108a
Neny malala
Feno fitiavana
1. Tena tiako ianao ry Neny,
ary ilay tsikinao
no mitondra hafaliana
ao an-tokantrano ao.
2. Tena tiako ianao ry Neny,
ny endrikao sariaka,
ny masonao dia toy ‘reo
kintana ‘zay mibaliaka.
3. Tena tiako ianao ry Neny,
ka hiezaka aho izao
hanao ‘zay tian’ilay Ray
‘zay nanome ahy anao.
Tonony: Maud Belnap Kimball, 1889–1971
Feony: Mildred Tanner Pettit, 1895–1977. Fandrindrana © 1989 IRI