100 Hanao ny tantaram-pianakaviana aho Falifaly sy mientanentana 1. Hanao ny tantaram-pianakaviana no tanjoko. Rehef(a) atao izany, mamy ny fitia ‘zay tsapa ao am-po. Lasa fantatro ny tantaran’ireo izay havako, ary ataoko lalandava ny tetiarako. 2. Azoko fehezin(a) amiko ny havako rehetra. Na ny velona na ny maty koa, tsy misy ny mametra. Indray andro any ho tafaraka ny fianakavianay, tsy hisarak(a) intsony re, mandrakizay. Tonony sy feony: Jeanne P. Lawler, 1924–2013. © 1982 IRI; nasiana fanavaozana Mosesy 6:5–8 Abrahama 1:31