Testamenta Taloha 2022
19–25 desambra. Krismasy: “Izay nandrasantsika hamonjy antsika”


“19–25 desambra. Krismasy: -Izay nandrasantsika hamonjy antsika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“19–25 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
I Jesoa zazakely notafiana lamba fotsy sy mandry ao anaty vilona

Fa zaza no teraka ho antsika, nataon’i Simon Dewey

19–25 desambra

Krismasy

“Izay nandrasantsika hamonjy antsika”

Ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha dia niandrandra tamim-pifaliana lehibe ny fahaterahan’ny Mesia (jereo ny Isaia 25:9). Rehefa miomana hampianatra ianao mandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy dia eritrereto ny fomba azonao hanampiana ny ankizy hahita fifaliana amin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy Jesoa Kristy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy hizara ny zavatra fantany momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Eo am-panononan’izy ireo olona iray na zavatra iray avy amin’ilay tantara, dia asao izy ireo hanao sary izany eny amin’ny solaitrabe. Anontanio ny ankizy ny zavatra tian’izy ireo mahakasika ilay tantara.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Mampianatra ahy momba an’i Jesoa ny Testamenta Taloha.

Ampio ireo ankizy hifantoka amin’ny Mpamonjy Jesoa Kristy ho antony ankalazantsika ny Krismasy. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fampiasana soratra masina avy ao amin’ny Testamenta Taloha izay mijoro ho vavolombelona momba Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ny fahaterahan’i Kristy (toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.30, na ny iray amin’ireo sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Vakio ny Isaia 9:5, dia ampandraiso anjara ny ankizy tsirairay hanondro an’i Jesoa zazakely rehefa mahare ilay andian-teny hoe “zaza no teraka.” Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa nahafantatra ireo mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha fa ho teraka i Jesoa.

  • Asao ny ankizy tsirairay hilaza ny anarany, dia hazavao fa ankoatra ny anarantsika, dia azo antsoina amin’ny anarana hafa isika, toy ny hoe rahavavy na rahalahy na namana. Asao ireo ankizy hieritreritra ohatra hafa. Vakio amin’ny ankizy ny Isaia 9:5 dia antitrantero ireo anarana izay iantsoana an’i Jesoa Kristy: “Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana.” Ampio ireo ankizy hahatakatra ny zavatra lazain’ireo anarana ireo amintsika momba an’i Jesoa.

  • Omeo kintana taratasy ny ankizy tsirairay dia asao ireo ankizy hanangana ny kintana eny aminy rehefa mamaky ity fehezan-teny ity avy ao amin’ny Nomery 24:17 ianao: “misy kintana miseho avy amin’i Jakoba.” Asao ny ankizy hizara ny antony mampitovy an’i Jesoa amin’ny kintana mazava iray izay mamiratra manerana izao tontolo izao. Miaraha mihira hira iray momba ilay kintana izay niseho rehefa teraka i Jesoa, toy ny “Kintan’ny Krismasy” (Bokin-kiran’ny ankizy,24) na ny “Premier Noël!” (Cantiques, no.132).

Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

Ny Krismasy dia tsy vitan’ny hoe fotoana hankalazana ny nahaterahan’i Jesoa fotsiny fa hankalazana koa ny fiainany sy ny asa nanirahana azy ho Mpamonjy izao tontolo izao. Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy hahatsapa fifaliana sy fankasitrahana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ireo ankizy hieritreritra zavatra iray andrandrain’izy ireo fatratra. Hazavao fa niandrandra fatratra ny fahaterahan’i Jesoa Kristy ireo olona mahatoky tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha. Vakio amin’ny ankizy ny Isaia 25:9 dia angataho izy ireo hamerina ilay andian-teny hoe: “Izay nandrasantsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin’ny famonjeny isika.” Zarao amin’izy ireo ny antony maha-faly sy ravo anao fa teraka i Kristy. Asao ny ankizy hizara ny fahatsapany momba ny Mpamonjy.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fahaterahan’i Jesoa, toy ny “Tao an-tranon’omby” (Bokin-kiran’ny ankizy, 26–27) na ny “Ecoutez le chant des anges” (Cantiques, no. 128). Ampio ny ankizy hamantatra ireo andian-teny ao amin’ireo hira ireo izay mampianatra antsika momba ny Mpamonjintsika sy ireo fitahiana azontsika noho Izy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Mampianatra ahy momba an’i Jesoa Kristy, Ilay Mesia nampanantenaina ny Testamenta Taloha.

Ny Testamenta Taloha dia mihoatra lavitra ny hoe amboaran-tantara sy asasoratra mahaliana fotsiny. Ny tanjony, tahaka ny soratra masina rehetra, dia ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy. Ampio ireo ankizy hianatra ny fomba hitadiavana Azy ao amin’ny Testamenta Taloha.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hanao lisitra ireo anarana sy fiantsoana an’i Jesoa Kristy rehetra izay hitan’izy ireo ao amin’ny Mosesy 7:53; Salamo 23:1; Joba 19:25; Isaia 7:14; 9:5; 12:2; Amosa 4:13; ary Zakaria 14:16. Avelao izy ireo hiara-hiasa tsiroaroa raha tiany. Asao izy ireo hifampizara ny lisitra nataon’izy ireo voalohany. Inona no ianarantsika momba ny Mpamonjy avy amin’ny tsirairay avy amin’ireo anarana sy fiantsoana Azy ireo?

  • Mampisehoa fanaingoan-trano ho an’ny Krismasy vitsivitsy amin’ireo ankizy (na sarin’izany), toy ny kintana, jiro, na fanomezana. Anontanio an’ireo ankizy ny fomba mety hampahatsiahivan’ny tsirairay avy amin’ireo zavatra ireo antsika ny Mpamonjy. Hazavao fa matetika ny soratra masina no mampiasa tandindona mba hampianarana antsika momba an’i Jesoa Kristy. Asao ny ankizy hijery ao amin’ny iray na ny maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny zavatra iray izay afaka maneho an’i Jesoa Kristy: Genesisy 22:8; Eksodosy 17:6; Salamo 18:2; 27:1 (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hahitana ohatra fanampiny). Inona no mampitovy an’i Jesoa amin’ny zanak’ondry, na rano, na vatolampy, na fiarovana avo, na fahazavana?

  • Amin’ny fotoana farany handalinana ny Testamenta Taloha amin’ity taona ity dia asao ny ankizy hizara ny tantara na ny soratra masina tiany indrindra ao amin’ny Testamenta Taloha. Inona no ampianarin’ireo tantara ao amin’ny soratra masina ireo antsika momba an’i Jesoa Kristy? Nahoana isika no feno fankasitrahana fa manana ny Testamenta Taloha?

I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra ahy.

Rehefa mankalaza ny fahaterahan’i Jesoa Kristy isika dia afaka mifaly ihany koa amin’ny fiainany sy ny sorompanavotana nataony. Ahoana no mety hampiasanao ireo soratra masina avy ao amin’ny Testamenta Taloha mba hanampiana ireo ankizy hampiorina ny finoany ny Mpamonjy sy Mpanavotra?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Isaia 7:14; dia asao avy eo ny ankizy hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny fahaterahan’i Kristy. Na asehoy ilay horonan-tsary hoe “La Nativité” (ChurchofJesusChrist.org), dia asao ny ankizy tsirairay hifidy olona iray avy amin’ilay horonan-tsary dia hizara ny zavatra mety ho tsapan’izany olona izany. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy, dia asao ireo ankizy hanao izany koa.

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra tsaratsara kokoa ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjintsika Azy, dia asao izy ireo hamaky ny Isaia 25:8–9; 53:3–5; sy ny Hosea 13:14. Inona no ampianarin’ireo soratra masina ireo antsika momba ny fomba hanavotan’ny Tompo antsika? Ahoana no ahafahantsika “ho ravoravo amin’ny famonjeny”? (Isaia 25:9).

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fitiavan’i Jesoa Kristy antsika, toy ny “Tao an-tranon’omby” (Bokin-kiran’ny ankizy, 26–27) na ny “Mahagaga ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44). Asao ny ankizy hizara andian-teny izay nanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara amin’ny fianakaviany na ny namana iray ny zavatra izay nianarany momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny Testamenta Taloha. Amporisiho izy ireo hanomboka handalina ny Testamenta Vaovao amin’ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Manorena tontolo izay manasa ny Fanahy. Maro ny fomba azonao hanasana ny Fanahy ho ao amin’ny kilasinao. Afaka mamporisika ny fanehoana fanajana ny hira na ny feon-kira. Ny fanehoana fitiavana sy fijoroana ho vavolombelona dia afaka manorina tontolo feno fitiavana sy iainana zavatra ara-panahy. Eritrereto ombam-bavaka ny zavatra azonao atao mb hamoronana tontolo iainana zavatra ara-panahy ao amin’ny kilasinao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,15.)

Hamoaka printy