Testamenta Taloha 2022
28 nôvambra–4 desambra. Nahoma; Habakoka; Zefania: “Fanaony hatry ny fahagola ny Azy”


“28 nôvambra–4 desambra. Nahoma; Habakoka; Zefania: -Fanaony hatry ny fahagola ny Azy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“28 nôvambra–4 desambra. Nahoma; Habakoka; Zefania,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Jesoa mitraka mijery ny kintana

“Fanaony hatry ny fahagola ny Azy” (Habakoka 3:6). In the Beginning Was the Word, nataon’i Eva Timothy

28 nôvambra–4 desambra

Nahoma; Habakoka; Zefania

“Fanaony hatry ny fahagola ny Azy”

Afaka manana fiantraikany mafy amin’ireo ankizy ampianarinao ny fitiavanao ny soratra masina. Avelao izy ireo hahita ny fankasitrahanao noho ny tenin’ Andriamanitra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy hifandimby hijoro sy hanao hoe mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha mijoro “eo ambonin’ ny mànda” tahaka an’i Habakoka (Habakoka 2:1). Angataho izy ireo hilaza amin’ireo ankizy hafa ny zavatra izay ianarany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazansarany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Habakoka 2:3

Hanatanteraka mandrakariva ireo fampanantenany Andriamanitra.

Natahotra noho ny faharatsiana hitany teo amin’ny vahoakan’i Joda ny mpaminany Habakoka (jereo ny Habakoka 1:2–4). Nanome toky azy ny Tompo fa ho tanteraka amin’ny fotoany ireo fampanantenany (jereo ny Habakoka 2:3).

Asa atao azo tanterahina

  • Mizarà ohatra ana zavatra tsara saingy rehefa andrasantsika ihany, toy ny voankazo izay mila masaka na ny koba mila andrahoina. Inona no mety hitranga raha toa ka miezaka mihinana ilay voankazo na mihinana ilay koba mialoha ny maha vonona izany isika? Miresaha momba ny mpaminany Habakoka, izay naniry ny hahafantatra hoe rahoviana no ajanon’ny Tompo ny faharatsiana hitany manodidina azy. Vakio amin’ny ankizy ny valintenin’ny Tompo, izay hita ao amin’ny Habakoka 2:3. Hamafiso fa nila niandry ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo i Habakoka, izay ilaintsika atao ihany koa indraindray. Zarao ny fotoana iray izay tsy maintsy niandrasanao fitahiana.

  • Ampio ireo ankizy hieritreritra zavatra izay nampanantenain’ny Tompo, ohatra hoe hiverina eto an-tany indray i Jesoa Kristy na hoe afaka hiaraka hiaina amin’ Andriamanitra indray isika. Isaky ny ohatra tsirairay dia asao ireo ankizy hamerina ny hoe: “Andraso ihany, Fa ho avy tokoa izy.”

Habakoka 2:14

Afaka manampy amin’ny famenoana ny tany amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy aho.

Naminany ny andro izay hahalalan’izao tontolo izao manontolo an’i Jesoa Kristy i Habakoka. Manomboka tanteraka izany faminaniana izany amin’izao androntsika izao. Diniho ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy ho isan’ny fahatanterahan’izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa tavoara iray ary omeo zavatra madinika ny ankizy tsirairay. Angataho ny ankizy tsirairay hizara zavatra izay nataon’i Jesoa na nampianariny ary avy eo dia hametraka ilay zavatra nomena azy ao amin’ilay tavoara. Vakio mafy ny Habakoka 2:14, dia hazavao fa mitovy amin’ny namenoan’ireo ankizy ilay tavoara tamin’ny zavatra fantany momba ny Tompo no ahafahantsika ihany koa mameno izao tontolo izao amin’ny fahalalana momba Azy.

  • Asehoy amin’ny ankizy ny sarintanin’izao tontolo izao (jereo ny Church History Maps, lah.7, “Map of the World”). Ampio izy ireo hitady ny toerana fonenany sy ireo toerana nanompoan’ireo misiônera fantany. Mijoroa ho vavolombelona fa tian’ny Ray any An-danitra hahalala momba an’i Jesoa Kristy ny olona rehetra manerana ny tany. Ahoana no ahafahantsika manampy amin’ny fampianarana ny olona hafa momba an’i Jesoa? Lazao amin’ireo ankizy ny momba ny zavatra hitanao fa nataony izay mampianatra anao momba an’i Jesoa Kristy. Ampio izy ireo hieritreritra zavatra hafa izay azon’izy ireo atao.

  • Iaraho mihira ny hira iray mikasika ny fizarana ny filazantsara, toy ny “Mba te ho misiônera aho izao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 90). Inona no azontsika lazaina amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy? Mba hahitana hevitra dia jereo ny Fanekem-pinoana.

Zefania 2:3

“Mitadiava an’ i Jehovah.”

Nampianatra i Zefania fa tokony hitady ny Tompo isika mandritra ny fotoan’ny faharatsiana lehibe, tahaka ny amin’izao andro farany izao. Saintsaino ny fomba hamporisihanao ny ankizy hikatsaka Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa ny sarin’i Jesoa, dia vakio amin’ny ankizy ny Zefania 2:3. Asao izy ireo hanao ny tanany manodidina ny masony toy ny solomaso ary hijery ilay sary isaky ny mamaky ny teny hoe “mitadiava” na “tadiavo” ianao. Hazavao fa tian’ny mpaminany Zefania hitady ny Tompo ny vahoaka. Ahoana no hitadiavantsika ny Tompo? Aiza no hitadiavantsika Azy?

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity, na mieritrereta kilalao hafa izay mamporisika an’ireo ankizy hitady ny Tompo. Alefaso na mihirà hira iray mifanaraka amin’ity lohahevitra ity, toy ny “Hitady ny Tompo aho dieny izao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 67). Ifakanalozy hevitra ny zavatra ampianarin’ilay hira momba ny fomba ahafahantsika mahita an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Nahoma 1:7

“Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana.”

Samy miatrika “andro fahoriana” avokoa isika tsirairay. Ahoana no hanampianao ireo ankizy hitodika any amin’ny Tompo sy “[h]ialoka Aminy” ary hahita fiadanana ara-panahy ao anatin’ny andro fahoriany?

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny ankizy ny sarina trano mimanda iray. Inona avy ireo antony sasany mety hilan’ny olona trano mimanda? Asao ny ankizy hamaky ny Nahoma 1:7 mba hahitana ny zavatra nolazain’ny mpaminany Nahoma fa tahaka ny fiarovana mafy na trano mimanda ho antsika. Afaka miaro antsika amin’ny inona ny Mpamonjy?

  • Asao ireo ankizy hanao sary ny tenan’izy ireo sy ny fianakaviany ao anaty fiarovana mafy na trano mimanda iray. Amporisiho izy ireo hanoratra teny manodidina ilay fiarovana mafy izay manoritsoritra ireo fitaomana ratsy amin’izao tontolo izao. Asao izy ireo hanoratra teny ao antin’ilay fiarovana izay manoritsoritra an’i Jesoa Kristy. Inona no angatahiny hataontsika mba hahazoana ny heriny sy ny fiarovany? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:24).

    Sary
    trano mimanda vato

    “Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana” (Nahoma 1:7).

Habakoka 3:17–19

Afaka mahita fifaliana ao amin’i Jesoa Kristy aho, na dia tsy milamina aza ny zava-drehetra.

Nanoritsoritra fitsapana izay mety hitranga amin’ny vahoakany i Habakoka, tafiditra ao amin’izany ireo hazo na voaloboka tsy namoa. Dia nilaza izy avy eo fa na dia nitranga aza ireo zavatra ireo “dia mbola hifaly amin’ i Jehovah ihany” aho.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hamaky ny Habakoka 3:17 ka hamantatra ireo fitsapana izay voasoritsoritra ao amin’io andininy io. Inona no mety ho tsapan’ny olona iray rehefa mitranga ireo zavatra ireo? Ampio ireo ankizy hieritreritra fitsapana izay mety hitranga amin’izy ireo. Avy eo dia vakio miaraka ny andininy 18–19 mba hamantarana izay nolazain’i Habakoka fa ho tsapany na dia nitranga taminy aza ireo zavatra ireo.

  • Ampio ireo ankizy hahita ohatra ana olona hafa ao amin’ny soratra masina izay nifaly tao amin’ny Tompo nandritra ny fotoan-tsarotra. Afaka mahita ohatra izy ireo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:19–25; Môzià 24:10–15; ary ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf “Mahay mankasitraka na inona na inona zavatra misy” (Liahona, mey 2014, 70–77), indrindra ilay fizarana hoe “Mahay mankasitraka ao anatin’ny Toe-javatra iainantsika.” Nahoana ireo olona ireo no afaka nifaly tao anatin’ny fotoan-tsarotra? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’izy ireo?

Zefania 3:14–20

Ireo izay manaraka an’i Jesoa dia hahita fiadanana sy fifaliana.

Ny Zefania 3:14–20 dia manoritsoritra ilay andro maharavoravo izay hanjakan’i Jesoa Kristy, “Mpanjakan’ny Isiraely,” eo anivon’ny vahoakany ary “hifaly [amintsika] amin’ ny fihobiana Izy” (andininy 15,17).

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho vakiana ny Zefania 3:14. Avy eo dia asao ny ankizy tsirairay hisafidy iray amin’ireo andininy ao amin’ny Zefania 3:15–20 ka handalina izany, ary hitady zavatra izay afaka manampy antsika hifaly sy hiravoravo. Angataho izy ireo hizara ny zavatra hitany.

  • Ampio ireo ankizy hahita fihirana na hiran’ny ankizy izay manampy azy ireo hifaly sy hiravoravo amin’ny fo rehetra (Zefania 3:14). Miaraha mihira hira vitsivitsy, ary amporisiho ireo ankizy hiresaka momba ny fifaliana hitani’izy ireo ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Angataho ireo ankizy hanoratra andinin-tsoratra masina izay tian’izy ireo zaraina amin’ny fianakaviany (na soraty izany ho azy ireo).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy hahafantatra ny Fanahy. Miezaha mijery ireo fotoana izay mety hahatsapan’ireo ankizy ny fitaoman’ny Fanahy. Raha mitranga izany dia ampio izy ireo hahatakatra fa ireo fahatsapana ireo dia avy amin’ny Fanahy Masina.

Hamoaka printy