90
Mba te ho misiônera aho izao
Falifaly sy mientanentana
1. Mba te ho misiônera aho izao
fa tsy miandry ho lehibe kokoa.
‘Zaho te hizara ny filazantsara
izay fantatro fa marina tokoa.
2. ‘Reo namako ampiako mba hahalala
ny hatsaran’ny Fiangonantsika,
ny momba ny filazantsara feno
sy ny Bokin’i Môrmôna ananantsika.
3. Ho tena misiônera aho izao
fa tsy miandry ho lehibe kokoa.
Ary hiaina hatrany ny filazantsara
ka hijoro ho vavolombelona tokoa,
mba ho vavolombelona tokoa.
Tonony sy feony: Grietje Terburg Rowley, 1927–2015. © 1984 IRI