Hira
Raha ho avy indray Kristy


46

Raha ho avy indray Kristy

Feno fanajana

1. Hikalo ve ireo anjely,

raha ho avy indray Kristy?

Hifaly ve ny zazakely,

ho tony ve ny ety?

Moa hisy kintana iray,

Hamiratra indray?

Moa ve tsy hisy ny hariva

ka hisy feon’antsiva?

Inoako fa horaisiny

Ireo madininy.

Satria hoy Izy: “Avelao

ny zaza hanatona ahy.”

2. Ho vonona tokoa ve aho,

raha ho avy indray Kristy?

Moa ve ho sahy hibanjina Azy,

hivavaka, hankafy?

Hiezaka aho mba hankatò,

hitondra fahazavana.

Mba ho fanilon’ireo ‘zay

Mitady fahalalana.

Raha tonga izany andro izany,

dia hoy Izy amiko:

“Nanompo Ahy tokoa ianao,

avia eto anilako.”

Tonony sy feony: Mirla Greenwood Thayne, 1907–1997

© 1952 an’i Mirla Greenwood Thayne, Provo, Utah. Nohavaozina tamin’ny 1980. Nahazoana lalana. Ity hira ity dia azo adika raha sendra ampiasaina ao an-tokantrano na ao am-piangonana ka tsy atao itadiavam-bola.

Matio 16:27

Matio 19:13–15

Hamoaka printy