42
Ny fitiavany dia natolony ho ahy
Iainana tsara
1. Ny fitiavany
no re manodidina ahy.
‘Njay reko ny Fanahy
fa manakaiky ahy.
[Chorus]
Ny fiainako manontolo,
omeko ho Azy daholo.
Satria ny fitiavany
natolony ho ahy.
2. Ny fitiavany
dia mitantana ahy koa.
Rehefa mivavaka aho
dia miadana ny fo.
[Chorus]
Ny fiainako manontolo,
omeko ho Azy daholo.
Satria ny fitiavany
natolony ho ahy.
3. Ny fitiavany
dia miaro sy mitahy ahy.
Ny foko sy fanahy,
omeko ilay Mpiandry ahy.
[Chorus]
Ny fiainako manontolo,
omeko ho Azy daholo.
Satria ny fitiavany
natolony ho ahy.
4. Ny fitiavany
dia hozaraiko amin’ny fo.
Raha toa manompo aho
dia handray valisoa.
[Chorus]
Ny fiainako manontolo,
omeko ho Azy daholo.
Satria ny fitiavany
natolony ho ahy.
Tonony: Ralph Rodgers Jr., 1936–1996; K. Newell Dayley, ter. 1939; ary Laurie Huffman, ter. 1948
Feony: K. Newell Dayley, ter. 1939
© 1978, 1979 nataon’i K. Newell Dayley. Nahazoana lalana. Zo rehetra voatokana. Ity hira ity dia azo adika raha sendra ampiasaina ao an-tokantrano na ao am-piangonana ka tsy atao itadiavam-bola.