Hira
Mba tantarao ireo tantaran’i Jesoa Kristy


36

Mba tantarao ireo tantaran’i Jesoa Kristy

Malefaka

1. Mba tantarao ’reo tantaran’ i Jesoa Kristy

sy ’zay mety ho nolazainy ahy raha toa re Izy tety.

’Reo fahagagana sy asa soa,

’zay manambara an’ i Jesoa.

2. Mba tantarao ny niantsoany ’reo ankizy hizaha,

hahatakarako ireo fitahiana omeny ahy.

’Reo teny mamy mamindra fo,

maneho fa tia ahy tokoa Jesoa.

3. Mba tantarao koa izay fomba nampitoniany

ilay tafiotra izay nanjo ‘lay sambo kely fahiny.

Ny herin’ ny Tompo, ahoana moa?

Ny rivotra aza dia nankatò!

Tonony: W. H. Parker, 1845–1929

Feony: Frederic A. Challinor, 1866–1952

Matio 4:23–24

Marka 10:13–16

Lioka 8:22–25

Hamoaka printy