Testamenta Taloha 2022
5–11 desambra. Hagay; Zakaria 1–3; 7–14: “Hamasinina ho an’i Jehovah”


“5–11 desambra. Hagay; Zakaria 1–3; 7–14: -Hamasinina ho an’i Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“5–11 desambra. Hagay; Zakaria 1–3; 7–14,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Tempolin’i Laie Hawaii

Tempolin’i Laie Hawaii

5–11 desambra

Hagay; Zakaria 1–3; 7–14

“Hamasinina ho an’i Jehovah”

Manasa ny fanambarana ho tonga ny famakiana ny soratra masina. Rehefa mamaky ny Hagay sy Zakaria ianao dia raiso ireo hafatra izay ambaran’ny Fanahy Masina aminao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Taorian’ny fahababoana am-polo taonany maro dia nisy vondrona Isiraelita iray izay mety ho nahitana ny mpaminany Hagay sy Zakaria, izay nahazo lalana hiverina ho any Jerosalema. Ny olona sasany tao anatin’izany vondrona izany dia nahatsiaro ny endrik’i Jerosalema talohan’ny nahapotika azy. Alaivo sary an-tsaina ny fahatsapan’izy ireo rehefa nahita ny korontan-javatra rava izay fonenan’izy ireo fahiny, toerana fitsaohan’izy ireo sy tempolin’izy ireo. Ny mpaminany Hagay dia niloaka ireo teny fampaherezan’ny Tompo hoe: “Mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà: fa Izaho no momba anareo, … koa aza matahotra ianareo”, tamin’ireo izay niahiahy raha toa ka mbola hitovy amin’ny “voninahiny taloha” indray ny tranon’ny Tompo (Hagay 2:3). “Ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, … ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana.” (Hagay 2:4–5, 7,9.)

Saingy tsy ilay tempoly masina ihany no nila nahorina indray mandeha. Ny vahoakan’ Andriamanitra dia tao anatina faharavana ara-panahy tamin’ny endriny maro. Ary ny fanorenana indray vahoaka masina dia mitaky zavatra mihoatra noho ny famakiana vato sy fandaharana azy ireny mba hanorenana rindrin’ny tempoly. Ankehitriny, ireo tempoly dia mitondra ny soratra hoe Hamasinina ho an’i Jehovah,” ary ireo teny ireo dia tsy mihatra fotsiny amin’ny trano fa amin’ny fomba fiaina koa. Ny fametahana ireo teny ireo eo amin’ny “famohamandrin-tsoavaly” sy amin’ny “vilany rehetra any Jerosalema” (Zakaria 14:20–21) dia manampy raha toa ka tena voasokitra ao amin’ny fo tsirairay izy ireny. Ny tena fahamasinana dia mitaky ny tenin’ny Tompo sy ny lalàny “[m]ahatratra” (Zakaria 1:6) antsika, ka mamela ny heriny mba hanova ny maha-izy antsika mba hahafahantsika ho lasa masina tahaka Azy (jereo ny Levitikosy 19:2).

Mba hanaovana topimaso ny bokin’i Hagay sy Zakaria dia jereo ny “Hagay” sy “Zakaria” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Hagay 1; 2:1–9

“Hevero ny lalanareo.”

Be dia be ireo zavatra manan-danja tokony hatao mba hanorenana indray an’i Jerosalema. Saingy teo ho eo amin’ny 15 taona hatramin’ny niverenan’ireo Isiraelita dia tsy faly ny Tompo noho ny tsy nanaovana laharam-pahamehana ambony kokoa ny fanorenana indray ny tempoly (jereo Hagay 1:2–5; jereo koa ny Ezra 4:24). Rehefa mamaky ny Hagay 1; 2:1–9 ianao dia hevero ny fanontaniana toa an’ireto: Inona no vokany natrehan’ireo Isiraelita noho izy ireo tsy nahavita ny tempoly? Inona ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo azy ireo raha toa ka vitan’izy ireo ny fanorenana ny tranony? Mety ho raisinao izao fahafahana hiheverana ny lalanao izao mba hisaintsainanao momba ireo laharam-pahamehanao sy ny fomba hahafahanao mampifanaraka azy ireny amin’ny an’ny Tompo.

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95; Terence M. Vinson, “Tena mpianatry ny Mpamonjy,” Liahona, Nôv. 2019, 9–11.

Zakaria 1–3; 7–8;14

Afaka mahatonga ahy ho masina ny Tompo.

Nampianatra ny Rahavavy Carol F. McConkie hoe: “Ny fahamasinana dia ny fanaovana ireo safidy izay hihazona ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana antsika. Ny fahamasinana dia ny manaisotra ireo fironantsika amin’ny maha-olombelona ary tonga -olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo- [Môzià 3:19]. … Ny fanantenantsika hanana fahamasinana dia mifototra amin’i Kristy, ao amin’ny famindrampony sy ny fahasoavany” (“Ny hatsaran’ny fahamasinana,” Liahona, mey 2017, 9–10). Ataovy ao an-tsaina hatrany ireo fampianarana ireo rehefa mamaky ny tenin’ny Tompo izay nomena tamin’ny alalan’ny mpaminany Zakaria, raha nandrisika an’i Isiraely mba ho masina kokoa Izy: Zakaria 1:1–6; 3:1–7; 7:8–10; 8:16–17. Raiso an-tsoratra ireo zavatra nasain’ny Tompo hataon’i Isiraely mba hahafahany manamasina azy ireo. Ahoana no hanampiany anao ho lasa masina kokoa?

Ny Zakaria 2:10–11; 8:1–8; 14:9–11, 20–21 dia mamariparitra ny ho endriky ny fiainana amin’ilay andro ho avy rehefa hiaraka honina amin’ny Tompo ao amin’ny toetry ny fahamasinana ny rehetra. Mety ho nidika inona tamin’ireo izay namerina nanorina an’i Jerosalema tamin’ny andron’i Zakaria ireo famariparitana ireo? Midika inona aminao izy ireo?

Sary
Ilay fidiran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema

“Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao: Marina Izy sady manam-pamonjena; malemy fanahy sady mitaingina boriky.”(Zakaria 9:9). Triumphal Entry (Ny fidiran’i Jesoa tamim-boninahitra) nataon’i Harry Anderson

Zakaria 9:9–11; 11:12–13; 12:10; 13:6–7; 14:1–9

I Jesoa Kristy no ilay Mesia nampanantenaina.

Maro amin’ireo asa soratr’i Zakaria no miresaka momba ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy ary koa ny Fiaviany Fanindroany amin’ny farany. Ampitahao amin’ny andinin-tsoratra masina mifandray aminy avy ao amin’ireo bokin-tsoratra masina hafa ireto faminaniana manaraka avy amin’i Zakaria ireto:

Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy rehefa nandalina an’ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao? Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahatakatra ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mesia” (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Hagay 1:2–7.Mety hitaona ny fianakavianao hihevitra ny lalan’izy ireo ireo andinin-tsoratra masina ireo. Angamba mety ho azon’ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana atao ny milalao an-tsehatra ireo andian-teny ao amin’ny andininy 6. Inona no ampianarin’ireto andinin-tsoratra masina ireto momba ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny zavatr’izao tontolo izao noho ny zavatr’ Andriamanitra? Azonareo atao ny miaraka mikaon-doha momba ny laharam-pahamehan’ny fianakavianareo. Afaka manampy ny fianakavianao hanombantombana ny zavatra izay efa ataonareo tsara sy ny lafin-javatra izay azonareo hatsaraina ny fihirana ny hira toy ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40).

Hagay 2:1–9.Mba hampahafantarana ireo andininy ireo dia azonao atao ny mizara ny tantaran’ny tempolin’i Provo City Center, izay naverina naorina avy tamin’ilay tabernakely nolalaina iray izay may (jereo ny Thomas S. Monson, “Mihaona indray isika izao,” Liahona, nôv. 2011, 5). Rehefa mamaky ny Hagay 2:1–9 ny fianakavianao dia azonao hatao ny manasa ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hisaintsaina momba ny zavatra iray eo amin’ny fiainantsika izay mety mitovy amin’ny famerenana manorina ilay tempoly noravana. Amin’ny fomba ahoana no hanorenan’ny Tompo antsika indray aorian’ny loza sy ny fisedrana?

Zakaria 3: 1–7.Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia azonao atao ny mampiseho fitafy maloto ny fianakavianao. Ahoana no mety ho fihetsik’i Josoa rehefa nijoro teo anoloan’ny anjely izy raha nanao fitafiana maloto. Ahoana no maha-toy ny akanjo maloto ny fahotana? Inona no ampianarin’ny Zakaria 3:1–7 antsika momba ny fahazoana famelan-keloka? Aorian’izany dia azonareo atao ny miaraka manadio an’ilay fitafy sady miresaka momba ny hery manadion’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Zakaria 8:1–8.Inona no manaitra antsika ao anatin’ilay fahitan’i Zakaria momba ny hoavin’i Jerosalema? Inona no zavatra hitantsika ao izay tiantsika ho hita ao amin’ny fiarahamonina misy antsika? Ahoana no ahafahantsika manasa ny Mpamonjy “hitoetra eo anivontsika”? (jereo Gary E. Stevenson, “Sacred Homes, Sacred Temples,” Ensign na Liahona, Mey 2009, 101–3).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa,” Bokin-kiran’ny ankizy, 40

Manatsara ny fandalinana manokana

Raiso ireo fahafahana hanaovana tomban’ezaka ho an’ny tena manokana. Ho entanim-panahy matetika ianao hisaintsaina momba ny fanolorantenanao manokana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny soratra masina. Manaova zavatra mifanaraka amin’ny fitaomam-panahy voarainao.

Sary
Tetiandro mampiseho ny nandrotehan’ny afo ny Tabernakelin’i Provo ao Provo, Utah, Etazonia sy ny nanorenana azy indray ho lasa Tempolin’i Provo City Center

Hamoaka printy