Testamenta Taloha 2022
27 nôvambra. Ahoana no ahafahako mizara ny filazantsara? Jona; Mika


“27 nôvambra. Ahoana no ahafahako mizara ny filazantsara? Jona; Mika,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“27 nôvambra. Ahoana no ahafahako mizara ny filazantsara?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
zatovovavy miresaka

27 nôvambra

Ahoana no ahafahako mizara ny filazantsara?

Jona; Mika

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Ahoana no nanakaikezantsika kokoa ny Mpamonjy? Ahoana no iezahantsika hitovy kokoa Aminy?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Iza no tao an-tsaintsika tato ho ato? Ahoana no ahafahantsika manampy ireny olona tsirairay ireny?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Ahoana no ahafahantsika mamaly ny fanontanian’ny namantsika momba ny Fiangonana?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika mifandray tsara kokoa amin’ireo havana, toy ny raibe sy renibe sy ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreny?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Mety misy mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy misy anao izay mahita foana fomba hizarana filazantsara. Angamba toy izany koa ianao! Na izany aza dia sarotra ary mampatahotra mihitsy aza ho an’ny olona maro ny mizara ny filazantsara. Soa ihany fa afaka ny ho lasa mahay mizara kokoa ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika rehetra. Mety tsy haheno amin’ny sofinao ny feon’ny Tompo mandidy anao ianao mba hanao zavatra toy ny hoe “mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin’ny hamelezana azy,” toa an’i Jona (Jona 1:2). Saingy ny feo manginan’ny Fanahy Masina dia afaka mitaona anao “handeha” any amin’ireo olona manokana ao amin’ny fianakaviana sy namana izay voaomana hihaino ny fijoroanao ho vavolombelona. Manàna fahavononana handray izay azonao ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Jona rehefa mandalina ianao amin’ity herinandro ity, ary miomàna hizara ny zavatra ianaranao miaraka amin’ireo izay ampianarinao. Mety ho azonao atao ihany koa ny mamaky ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Mizara ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Fitsanganana amin’ny maty” rehefa miomana hampianatra ianao (Liahona, mey 2020, 110–13).

Sary
zatovolahy mandalina soratra masina

Ny Fanahy Masina dia afaka mitaona antsika hizara ny filazantsara amin’ireo izay voaomana hihaino ny fijoroana ho vavolombelona ataontsika.

Miaraha mianatra

Mba hanampiana ireo izay ampianarinao hizara ny zavatra tsapany avy amin’ny fandalinany momba an’i Jona tamin’ity herinandro ity dia azonao atao ny mampiseho ny sarin’i Jona (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana:). Asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany mikasika ny fizarana ny filazantsara avy amin’ny zavatra niainan’i Jona. Azonao atao ny manasa azy ireo hamaky indrindra indrindra ny Jona 1 sy ny 3 ary manontany hoe: Inona no ianarantsika momba ny fizarana ny filazantsara amin’ireo izay toa tsy vonona ny hiova? Inona no ianarantsika momba ny fahavononan’ Andriamanitra hamela ireo izay mibebaka? Mba hitaomana ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy misy anao hizara ny filazantsara dia ampiasao ny iray amin’ireto asa atao manaraka ireto na mamoròna iray anao manokana.

  • Mba hahazoana hevitra momba ny fomba hizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy amin’ny hafa, dia afaka mamaky ireto tantara manaraka ireto ao amin’ny soratra masina ny kilasy na ny kôlejy misy anao: Jaona 4:3–26; Asan’ny Apostoly 16:25–33; Almà 19:14–18, 28–31. Azonao atao araka izany ny miara-mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana tahaka ireto: Toy ny ahoana ny fahavononan’ireo olona ao amin’ireo tantara ireo handre ny hafatry ny filazantsara? Inona no tsikaritrao momba ny fomba nizarana ilay hafatra? Nahoana araka ny hevitrao no tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny hizarantsika ny filazantsara? Azonareo ao amin’ny kilasy na ny kôlejy iray manontolo atao avy eo ny miara-mifanakalo hevitra mikasika ny zavatra ampianarin’ireo tantara ireo antsika momba ny fomba ahafahantsika mizara ny filazantsara amin’izao fotoana izao.

  • Ny famakiana ohatra manentam-panahy nasehon’ny hafa tamin’ny fizarana ny filazantsara dia afaka mamporisika ny zatovo ampianarinao hanao toy izany koa. Ny Loholona D. Todd Christofferson dia nizara ohatra vitsivitsy ao amin’ilay hafany hoe: “Mizara ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Fitsanganana amin’ny maty.” Ny Loholona Christofferson, ao amin’io hafatra io, dia nampianatra fa zavatra telo no ilaina mba hahatonga ny fanasana handray ny filazantsara ataontsika hahasarika olona: ny fitiavantsika, ny ohatra asehontsika ary ny fampiasantsika ny Bokin’i Môrmôna. Ifanakalozy hevitra ireo ohatra amin’ny fizarana ny filazantsara ao amin’io hafatra io ary asao hizara ohatra hafa ireo izay ampianarinao, ao anatin’izany ny zavatra niainan’izy ireo manokana. Ahoana no anehoan’ireo zavatra niainana ireo ireo zavatra telo nampianarin’ny Loholona Christofferson?

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo izay ampianarinao hahatakatra fa ny fizarana ny filazantsara dia afaka ny handeha ho azy ary tsy tokony hampatahotra? Mety ho azonao atao ny mandefa ireo horonan-tsary eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” ary mangataka ny zatovo hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo mizara ny filazantsara amin’olona iray fantany. Inona no azontsika atao mba hanasana azy ireo ho avy ka hizaha? Inona avy ireo fahafahana ananan’izy ireo mba ho avy ka hanampy? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hahatsapa ho te ho tonga sy hijanona? Ahoana no ahafahantsika mametraka ny fizarana ny filazantsara ho isan’ny zavatra ataontsika eo amin’ny fiainantsika isan’andro?

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Tena hanao fanovana manan-danja eo amin’ny fiainany ny olona rehefa avy amin’ny fampiasany ny fahafahana misafidy manokana ireo fanovana ireo. Rehefa manao fanasana mba handray andraikitra ianao dia ataovy izay hanajana ny fahafahana misafidy ananan’ireo izay ampianarinao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35).

Hamoaka printy