101
Fiaraha-mivavaky ny mpianakavy
Maneho fanajana
1. Ndao isika mianakavy
hiara-hivavaka,
ka hisaotra ny Ray noho ‘reo
fitahiana miavaka.
2. Ndao hisaotra noho ny sakafo
sy noho ny fitafiana,
noho ny fitiavany antsika
ka nomeny fianakaviana.
3. Aoka isika samy hanompo
am(in’ny) fomba miavaka,
ka rehefa tafavory
dia hiara-hivavaka.
Tonony sy feony: DeVota Mifflin Peterson, 1910–1996. © 1969 IRI