94
Voantso hanompo
Resy lahatra
1. Nantsoin’ny Ray mba hanompo Azy
ho vavolombelon’i Jesoa.
Hotorianay re ny momba Azy,
ny fitiavany ihany koa.
[Chorus]
Andao handroso hatrany, mba ho voninahiny.
Andao handroso hatrany, mba ho voninahiny.
Hiram-pandresena no ventesintsika re.
He! Voantso isika hanompo ’lay
Mpanjaka lehibe.
2. Nantsoina handray ireo fitahiana
‘reo zanak’ilay Mpanjaka soa
ka hitory azy am-pifaliana
sy hidera Azy koa.
[Chorus]
Andao handroso hatrany, mba ho voninahiny.
Andao handroso hatrany, mba ho voninahiny.
Hiram-pandresena no ventesintsika re.
He! Voantso isika hanompo ’lay
Mpanjaka lehibe.
Jereo koa ny Cantiques, lah. 160.
Tonony: Grace Gordon, 1873–1956 nasiam-panovana.
Feony: Adam Geibel, 1855–1933