126
Manan-tanana roa aho
Amim-pahatsorana
1. Manan-tanana roa aho mitambatra tsara.
Met(y) ho kel(y) izy ‘reo fa manao ‘zay ambara.
Mandritra ny andro iray manontolo,
maro ‘reo asa kanef(a) ataony daholo.
2. Misaotra ry Ray noho ny tanako roa.
Tahio re izy ‘reo sy hampahafantaro koa,
fa maharavoravo ny ankizy tokoa,
rehefa mankatò tsara ‘reo tanana roa.
Mamoròna fihetsika mifanaraka amin’ny tonony.
Tonony: Bertha A. Kleinman, 1877–1971
Feony: William Frederick Hanson, 1887–1969