Testamenta Taloha 2022
12–18 desambra. Malakia: “Efa tia anareo Aho, hoy [ny Tompo]”


“12–18 desambra. Malakia: -Efa tia anareo Aho, hoy [ny Tompo]-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“12–18 desambra. Malakia,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Sarivongana Christus

12–18 desambra

Malakia

“Efa tia anareo Aho, hoy [ny Tompo]”

Ny anarana hoe Malakia dia midika hoe “ilay mpitondra ny hafatro” (Bible Dictionary, “Malachi”). Rehefa mandalina ny hafatr’i Malakia ho an’i Isiraely ianao, dia inona avy ireo hafatra hitanao fa ho an’ny fiainanao? Manao ahoana ny fifandraisan’ireo tenin’i Malakia amin’izao androntsika izao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

“Efa tia anareo Aho,” hoy ny Tompo tamin’ny vahoakany tamin’ny alalan’i Malakia. Saingy ireo Isiraelita izay nianjadian’ny fahoriana sy ny fahababoana tao anatin’ny taranaka nifandimby maro dia nanontany ny Tompo hoe: “Inona no nentinao nitia anay?” (Malakia 1:2). Taorian’ny zavatra rehetra niainan’i Isiraely, dia mety nanontany tena izy ireo raha toa ny tantaran’i Isiraely fahiny ka tena tantaran’ny fitiavan’ Andriamanitra ny vahoakan’ny fanekempihavanany.

Rehefa mandinika ny zavatra nianaranao tao amin’ny Testamenta Taloha tamin’ity taona ity ianao, dia inona no porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra hitanao? Mora ny mahita ohatra maro maneho ny fahalemen’olombelona sy ny fikomiana. Saingy tao anatin’izany rehetra izany dia tsy nitsahatra nanolo-tanana tamim-pitiavana Andriamanitra. Rehefa nampijalian’ireo zanakalahin’i Jakoba i Josefa rahalahin’izy ireo, dia mbola nanomana lalana mba hamonjena azy ireo tamin’ny mosary ihany ny Tompo (jereo ny Genesisy 45:4–8). Rehefa nimonomonona tany an-tany efitra i Isiraely, dia nomen’ Andriamanitra mana mba hohanin’izy ireo (jereo ny Eksodosy 16:1–4). Na dia tamin’ny fotoana nanalaviran’i Isiraely Azy aza, sy nitodihan’izy ireo tany amin’andriamani-kafa ary nielezan’izy, dia tsy nanary tanteraka azy ireo Andriamanitra fa nampanantena hoe raha mibebaka izy ireo, dia hangoniny sy havotany “amin’ny indra-fo lehibe” (jereo ny Isaia 54:7).

Raha jerena amin’izay fomba izay, dia tantaran’ilay fitiavan’ Andriamanitra manam-paharetana sy maharitra ny Testamenta Taloha. Ary mitohy izany tantara izany amin’izao fotoana izao. Naminany i Malakia hoe: “Ary hiposaka aminareo … ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ny tanany,” (Malakia 3:20). Tonga tokoa i Jesoa Kristy, nitondra fanasitranana ara-batana sy ara-panahy teo amin’ireo rehetra nanatona Azy. Porofo lehibe indrindra an’ilay fitiavan’ Andriamanitra an’i Isiraely fahiny sy antsika rehetra Izy.

Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny bokin’i Malakia dia jereo ny “Malakia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Malakia 1–4

“Miverena Amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho.”

Tamin’ny andron’i Malakia dia efa namerina nanorina ny tempoly tao Jerosalema ireo Isiraelita, saingy mbola nila namerina nanorina ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny Tompo izy ireo amin’ny maha-vahoaka azy. Rehefa mandalina ny Malakia ianao dia tadiavo ireo fanontaniana izay napetraky ny Tompo an’ireo Isiraelita na napetrak’izy ireo Taminy. Hevero ny hametraka fanontaniana mitovy amin’izany amin’ny tenanao (misy ohatra vitsivitsy natolotra etsy ambany) mba hanampiana anao hanombantombana ny fifandraisanao amin’ny Tompo sy hanakaiky Azy kokoa.

  • Ahoana ny fomba nahatsapako ny fitiavan’ny Tompo ahy? (jereo ny Malakia 1:2).

  • Moa ve manome haja ny Tompo ny fanatitra atolotro Azy? (jereo ny Malakia 1:6–11).

  • Inona avy ireo lafin-javatra mahatonga ahy mila “[m]iverina” amin’ny Tompo? (jereo ny Malakia 3:7).

  • Moa ve mandroba an’ Andriamanitra aho? (jereo ny Malakia 3:8–11).

  • Maneho ny zavatra tsapako momba ny Tompo amin’ny fomba ahoana ny toetrako mandritra ireo fotoan-tsarotra? (jereo ny Malakia 3:13–15; jereo koa ny 2:17).

Jereo koa ny D. Todd Christofferson, “Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko,” Liahona, mey 2011, 97–100.

Malakia 1:6–14

Mangataka “fanatitra madio” ny Tompo.

Ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Malakia 1 dia milaza fa nanolotra biby misy kilema sy marary ireo mpisorona Isiraelita mba hatao fanatitra any amin’ny tempoly, izay noraran’ny Tompo (jereo ny Levitikosy 22:17–25). Maneho inona mahakasika ny zavatra tsapan’ireo mpisorona ireo momba ny Tompo ireo fanatitra ireo? (jereo ny Malakia 1:13). Nahoana ny Tompo no mangataka antsika mba hanome Azy izay fanatitra tsara indrindra avy amintsika? Eritrereto ireo zavatra mitaky fahafoizan-tena nangatahin’ny Tompo hataonao. Inona no azonao atao mba hanolorana Azy “fanatitra madio”? (Malakia 1:11; jereo koa ny 3:3).

Jereo koa ny Môrônia 7:5–14.

Malakia 3

Eo am-pahatanterahana ireo faminanin’i Malakia amin’izao andro farany izao.

Rehefa nitsidika an’i Amerika ny Mpamonjy dia nanambara ny teny voalaza ao amin’ny Malakia 3 tamin’ireo Nefita (jereo ny 3 Nefia 24–25). Tamin’ny 1823 dia nilaza ampahany tamin’ireo toko ireo ihany koa tamin’i Joseph Smith ny anjely Môrônia (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:36–39; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2). Nahoana araka ny eritreritrao no miverimberina matetika tokoa ao amin’ny soratra masina ireo tenin’i Malakia? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:9; 110:13–16; 128:17–18). Raha ny hevitrao dia inona ireo hafatra avy ao amin’ny Malakia 3 izay toa manan-danja manokana ho an’izao androntsika izao?

Rehefa notanisain’i Môrônia tamin’i Joseph Smith ny Malakia 3:23–24, dia “somary niova kely amin’ny fomba famakiantsika azy” ao amin’ny Baiboly ny fitanisany izany (Joseph Smith—Tantara 1:36). Inona no zavatra ampian’izany fanovana nataon’i Môrônia izany amin’ny fahatakarantsika io faminaniana io? Mba hahafantarana kokoa ny mikasika ny fahatongavan’i Elia sy ny fomba fahatanterahan’izany faminaniana izany amin’izao fotoana izao, dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16 ary ny hafatry ny Loholona David A. Bednar hoe, “Hitodika ny fon’ny zanaka” (Liahona, nôv. 2011, 24–27). Nahoana ianao no feno fankasitrahana fa tonga i Elia?

Sary
I Elia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland

Sary maneho an’i Elia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland, nataon’i Robert T. Barrett

Malakia 3:8–12

Ny fandoavana fahafolonkarena dia manokatra ny varavaran’ny lanitra.

Rehefa mamaky ny Malakia 3:8–12 ianao, dia eritrereto ireo zavatra niainanao manokana mahakasika ny fandoavana fahafolonkarena. Inona no dikan’ilay andian-teny hoe “hovohako ny varavaran’ny lanitra ho anareo” (andininy 10) aminao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Malakia 1:2.Ahoana no hamalian’ny fianakavianao ilay fanontaniana hita ao amin’ny Malakia 1:2 hoe—“Inona no nentin’[ny Tompo] nitia anay?” Inona avy ireo porofo sasantsasany izay maneho ny fitiavan’ Andriamanitra antsika?

Malakia 3:8–12.Rehefa mamaky ny Malakia 3:8–12 ianao, dia asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hizara ny eritreritr’izy ireo na ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny fahafolonkarena. Inona avy ireo fitahiana ara-batana sy ara-panahy hitantsika avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena? (jereo ny David A. Bednar, “Ny varavaran’ny lanitra,” Liahona, nôv. 2013, 17–20). Mety ho tian’ireo olona ao amin’ny fianakaviana ny manao sary mba hanehoana ireo fitahiana ireo ary manantona ireo sary eo amin’ny varavarankely iray.

Malakia 3:17–18.Midika inona amintsika izany hoe an’ny Tompo izany ary lasa “rakitra soa” ho Azy?

Malakia 3:23–24.Rehefa avy mamaky ireo andininy ireo, dia afaka mitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto mikasika ny faminanian’i Malakia ny fianakavianao: Iza? Inona? Rahoviana? Taiza? Nahoana? (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2).

Ahoana no fomba hampodiantsika ny fontsika ho amin’ireo raintsika? Amin’ny fomba ahoana no hitahiana antsika rehefa manao izany isika? Inona no hataontsika mianakavy mba hahazoana ireo fitahiana ireo?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Hanao ny tantaram-pianakaviana aho,” Bokin-kiran’ny ankizy,100.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mametraha fanontaniana eo am-pandalinana. Eo am-pandalinanao ny soratra masina dia mety hisy fanontaniana tonga ao an-tsainao. Saintsaino ireo fanontaniana ireo, dia mitadiava valiny.

Sary
vehivavy iray manofahofa mosara fotsy miaraka amin’ireo razambe maro ao aoriany

Mourning’s Hosanna (Hosana nataon’i Mourning, by ataon’i Rose Datoc Dall. Vehivavy iray antsoina hoe Mourning mijoro ao amin’ny tontolon’ny fanahy, ary voahodidin’ireo razambeny. Mankalaza ny fanafahana azy avy amin’ny fahababoana ara-panahy izy.

Hamoaka printy