Testamenta Taloha 2022
21–27 nôvambra. Jona; Mika: “Tia famindrampo Izy”


“21–27 nôvambra. Jona, Mika: -Tia famindrampo Izy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“21–27 nôvambra. Jona, Mika,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
lehilahy mandady eny amoron-dranomasina izay arahin’ny trozona ao anaty ranomasina

Jonah on the Beach at Nineveh (I Jona teo amoron-dranomasin’i Ninive), nataon’i Daniel A. Lewis

21–27 nôvambra

Jona; Mika

“Tia famindrampo Izy”

Rehefa mirakitra an-tsoratra ny zavatra tsapanao ianao, dia eritrereto ny fifandraisan’ireo fitsipika ao amin’ny Jona sy Mika amin’ny zavatra efa nianaranao tao amin’ny soratra masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nandeha sambo ho any Tarsisy i Jona. Tsy nisy naharatsy ny fandehanana an-tsambo nankany Tarsisy afa-tsy hoe lavitra an’i Ninive izany, izay toerana tokony nandehanan’i Jona mba hitondrana ny hafatr’ Andriamanitra. Noho izany rehefa sendra tafiotra mahery ilay sambo dia fantatr’i Jona fa noho ny tsy fankatoavany izany. Natsipin’ireo mpiantsambo niaraka taminy tany amin’ny ranomasina i Jona rehefa nangataka izany izy, mba hampijanona ilay tafiotra. Toy ny hoe izany no fiafaran’i Jona sy ny asa fanompoany. Saingy mbola tsy nilavo lefona tamin’i Jona ny Tompo, toy ny tsy nilavoany lefona tamin’ny vahoakan’i Ninive sy ny tsy hilavoany lefona amin’ny tsirairay avy amintsika. Araka ny nampianarin’i Mika, ny Tompo dia tsy mifaly amin’ny fanamelohana antsika, fa “tia famindrampo Izy.” Rehefa mitodika Aminy isika dia “Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, eny, harian[y] ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahota[ntsika] rehetra” (Mika 7:18–19).

Mba hanaovana topimaso ny bokin’i Jona sy i Mika dia jereo ny “Jona” sy “Mika” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Jona 1–4; Mika 7:18–19

Feno famindrampo amin’ireo rehetra izay mitodika Aminy ny Tompo.

Ny bokin’i Jona dia mampiseho, miaraka amin’ny zavatra hafa, ny maha feno famindrampo ny Tompo rehefa mibebaka isika. Eo am-pamakinao ny Jona dia tadiavo ny ohatra mampiseho ny famindrampony. Saintsaino ny fomba niainanao izany famindrampo izany teo amin’ny fiainanao. Inona no zavatra ianaranao ka afaka hanampy anao ho feno famindrampo kokoa amin’ny hafa?

Matetika ny fahitana maso ny famindrampon’ny Tompo dia mitaona fanahy hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana. Na izany aza dia “tsy sitrak’i”Jona ka “nirehitra ny fahatezerany” (Jona 4:1) rehefa nampiseho famindrampo tamin’ny vahoakan’i Ninive, izay fahavalon’i Isiraely ny Tompo. Inona no mety ho antony nananan’i Jona fahatsapana toy izany? Efa nanana fahatsapana toy izany ve ianao? Inona araka ny fahatsapanao no nezahin’ny Tompo hanampiana an’i Jona mba ho azony tao amin’ny toko 4?

Saintsaino ny fampianarana ao amin’ny Mika 7:18–19. Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana ireo hanampy an’i Jona hanova ny fihetsiny manoloana ny Tompo sy ny vahoakan’i Ninive?

Jereo koa ny Lioka 15:11–32.

Sary
olona roa miresaka eo amin’ny renirano

Afaka mizara ny filazantsara amin’ireo zanak’ Andriamanitra isika.

Jona1; 3–4

Mila maheno ny filazantsara ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Ao anatin’ny fanjakana Asyrianina i Ninive, izay fahavalon’i Isiraely sy fantatra tamin’ny herisetrany sy ny habibiana nataony. Ho an’i Jona dia toa tsy azo noheverina fa vonona ny handray ny tenin’ Andriamanitra sy hibebaka ny vahoakan’i Ninive. Kanefa, araka ny nampianarin’ny Filoha Dallin H. Oaks dia: “Tsy tokony hamela velively ny tenantsika isika ho mpitsara hoe iza no vonona na tsy vonona. Fantatry ny Tompo ny ao am-pon’ny zanany rehetra ary raha mivavaka mba hahazo fitaomam-panahy isika dia hanampy antsika Izy hahita ireo olona izay fantany fa “efa voaomana handre ny teny” (Almà 32:6)” (“Mizara ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny,” Liahona, nôv. 2016, 58–59). Inona no ianaranao avy ao amin’ny Jona 3 izay manentana anao hizara ny filazantsara na dia amin’ireo izay toa tsy vonona ny hiova aza?

Mety tena hanampy ny mampitaha ny fihetsik’i Jona (jereo ny Jona1; 3–4) amin’ny fahatsapan’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià (jereo Môzià 28:1–5; Almà 17:23–25).

Jereo koa ny 3 Nefia 18:32.

Mika 4:11–13; 5:8–15; 7:5–7

Nindrana ireo teny ao amin’ny asa soratr’i Mika i Jesoa Kristy.

Tena fantatra tsara fa nindrana ny teny ao amin’ny Isaia sy ny Salamo ny Mpamonjy. Fantatrao ve fa Izy ihany koa dia nindrana imbetsaka ny tenin’i Mika? Jereo ireto ohatra manaraka ireto, ary saintsaino ny mety ho antony naha-nanan-danja ireto andian-tsoratra masina ireto tamin’ny Mpamonjy. Nahoana izy ireo no manan-danja aminareo?

Mika 4:11–13 (jereo ny 3 Nefia 20:18–20). Nampitahain’ny Tompo tamin’ny fijinjam-bary ny fanangonana amin’ny andro farany (jereo ihany koa ny Almà 26:5–7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:3–4). Inona no ambaran’io fampitahana io aminao momba ny fanangonana an’i Isiraely?

Mika 5: 8–15 (jereo ny 3 Nefia 21:12–21). Inona no ambaran’ireo andininy ireo aminao momba ny vahoakan’ Andriamanitra (“ny sisa tavela amin’i Jakoba”) amin’ny andro farany?

Mika 7:5–7 (jereo ny Matio 10:35–36). Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, nahoana no zava-dehibe ny manao ho lohalaharana ny “miandrandra an’i Jehovah”? Nahoana no manan-danja io torohevitra io ankehitriny?

Mika 6: 1– 8

“[Inona no] ilain’i Jehovah aminao?”

Manasa antsika i Mika mba haka sary an-tsaina hoe mety ho tahaka ny ahoana izany hoe “hanatona an’i Jehovah, sy miondrika … eo anatrehan’ Andriamanitra any amin’ny avo” izany (Mika 6:6). Inona no tian’ny andininy 6–8 holazaina aminao momba ny zavatra izay manan-danja amin’ny Tompo rehefa manombantombana ny fiainanao Izy?

Jereo koa ny Matio 7:21–23; 25:31–40; Dale G. Renlund, “Hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary hanaraka an’ Andriamanitra amin’ny fanetrentena,” Liahona, nôv 2020, 109–12.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Jona 1–4.Mety hankafizin’ireo zanakao ny hanao fihetsika izay milaza ny tantaran’i Jona, toy ny mody mitsoaka, manao feon’ny tafio-dranomasina, na mody manao voatelina trondro vaventy (jereo ny “Jona ilay mpaminany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha). Anontanio ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana ny zavatra izay nianaran’izy ireo avy tamin’ny zavatra niainan’i Jona. Mba hahitana ohatra iray ana lesona avy tamin’i Jona dia jereo ny andininy 7 amin’ny “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59).

Jona 3.Inona no nianaran’i Jona momba ny fizarana ny filazantsara? Iza no fantatsika fa mety ho voatahy amin’ny fahenoana ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny?

Mika 4: 1– 5.Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona no hitondra fiadanam-po sy firoboroboana ho an’ny vahoakan’ny Tompo? Inona no azontsika atao mba hitondrana fanampiana hahatanteraka an’io faminaniana io ao amin’ny tokantranontsika?

Mika 5:2.Azonao atao ny mampiseho sarin’i Jesoa fony Izy mbola zaza miaraka amin’ny reniny (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.33) eo amin’ny faritra iray ao amin’ny efitrano ary ny sarin’ireo Magy eny amin’ny ifaritra iray hafa ao amin’ny efitrano. Iaraho mamaky ny Mika 5:2 sy ny Matio 2:1–6. Ahoana no nanampian’ny faminanian’i Mika an’ireo Magy hahita an’i Jesoa? Azon’ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviana atao ny mamindra ny sarin’ireo Magy ho eo akaikin’ny sarin’i Jesoa.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Ny lalanao no lalako,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 56.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mahita ny fitiavan’ Andriamanitra. Eo am-pamakianao ny soratra masina dia azonao atao ny mandray an-tsoratra ny porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra izay tsikaritrao. Ohatra, jereo ny fomba izay nanehoan’ Andriamanitra ny fitiavany ho an’ireo zanany ao amin’ny tantaran’i Jona.

Sary
lehilahy natsipy avy ao anaty sambo ho ao anaty ranomasina

Sary nataon’i Kevin Carden

Hamoaka printy