Testamenta Taloha 2022
19–25 desambra. Krismasy: “[Ilay] nandrasantsika hamonjy antsika”


“19–25 desambra. Krismasy: -[Ilay] nandrasantsika hamonjy antsika-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“19–25 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Jesoa zazakely nofonosina lamba fotsy ary mandry ao anatin’ny mololo

Fa zaza no teraka ho antsika, nataon’i Simon Dewey

19–25 desambra

Krismasy

“[Ilay] nandrasantsika hamonjy antsika”

Mandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy dia diniho ny fomba nampatanjahan’ny Testamenta Vaovao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny Testamenta Taloha dia mifono fiandrandrana zavatra mafy. Amin’izay lafiny izay dia toa toy ny ao anatin’ny vanim-potoan’ny Krismasy izany. Nanomboka tany amin’i Adama sy i Eva, ireo patriarika sy mpaminany ary mpahaitononkalo sy vahoaka tao amin’ny Testamenta Taloha, dia niandrandra andro tsara kokoa feno fanantenana ny mba hiaina fihavaozana sy fanafahana avy amin’ny Mesia. Ary ireo Israelita dia matetika nila izany fanantenana izany, na tamin’izy ireo babo tany Egypta na Babylona na babo noho ny fahotan’izy ireo na ny fikomian’izy ireo ihany. Tao anatin’izany rehetra izany dia nampahatsiahivin’ireo mpaminany izy ireo fa ho avy ilay Mesia sy Mpanavotra iray “hitory fanafahana amin’ny babo” (Isaia 61:1).

Nanomboka nihatanteraka izany fanantenana izany rehefa teraka tany Betlehema i Jesoa Kristy. Teraka tao an-tranon’omby iray ary nampatoriana teo amin’ny fihinanam-bilona ilay Mpanafaka lehibe an’i Isiraely (jereo ny Lioka 2:7). Saingy tsy Mpanafaka an’ireo Isiraelita fahiny fotsiny Izy. Tonga Izy mba hanafaka anao, hitondra ny aretinao, sy hivesatra ny fahorianao ary hotorotoroina noho ny helokao, mba hahafahan’ny dian-kapoka Taminy hanasitrana anao (jereo ny Isaia 53:4–5). Izany no antony mahatonga ny Krismasy ho mifono fiandrandrana zavatra mahafaly na dia amin’izao fotoana izao aza. Tonga ny Mesia 2000 taona lasa izay ary mitohy tonga eo amin’ny fiainantsika Izy isaky ny mikatsaka Azy isika.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Mifaly amin’ilay Mpanavotra ahy aho.

Ny Krismasy dia fantatra amin’ny maha-vanim-potoana feno fifaliana azy noho ilay fifaliana entin’i Jesoa Kristy eo amin’izao tontolo izao. Na ireo olona tsy mitsaoka an’i Jesoa ho toy ny Zanak’ Andriamanitra aza dia matetika afaka mahatsapa ilay fifaliana avy amin’ny Krismasy. Saintsaino ny fifaliana tsapanao noho ny nandefasan’ny Ray any An-danitra an’ilay Zanakalahiny.

Taon-jato maro talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy, dia nahatsapa fifaliana koa ireo mpaminany rehefa niresaka mikasika ny fahatongavan’ny Mesia izy ireo. Vakio ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary eritrereto ny antony nahatonga izany ho sarobidy ho an’ireo izay niandrandra ny asa nanirahana ny Mpamonjy: Salamo 35:9; Isaia 25:8–9; 44:21–24; 51:11; Zefania 3:14–20; Mosesy 5:5–11. Nahoana ireo andinin-tsoratra masina ireo no sarobidy aminao?

Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 81–84.

Manampy ahy hahatsiaro an’i Jesoa Kristy ireo tandindona.

Maro amin’ireo fomba fanao hatrizay mahakasika ny Krismasy no mifono hevitra ara-tandindona izay mampitodika antsika any amin’i Kristy. Ireo fandravahana miendrika kintana dia maneho an’ilay kintana mazava izay namirapiratra ny alin’ny fahaterahan’i Jesoa (jereo ny Matio 2:2). Ireo mpihira hiran’ny Krismasy dia mampahatsiahy antsika an’ireo anjely izay niseho tamin’ireo mpiandry ondry (jereo ny Lioka 2:13–14). Rehefa nandalina ny Testamenta Taloha ianao dia mety nahatsikaritra tandindona maro mifandray amin’ny Mpamonjy. Misy vitsivitsy amin’izany voatanisa etsy ambany. Hevero ny handalina azy ireo sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra ampianarin’izy ireo anao momba Azy.

Inona avy ireo tandindona sy andinin-tsoratra masina ary tantara hafa izay hitanao tao amin’ny soratra masina ka mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

Jereo koa ny 2 Nefia 11:4; Môzià 3:14–15; Mosesy 6:63; “Jesoa Kristy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

“Ny anarany hatao hoe Mahagaga.”

I Jesoa Kristy dia antsoina amin’ny anarana sy anaram-boninahitra maro samihafa. Inona avy ireo anarana hitanao ao amin’ireto andininy manaraka ireto? Salamo 23:1; 83:18; Isaia 7:14; 9:5; 12:2; 63:16; Amosa 4:13; Zakaria 14:16; Mosesy 7:53. Inona koa ireo anarana hafa azonao eritreretina? Azonao atao koa aza ny mitanisa ireo anarana omena an’i Jesoa Kristy izay hitanao ao amin’ireo hiran’ny Krismasy ao amin’ny fihirana. Inona no fiantraikan’ny anarana tsirairay amin’ny fieritreretanao ny momba Azy?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Afaka mampitodika any amin’i Jesoa Kristy ireo fomba fanao mandritra ny Krismasy.Ireo fianakaviana Isiraelita dia nanana fomba fanao nentim-paharazana, toy ny Paska sy ireo fety hafa izay natao mba hampitodihana ny fon’izy ireo sy ny sain’izy ireo any amin’ny Tompo (jereo ny Eksodosy 12). Inona avy ireo fomba fanaon’ny fianakavianao rehefa vanim-potoan’ny Krismasy izay manampy anareo hifantoka amin’i Jesoa Kristy? Inona avy ireo fomba fanao izay fantatrao fa avy amin’ny tantaran’ny fianakavianao? Azonao atao ny mifanakalo hevitra eo anivon’ny fianakaviana mikasika ny fomba sasantsasany izay tianareo hatomboka. Ireo hevitra sasany dia mety ahitana ny fanompoana olona mila fanampiana, ny famoronana hiran’ny Krismasy, na fitadiavana fomba tsara iray hizarana hafatra momba ny fahaterahan’i Kristy.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ireo olona ao amin’ny fianakavianao hahatsapa ny fanajana sy ny fifaliana amin’ny fahaterahan’i Kristy? Iaraho mamaky ny Matio 1:18–25; 2:1–12; Lioka 1:26–38; 2:1–20. Ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana dia afaka mifidy olona iray avy ao amin’ilay tantara ao amin’ny soratra masina ary mizara ny zavatra tsapan’izany olona izany momba ny Mpamonjy. Afaka mizara ny zavatra tsapan’izy ireo momba Azy koa ireo olona ao amin’ny fianakaviana.

Mahita ny Mpamonjy ao anatin’ny Testamenta Taloha.Eo am-piomananao handalina ny tantaran’i Jesoa Krisy ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ny herintaona, dia hevero ny hanao famerenana miaraka amin’ny fianakavianao an’ireo zavatra izay nianaran’izy ireo momba Azy tamin’ity taona ity tao amin’ny Testamenta Taloha. Afaka mamerina mijery ireo rindran-damina ao amin’ity fitaovana ity ianao ary izay mety ho zavatra noraketin’ny tena manokana an-tsoratra mba hanampiana anao hahatsiaro ny zavatra nianaranao. Ny ankizy madinika dia mety hahita tombontsoa amin’ny alalan’ny fijerena ilay boky Tantaran’ny Testamenta Taloha na ireo sary ao anatin’ity loharanom-pitaovana ity. Inona avy ireo faminaniana na tantara nanaitra antsika? Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Petite ville, Bethléhem,” Cantiques, no.136.

Manatsara ny fampianarantsika

Henoy ireo olona ao amin’ny fianakavianao. “Fihetsika maneho fitiavana ny fihainoana. Izany dia mitaky ny fieritreretana ny zavatra izay ao am-pon’ny olona iray hafa toy izay hoe ny zavatra manaraka ao anatin’ny fandaharam-potoantsika na ny rindran-damina. … Rehefa mandinika tsara ny hafatra ampitain’ny [olona ao amin’ny fianakaviana] am-bava sy ampitainy amin’ny fomba hafa ianao, dia hahatakatra tsara kokoa ny zavatra ilainy sy ny olany ary ny faniriany. Ny Fanahy dia hanampy anao hahafantatra ny fomba hampianarana azy ireo (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 34).

Sary
I Maria sy i Jesoa zazakely ao an-tranon’omby miaraka amin’ireo mpiandry ondry

Ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy, nataon’i N.C. Wyeth

Hamoaka printy