Seminera sy Institiota
Ny tanjon’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy


“Ny tanjon’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022)

“Ny tanjon’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny tanjon’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ireo fitsipika voafaritra ao amin’ity loharanom-pitaovana ity dia afaka manampy ny mpampianatra filazantsara rehetra mba hampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy. Tafiditra ao anatin’izany ireo ray aman-dreny, ireo rahalahy sy rahavavy manompo, ireo mpampianatra seminera sy institiota ary izay rehetra manana fahafahana hampianatra noho ny antsony ato amin’ny Fiangonana.

Afaka mandalina manokana ity loharanom-pitaovana ity ianao na mampiasa izany mba hitarihana fifanakalozan-kevitra iarahana amin’ny hafa mikasika ny fomba hahatongavana ho mpampianatra tsara kokoa. Ohatra, ity loharanom-pitaovana ity dia azo ampiasaina mandritra ireo takarivan’ny mpianakavy, ireo fivorian’ny fiadidiana, ireo fivoriana filankevitra eo anivon’ny paroasy na tsatòka, ireo fivoriana fanomezana fiofanana mitohy ao amin’ny seminera sy institiota, ary ireo fivoriana filankevitry ny mpampianatra (jereo ny “Ho an’ireo mpitarika: Manampy ireo mpampianatra mba hahomby”).

Ny fomba nandaminana ity loharanom-pitaovana ity

Ny fizarana 1 dia manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy isaky ny mampianatra ireo fitsipiky ny filazantsarany isika. Io fizarana io dia mamaritra ny zavatra ampianarintsika.

Ny fizarana 2 dia manantitrantitra ireo fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy. Io fizarana io dia mamaritra ny fomba entitsika mampianatra.

Ny fizarana 3 dia manome sosokevitra mahasoa mba hanampiana ireo mpampianatra hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy.

Topimaso mikasika ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy

Ireto tabilao manaraka ireto dia manolotra topimaso mikasika ireo fitsipika ampianarina ao amin’ity loharanom-pitaovana ity.

Sary
Santionany amin’ny rindran-damin’ny drafitry ny lesona

Hamoaka printy