Ireo ankizy manerantany,
Dia mivavaka amin’ ny Ray hatrany.
Samy maneho ny fisaorany izany.
Misaotra Anao, amin’ ny fiteniny avy.
“Gracias.” (grasias) “Malo.” (malô) “Wir danken dir.” (vir danken dir)
No re erantany amin’ ny feo sy hira.
Ao ny hoe “tak,” (tak) sy ny “thank you,” (fainkiò)
“Kansha shimasu,” (kansha shimaso) misaotra koa.
Mandre azy ireo ny Raintsika,
sy mahafantatr(a)azy.
Mahazo izay lazainy Izy;
Tiany daholo, ny ankizy, tsirairay.