Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana Teny fanolorana Hafatra avy amin’ny Fiadidiana VoalohanyIty loharanom-pitaovana ity dia afaka ny ho mpitari-dalana anao mba hianarana ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy. Eo am-piezahanao mampianatra araka ny fombany dia hanampy anao Izy ho lasa ilay mpampianatra fantany fa azonao hahatongavana. Ny tanjon’ny Mampianatra araka ny fomban’ny MpamonjyIreo fitsipika voafaritra ato amin’ity loharanom-pitaovana ity dia afaka manampy ny mpampianatra filazantsara rehetra hampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Topimaso mikasika ny fampianarana tahaka ny an’i KristyIreo fitsipika voafariparitra ato amin’ity loharanom-pitaovana ity dia afaka manampy ny mpampianatra filazantsara rehetra hampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Fizarana 1: Mifantoha amin’i Jesoa Kristy Fizarana 1: Mifantoha amin’i Jesoa Kristy Mampianara mikasika an’i Jesoa Kristy na inona na inona ampianarinaoNa inona na inona ampianarinao dia tsarovy fa tena mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ianao sy ny fomba hahatongavana tahaka Azy. Ampio ny mpianatra hanatona an’i Jesoa KristyTsy misy zavatra hafa ataonao amin’ny maha-mpampianatra anao izay hitahy bebe kokoa ireo mpianatra mihoatra noho ny fanampiana azy ireo hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hahatsapa ny fitiavan’ Izy Ireo (jereo ny Jaona 17:3). Fizarana 2: Ireo fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy Fizarana 2: Ireo fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy Tiavo ireo izay ampianarinaoRehefa ao am-pontsika ny fitiavan’ny Mpamonjy, dia mitady izay fomba rehetra azo atao isika hanampiana ny hafa hianatra momba an’i Kristy sy hanatona Azy. Lasa antony mandrisika ny fampianarantsika ny fitiavana. Mampianara amin’ny alalan’ny FanahyRehefa mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao dia afaka manana ny Fanahy Masina miaraka aminao hitarika anao ary hijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ao an-tsain’ireo izay ampianarinao sy ao am-pon’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2). Ampianaro ny fotopampianaranaAfaka mampianatra amin-kery tahaka ny nataon’ny Mpamonjy ianao amin’ny alalan’ny fampianarana ny fotopampianaran’ny Ray. Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihanaRehefa manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika dia manasa ireo izay ampianarintsika mba hangataka sy hikatsaka ary handondòna, ary hahita avy eo (jereo ny Matio 7:7–8). Fizarana 3: Fanampiana mahasoa sy sosokevitra Fizarana 3: Fanampiana mahasoa sy sosokevitra Sosokevitra ho an’ireo sehatra samihafa hampianarana sy ireo karazana mpianatraIty fizarana iray ao amin’ny boky ity dia manolotra sosokevitra fanampiny izay mifantoka manokana amina mpianatra sy sehatra hampianarana samihafa. Santionany amin’ny rindran-damin’ny drafitry ny lesonaIty dia ohatra iray mampiseho ny mety ho endriky ny rindran-damin’ny drafitry ny lesona. Mivoatra amin’ny maha-mpampianatra tahaka an’i Kristy: Fanombantombanana ny tena manokanaIsika mpampianatra dia tokony hanombantombana tsy tapaka ireo tanjatsika sy fahalementsika mba hahafahantsika mampivoatra ny fahafahantsika manampy ireo mpianatra hanorina finoana an’i Jesoa Kristy ary ho lasa tahaka Azy kokoa. Ho an’ireo mpitarika: Manampy ireo mpampianatra mba hahombyRehefa mihaona amin’ireo mpampianatra ianao dia mitadiava fomba hampatanjahana sy hampaherezana azy ireo amin-katsaram-panahy sy amim-pankasitrahana ireo asa fanompoana ataon’izy ireo.