1. Te hankatò sy hiaina
ny filazantsara re aho.
Ny drafitr’ilay Mpamonjy
no safidy tiako hatao.
[Chorus]
Isan’andro aho hiezaka hanambara
sy hiaina ny filazantsara.
Isan’andro aho hiezaka hanambara
sy hiaina ny filazantsara.
2. Te hino sy hatoky aho
fa mihaino ahy ny Ray Tsitoha.
Ho sambatra sy hotahiana aho
satria nianatra ny hankatò.
[Chorus]
Isan’andro aho hiezaka hanambara
sy hiaina ny filazantsara.
Isan’andro aho hiezaka hanambara
sy hiaina ny filazantsara.
Tonony: Naomi Ward Randall, 1908–2001. © 1969 IRI
Feony: Roy M. Darley, 1918–2003. © 1969 IRI