra,” 53). Hevero ny hangataka ny zatovo hitady ao amin’ny hafatry ny Loholona Uchtdorf ireo fitahiana tsy takatry ny saina nomen’ Andriamanitra ireo olona ao amin’ny soratra masina taorian’ny fotoan-tsarotra nolalovany. Inona no nampianarin’ny Loholona Uchtdorf antsika fa tokony hatao mba hahafahantsika mandray fanapahan-kevitra tsara rehefa miatrika zava-tsarotra? Asao hanao lisitra ireo zavatra “tsy takatry ny saina” mety ho ao an-tsain’ Andriamanitra ho antsika ny zatovo. Asao ireo izay ampianarinao hisaintsaina izay zavatra tian’izy ireo hatao mba handraisana ireo fitahiana ireo.

  • Angataho hihaino ireo hevi-baovao momba ny fomba iresahan’ny Fanahy amintsika sy ny fomba itahiany ny fiainantsika ny zatovo. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mandinika ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika” (Liahona, mey 2018, 93–96). Angataho izy ireo hitady ny valin’ny fanontaniana toy ireto: Ahoana no nikatsahan’ny Filoha Nelson sy nahazoany ny bitsiky ny Fanahy? Inona no ianarantsika avy amin’i Joseph Smith momba ny fahavononan’ Andriamanitra hiteny amin’ny zanany? Namporisika antsika hanao inona ny Filoha Nelson? Lazao amin’ny zatovo ny fotoana iray nahatsapanao ny Tompo nandatsaka ny Fanahiny. Asao hisaintsaina ny zavatra niainany izy ireo ary hizara izany raha mahazo aina.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Ankoatra ny fanampiana ny mpianatra hahatsapa sy hahafantatra ny Fanahy dia ampio izy ireo hanao asa araka ny bitsika izay voarainy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 10).

Hamoaka printy