38
Tian’i Jesoa mba hazava aho
Amim-pifaliana
1. Tian’ i Jesoa mba hazava aho,
toy ny taramasoandro.
Na miasa na koa milalao,
hamiratr(a) isan’andro.
[Chorus]
Hazava isan’andro,
Tian’ i Jesoa mba hazava aho.
Toa taramasoandro.
Hazava toa Azy aho.
2. Tian’ i Jesoa mba hitia aho
sy ho tsara fanahy.
Haneho fa na mbola kely aza
dia miadana am-panahy.
[Chorus]
Hazava isan’andro,
Tian’ i Jesoa mba hazava aho.
Toa taramasoandro.
Hazava toa Azy aho.
Tonony: Nellie Talbot
Feony: Edwin O. Excell, 1851–1921