Seminera sy Institiota
Topimaso mikasika ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy


“Topimaso mikasika ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (2022)

Topimaso mikasika ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy

Ireto tabilao manaraka ireto dia manolotra topimaso mikasika ireo fitsipika ampianarina ato amin’ity loharanom-pitaovana ity.

Mifantoha amin’i Jesoa Kristy

Mampianara momba an’i Jesoa Kristy na inona na inona ampianarinao

  • Antitrantero ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy.

  • Ampianaro ny momba ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany ary ireo toetra nananany.

  • Karohy ireo tandindona izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Ampio ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy

  • Ampio ny mpianatra hamantatra ny fitiavan’ny Tompo sy ny heriny ary ny famindrampony eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Ampio ny mpianatra hanamafy orina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Ampio ny mpianatra hinia hiezaka ny hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy.

Fitsipika mifehy ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy

Tiavo ireo izay ampianarinao

  • Jereo amin’ny fomba hijeren’ Andriamanitra azy ireo ny mpianatra.

  • Katsaho ny hahafantatra azy ireo. Takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo.

  • Mivavaha ho azy ireo amin’ny alalan’ny fanononana ny anaran’izy ireo.

  • Mamoròna tontolo azo antoka izay hanajana ny rehetra sy hahafantaran’izy ireo fa sarobidy ny anjara biriky entin’izy ireo.

  • Mitadiava fomba tsara hanehoana ny fitiavanao.

Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy

  • Manomàna tena ara-panahy.

  • Aoka ianao ho vonona mandrakariva hanaraka ireo bitsika ara-panahy momba ny zavatra ilain’ireo mpianatra.

  • Mamoròna sehatra sy fahafahana ho an’ireo mpianatra mba ho ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy ireo.

  • Ampio ireo mpianatra hikatsaka sy hamantatra ary handray andraikitra eo anatrehan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana.

  • Mijoroa ho vavolombelona matetika ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Ampianaro ny fotopampianarana

  • Ianaro avy amin’ny ezaka ataonao manokana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Mampianara avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany.

  • Ampio ireo mpianatra hitady sy hamantatra ary hahatakatra fahamarinana ao amin’ny soratra masina.

  • Mifantoha amin’ireo fahamarinana izay mitondra any amin’ny fiovam-po sy manorina finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Ampio ny mpianatra hahita zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainany ao amin’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.

Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana

  • Ampio ny mpianatra mba ho tompon’andraikitra amin’ny fianarana ataony.

  • Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro.

  • Asao ny mpianatra hiomana hianatra.

  • Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany.

  • Asao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianarany.

Sary
Tabilaon’ny topimaso mikasika ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy

Hamoaka printy