Hira
Tonga i Dada


110

Tonga i Dada

Faly sy mientanentana

Faly aho satria tonga i Dada*.

Tena faly tokoa.

M(i)tehak(a)aho sady miantsampy

eo am-pofoiny koa.

Sandriko eo an-tsorony,

mamihina mafy koa.

Dia ataoko inona ary?

Orohako.

*Teny azo anoloana azy: Neny
Mamoròna fihetsika mifanaraka amin’ny tonony.

Tonony: Tsy fantatra anarana

Feony: Frances K. Taylor, 1870–1952. Fandrindrana © 1989 IRI

Hamoaka printy