Hira
Ilay hiran’ny Fahaterahana


32

Ilay hiran’ny Fahaterahana

Malefaka

1. Inty no fotoana izay tsara indrindra.

’Ndeha ’sika hikalo ny hira mirindra.

’Ndeha koa hitantara ilay zaza kely

’zay efa teraka andro Noely.

2. Indro ilay kinta-mamiratra.

Mitsilo ny tany aman-danitra.

Inty ’lay anjely izay manambara;

Mihira “Hosana” sy “Fiadanana!”

3. Inty ilay tranon’omby hafa kely,

’zay nandraisana an’ilay zazakely.

Inty no mololo ‘zay natao kidoro,

izay nampatorian(a) an’i Jesoa.

4. Indreo ny mpiandry ondry, manetry tena,

mider(a) ilay zaza toa mahonena.

’Reo Magy nahita ilay kintana

sy nanolotra fanomezana.

5. Jereo i Maria, ilay reny soa,

i Josefa izay nitondr(a) azy koa.

’Nty no Betlehema izay manan-daza,

nisy ilay Mpamonjy dia Jesoa zaza.

Azo atao tsara ny mampiseho ireo sary milaza ny andininy tsirairay mandritra ireo feon-kira fampidirana.

Tonony sy feony: Patricia Kelsey Graham, ter. 1940. © 1980 IRI. Nampifanarahana tamin’ilay tononkalon’i Avon Allen Compton “The Nativity Story”.

Lioka 2:1–16

Matio 2:1–11

Hamoaka printy