“28 nôvambra–4 desambra. Nahoma; Habakoka; Zefania: -Fanaony hatry ny fahagola ny Azy-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)
“28 nôvambra–4 desambra. Nahoma; Habakoka; Zefania,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022
28 nôvambra–4 desambra
Nahoma; Habakoka; Zefania
“Fanaony hatry ny fahagola ny Azy”
Afaka mandalina ny soratra masina mandritra ny fiainanao ianao nefa mbola mahita zava-baovao foana. Aza mieritreritra hoe tsy maintsy azonao izao dia izao ny zava-drehetra. Mivavaha mba hahazo fanampiana amin’ny fahafantarana ireo hafatra ilainao anio.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Ny famakiana ny Testamenta Taloha dia matetika midika hoe mamaky ireo faminaniana mikasika ana faharavana. Miantso mpaminany ny Tompo matetika mba hampitandremana ny olon-dratsy fa hihatra amin’izy ireo ny fitsarany. Ohatra tsara maneho izany ireo asa fanompoana nataon’i Nahoma, i Habakoka, ary i Zefania. Tamin’ny antsipiriany mampihoroho no nilazan’ireo mpaminany ireo mialoha ny faharavan’ireo tanàna izay toa natanjaka sy nahery tamin’izany fotoana izany, dia i Ninive, i Babylona izany ary na i Jerosalema koa aza. Fa an’arivorivo taona lasa no nitrangan’izany. Nahoana ary no manan-danja ny famakiana an’ireo faminaniana ireo amin’izao fotoana izao?
Na dia noravana aza ireo tanàna feno avonavona sy faharatsiana ireo dia mbola misy foana ny avonavona sy ny faharatsiana. Eto amin’ity izao tontolo izao amin’izao fotoana izao ity, dia indraindray isika mety ho voahodidin’ireo zavatra ratsy izay nomelohin’ireo mpaminany fahiny. Mety mahatsikaritra ny dian’izy ireny aza isika ao am-pontsika. Ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha ireo dia manambara ny zavatra tsapan’ny Tompo momba ny avonavona sy ny faharatsiana, ary mampianatra izy ireo fa afaka manalavitra ireny zavatra ratsy ireny isika. Angamba izany no antony iray mbola hamakiantsika ireny faminaniana fahiny ireny amin’izao fotoana izao. I Nahoma sy i Habakoka ary i Zefania dia tsy hoe mpaminany manambara zava-doza fotsiny fa mpaminany manambara fanafahana koa. Ireo famariparitana faharavana dia nalefahan’ireo fanasana mba hanatona an’i Kristy sy hahazo ny famindrampony: “Mitadiava ny Tompo hianareo …; tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana” (Zefania 2:3). Izany no fomban’ny Tompo fahiny ary mbola fombany izany amin’izao fotoana izao. “Fanaony hatry ny fahagola ny Azy” (Habakoka 3:6).
Mba hanaovana topimaso ireo boky ireo dia jereo ny “Nahoma,” sy “Habakoka,” ary “Zefania” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Ny Tompo dia sady mahery no be famindrampo.
Ny asa nanirahana an’i Nahoma dia ny hanambara mialoha ny faharavan’i Ninive, renivohitr’i Asyria ilay fanjakana tia herisetra, izay nampiely patrana an’i Isiraely ary nampijalijaly an’i Joda. Nanomboka tamin’ny famaritana ny fahatezeran’ Andriamanitra sy ny heriny tsy manam-paharoa i Nahoma, fa niresaka momba ny famindrampon’ Andriamanitra sy ny hatsaram-panahiny koa izy. Azonao heverina ny hitady andininy ao amin’ny toko 1 izay manampy anao hahatakatra ny tsirairay amin’ireo toetra ireo sy ireo toetra hafa an’ Andriamanitra izay tsikaritrao. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny fahafantarana ny tsirairay amin’ireo zavatra momba ny Tompo ireo?
Mety mahita ny olona sasany fa sarotra ny fampihavanana ilay fampianarana ao amin’ny soratra masina hoe “tsara ny Tompo” (Nahoma 1:7) amin’ilay fampianarana fa Izy dia “mpamaly ny rafilahiny” (Nahoma 1:2). I Koriantôna zanakalahin’i Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nanana fanontaniana mitovy amin’izany “momba ny fahamarinan’ Andriamanitra amin’ny famaizana ny mpanota” (Almà 42:1). Vakio ny valinteny nomen’i Almà an’i Koriantôna ao amin’ny Almà 42 mba hianarana kokoa mikasika ny famindrampon’ Andriamanitra sy ny fifandraisan’izany amin’ny fahamarinany.
Afaka matoky ny sitrapon’ny Tompo sy ny fotoany aho.
Na ny mpaminany aza dia manana fanontaniana momba ny lalan’ny Tompo indraindray. Nanomboka ny rakitsorany tamin’ny fametrahana fanontaniana ny Tompo i Habakoka, izay niaina nandritra ny fihanahan’ny faharatsiana tao Joda (jereo ny Habakoka 1:1–4). Ahoana no hamintinanao ireo ahiahin’i Habakoka? Efa nahatsapa zavatra mitovy amin’izany ve ianao?
Namaly ireo fanontanian’i Habakoka ny Tompo tamin’ny filazana fa handefa ny Kaldeana Izy (ny Babyloniana) mba hanasaziana an’i Joda (jereo ny Habakoka 1:5–11). Saingy mbola nikorontan-tsaina i Habakoka satria toa tsy rariny raha toa ny Tompo hiraviravy tanana “raha [i Babylona] ratsy fanahy [h]andrapaka ny marina noho [i Joda]” (jereo ny andininy 12–17). Inona no hitanao ao amin’ny Habakoka 2:1–4 izay manentana anao hatoky ny Tompo rehefa manana fanontaniana tsy voavaly ianao?
Ny toko 3 ao amin’ny Habakoka dia vavaka fanehoam-piderana an’ Andriamanitra ary fanehoana ny finoana Azy. Inona no manaitra anao mikasika ireo tenin’i Habakoka ao amin’ny andininy 17–19? Inona no tsy mampitovy ny fomba firesaka ao amin’ireo andininy ireo amin’ny ao amin’ny Habakoka 1:1–4? Saintsaino ny fomba ahafahanao manana finoana lehibe kokoa an’ Andriamanitra, na dia toa tsy rariny aza ny fiainana.
Jereo koa ny Hebreo 10:32–39; 11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–6; Robert D. Hales, “Miandry an’i Jehovah: Aoka ny sitraponao no hatao,” Liahona, nôv. 2011, 71–74.
“Mitadiava [ny Tompo], hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany.”
I Zefania dia naminany fa ho ravan’ny Babyloniana tanteraka ny vahoakan’i Joda noho ny faharatsian’izy ireo. “Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin’ny tany, hoy ny Tompo” (Zefania 1:2). Kanefa nilaza koa i Zefania fa hisy “sisa” ho voaro (Zefania 3:13). Rehefa mamaky ireo faminaniana ireo ianao dia jereo ireo karazana toetra sy fihetsika izay nahatonga an’i Joda sy ireo vondrona hafa ho rava. Jereo manokana ny Zefania 1:4–6,12; 2:8, 10,15; 3:1–4. Avy eo dia tadiavo ireo toetoetran’ny olona izay harovan’ Andriamanitra. Jereo ny Zefania 2:1–3; 3:12–13, 18–19. Inona no hafatra tsapanao fa atolotry ny Tompo ho anao ao amin’ireo andininy ireo?
Ny Zefania 3:14–20 dia mamariparitra ny fifalian’ny olo-marina rehefa avy “nandroaka ny fahavalonao ny Tompo” (andininy 15). Inona avy ireo fitahiana nampanantenaina izay misongadina aminao ao amin’ireo andininy ireo? Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra momba ireo fitahiana ireo? Afaka mampitaha an’ireo andininy ireo amin’ireo zavatra niseho izay voafariparitra ao amin’ny 3 Nefia 17 ianao ary misaintsaina ny zavatra tsapan’i Jesoa Kristy momba ny olony, ka tafiditra ao anatin’izany ianao.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
Nahoma 1:7.Inona no mahatonga ny Tompo ho “fiarovana mafy”? Angamba afaka manamboatra fiarovana mafy na manda iray tsotsotra ao an-tokantranonareo ny fianakavianareo ary mifanakalo hevitra mikasika ny Nahoma 1:7 rehefa ao anatin’izany. Inona no mahatonga ny androntsika ho “andro fahoriana”? Ahoana no fomba hampatanjahan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany anao? Ahoana no ampisehoantsika fa “mialoka aminy” isika?
-
Habakoka 2:14.Ahoana no ahafahantsika manampy amin’ny fanatanterahana ilay faminaniana ao amin’io andininy io?
-
Habakoka 3:17–19.Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatra nasehon’i Habakoka ao amin’ireo andininy ireo?
-
Zefania 2:3.Afaka manao kilalao iray ianareo ka ireo olona ao amin’ny fianakaviana dia mila mitady ny teny hoe “fahamarinana” sy “fandeferana” ao amin’ny pejin-taratasy iray izay ahitana teny maro hafa. Afaka miresaka mikasika ireo ohatra maneho fahamarinana sy fandeferena hitan’izy ireo teo amin’ny izy samy izy izy ireo. Inona no dikan’izany hoe marina sy mandefitra izany?
-
Zefania 3:14–20.Inona no hitantsika ao amin’ny Zefania 3:14–20 izay mahatonga antsika te “[h]ihoby, … [h]ifaly sy [h]iravoravo amin’ny fo rehetra”? Angamba ny fianakavianao afaka mihira hira ao amin’ny fihirana na hira izay tonga ao an-tsaina rehefa mamaky ireo andininy ireo izy ireo.
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso mba ho hiraina: “Hitady ny Tompo aho dieny izao,” Bokin-kiran’ny ankizy, 67.