2010–2019
Tena mpianatry ny Mpamonjy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


2:3

Tena mpianatry ny Mpamonjy

Afaka mahatsapa fifaliana maharitra isika rehefa lasa ny Mpamonjy sy ny filazantsarany no rafitra hanorenantsika ny fiainantsika.

Somary miafina ao amin’ny bokin’i Hagay ao amin’ny Testamenta Taloha dia misy famariparitana vondron’olona iray izay mety ho nampiasa ny torohevitry ny Loholona Holland. Diso izy ireo fa tsy nametraka an’i Kristy ho ivon’ny fiainany sy ny fanompoany. Nanoritsoritra teny amin’ny endrika kisarisary mampieritreritra i Hagay rehefa nibedy ireo vahoaka ireo noho ny nipetrahan’izy ireo tamim-piadanana tao an-tranon’izy ireo fotsiny fa tsy nanangana ny tempolin’ny Tompo:

“Moa andro tokony hitoeran’ny tenanareo ao amin’ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?

“Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hevero ny lalanareo.

“Efa namafy be hianareo, nefa kely no taomina: mihinana hianareo, nefa tsy voky; misotro hianareo, nefa tsy afa-po; mitafy hianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.

“Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hevero ny lalanareo.”1

Tena famariparitana tsara ny maha-tsy misy dikany ny fanaovana laharam-pahamehana ny zavatra tsy manan-danja mandrakizay mihoatra noho ny zavatr’ Andriamanitra mihitsy izany.

Tamina fivoriana fanasan’ny Tompo natrehako vao tsy ela izay dia nindrana ny tenin’ny raim-pianakaviana iray izay namintina tsara an’izany hevitra izany ny misiônera vao niverina iray, raha nilaza tamin-janany ilay raim-pianakaviana hoe: “Tsy dia mila Wi-Fi isika rehefa ety fa mila Nefia!”

Nipetra tao Afrika Andrefana nandritra ny dimy taona aho ary tao aho no nahita ohatra betsaka an’ireo olona izay tonga dia mora nandray ny filazantsara ho laharam-pahamehana ary tsy menatra ny amin’izany. Ohatra iray ny amin’izany ny anaran’ny orinasa fandraharahana fanamboarana sy fampifandanjana kodiarana iray ao Ghana. Nantsoin’ilay tompony hoe: “Fanitsiana Kodiarana araka ny Sitraponao” ilay izy.

Afaka mahatsapa fifaliana maharitra isika2 rehefa lasa ny Mpamonjy sy ny filazantsarany no rafitra hanorenantsika ny fiainantsika. Saingy mora foana ny mety hahalasa ireo zavatra araka izao tontolo izao ho rafitra hanorenantsika ny fiainantsika, ka ny filazantsara dia lasa zavatra fanampiny fotsiny, na koa hoe fanatrehana fotoam-bavaka any am-piangonana mandritra ny adiny roa amin’ny andro alahady fotsiny. Rehefa izay no mitranga dia lasa mitovy tanteraka amin’ilay hoe mametraka ny karamantsika “an-kitapo loaka” isika.

Milaza amintsika i Hagay ny mba hanolorantsika tena, ny mba ho “fair dinkum” na mahatoky amin’ny fiainana ny filazantsara araka ny filazanay azy any Australie. Fair dinkum ny olona rehefa manao izay lazainy fa ataony.

Nianatra kely momba ny fijanonana ho fair dinkum sy ny fahaizana manolo-tena aho tamin’ny alalan’ny lalao baolina lavalava. Nianatra aho fa rehefa milalao araka izay vitako, rehefa manolotra ny rehetra avy amiko aho, dia amin’izay fotoana izay no lehibe indrindra ny fankafizako an’ilay lalao.

Ny Loholona Vinson miaraka ekipany mpilalao rugby

Ny taona nilalaovako baolina lavalava tiako indrindra dia ny taona taorian’ny naha-afaka bacc ahy. Ny ekipa nisy ahy dia sady nanan-talenta no feno fanolorantena ihany koa. Izahay no ekipa tompon-daka tamin’io taona io. Indray andro anefa dia nifanandrina tamina ekipa izay eny ambanimbanin’ny filaharan’ny fifaninanana izahay, ary taorian’ilay lalao dia samy tokony hitondra ny olon-tiany avy ho amin’ny fandihizana ao an-tsekoly fanao isan-taona izahay tsirairay avy. Nieritreritra aho hoe ho mora ilay lalao, ka noho izany dia tokony hiaro ny tenako tsy haratra aho mba hahafahako mankafy tanteraka ilay fandihizana avy eo. Nandritra io lalao io izahay dia tsy nanolo-tena tanteraka rehefa nifandona mafy tamin’ireo mpifanandrina taminay araka ny tokony ho nataonay, ka dia resy izahay. Nampananosarotra ny toe-draharaha ny nivontosan’ny molotro izaitsizy rehefa vita ilay lalao, ka izany dia tsy nanatsara ny endriko hoentina hamonjy ilay fampiarahana efa tsy andriko ery. Nisy zavatra nila nianarako angamba.

Traikefa tena samy hafa be tamin’izay no nitranga tamin’ny lalao hafa iray izay nanolorako tena tanteraka. Nisy fotoana aho tamin’io nihazakazaka tamim-piniavana tanteraka hifandona amin’ny mpifanandrina iray; nahatsapa fanaintainana teo amin’ny tarehiko avy hatrany aho. Noho izaho efa nampianarin’ny raiko fa tsy tokony haneho amin’ny mpifanandrina mihitsy hoe marary, dia nanohy ny lalao aho. Ny alin’iny, raha nanandrana nihinan-kanina aho, dia hitako fa tsy afaka nitsako aho. Ny ampitson’iny dia nankany amin’ny hôpitaly aho, ka ny valin’ny fitarafana tamin’ny radio dia nanamafy fa vaky ny valanoranoko. Nizaitra nandritra ireo enina herinandro taorian’izay ny vavako.

Nianarana lesona ireo fanoharana momba ny molotra nivonto sy ny valanorano vaky. Na dia teo aza ny fahatsiarovako ny filàna sakafo azo tsakoana nefa tsy azoko nohanina nandritra ireo enina herinandro ka tsy nahafahako nihinana afa-tsy sakafo mandranoka, dia tsy mahatsapa nenina aho noho ny naha-vaky ny valanoranoko satria izany dia avy amin’ny nanomezako ny tsara indrindra avy amiko. Hanenenako anefa ilay molotra nivonto satria izany dia tandindon’ny famefeko ny tenako.

Ny fanomezana ny tsara indrindra avy amintsika dia tsy midika akory fa ho voahodidina fitahiana foana na hahomby foana isika. Midika kosa izany fa hanana fifaliana isika. Ny fifaliana dia tsy fahafinaretana mihelina, na hoe fahasambarana mandalo fotsiny mihitsy aza. Ny fifaliana dia maharitra, ary miorina amin’ireo ezaka ataontsika mba ho eken’ny Tompo.3

Ohatra iray ny amin’izany hoe eken’ny Tompo izany ny tantaran’i Oliver Granger. Hoy ny Filoha Boyd K Packer hoe: “Rehefa voaroaka hiala an’i Kirtland ireo Olomasina, … dia tavela tany aoriana i Oliver, hivarotra ny fananan’izy ireo mba hahazoana izay kely vitany. Tsy dia ninoana loatra ny hampahomby ny zavatra nataony. Ary tsy nahomby tokoa izy!”4 Nampandraiketin’ny Fiadidiana Voalohany asa sarotra izy, na raha ny marina dia asa sarotra loatra. Saingy nidera azy ny Tompo noho ny ezaka izay toa tsy nahitam-pahombiazana nataony:

“Mahatsiaro an’i Oliver Granger mpanompoko Aho; indro, lazaiko aminy marina tokoa fa ny anarany dia hotanana ao amin’ny fahatsiarovana masina hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby, mandrakizay mandrakizay, hoy ny Tompo.

“Koa aoka izy hiezaka amin-kafanam-po tokoa ho fanavotana ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonako, … ary raha lavo izy dia mbola hiarina indray, satria ny fahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany, hoy ny Tompo.”5

Marina izany ho antsika rehetra: tsy ny fahombiazantsika no manan-danja ho an’ny Tompo fa ny fahafoizana sy ireo ezaka ataontsika.

Ohatra iray hafa amin’ny maha-tena mpianatr’i Jesoa Kristy ny an’ny namana malalanay iray ao Côte d’Ivoire ao Afrika Andrefana. Ity ranabavy mahafinaritra sy mahatoky ity dia nijaly be noho ny herisetra ara-pihetsehampo ary ara-batana mihitsy aza nataon’ny vadiny taminy nandritra ny fotoana naharitra; ary taty aoriana dia nisaraka izy ireo. Tsy nihozongozona mihitsy ny finoany ary nanao ny tsara foana izy, saingy noho ny habibian-toetra nasehony taminy dia niaina ratram-po lalina nandritra ny fotoana ela izy. Toy izao no namariparitany ny zava-nitranga:

“Na dia nilaza aza aho fa namela azy, dia mbola nisy fery foana rehefa natory aho; niaraka tamiko foana izany fery izany nandritra ny tontolo androko. Toy ny hoe nodorana izany ny foko. Im-betsaka aho no nivavaka tamin’ny Tompo mba hanalany izany amiko saingy tena nankarary ahy tokoa ilay izy hany ka lasa nino tanteraka aho fa hanaraka ahy mandritra ny androm-piainako rehetra izany. Mbola narary noho ny tamin’ny nahalasana ny reniko fony aho ankizivavy izany, mbola narary kokoa noho ny tamin’ny nahalasana ny raiko ary ny nahalasana ny zanakalahiko mihitsy aza. Toa nahazo vahana sy nandrakotra ny foko ilay izy, ka lasa nahatsiaro hoe ho faty izany aho tamin’ny fotoana rehetra.

“Tamin’ny fotoana sasany aho dia nanontany tena ny amin’ny zavatra ho nataon’ny Mpamonjy raha teo amin’ny toerako Izy, ary naleoko kokoa niteny hoe: -Mafy loatra ity ry Tompo.-

“Indray maraina anefa dia nikaroka ilay fanaintainana avy amin’izany zavatra rehetra izany aho tao am-poko, ary lalindalina kokoa, nikaroka izany tao anatiko manontolo. Tsy hita intsony ilay izy. Neritreretiko haingana ireo antony rehetra tokony hamparatra ahy, nefa tsy nahatsiaro ilay fanaintainana aho. Nandrasako ho tapitra ny tontolo andro hahitana raha toa ka hahatsapa ilay fanaintainana ao am-poko indray aho; fa tsy nahatsapa ilay izy aho. Dia nandohalika aho ary nisaotra an’ Andriamanitra noho ny sorona fanavotana nataon’ny Tompo ho ahy izay niasa tao amiko.”6

Izao io ranabavy io dia sambatra ary voafehy amina lehilahy mahafinaritra sy mahatoky izay tia be azy.

Ahoana ary izany no tokony ho toe-tsaintsika raha te ho mpianatr’i Kristy tena izy isika? Ary tokony hanan-danja tahaka ny ahoana amintsika ny filazantsara raha manao an’ilay zavatra naroson’i Hagay isika hoe “hevero ny lalanareo?”

Tiako ny ohatry ny toe-tsaina tokony hananana nasehon’ny rain’i Lamônia Mpanjaka. Tsaroanareo ny fahatezerany tamin’ny voalohany raha nahita ny zanany niaraka tamin’i Amôna, izay Nefita—vahoaka nankahalan’ny Lamanita, izy. Navoakany ny sabany hifanandrina tamin’i Amôna ary vetivety ihany dia nambanan’i Amôna tamin’ny sabany teo amin’ny tendany izy. “Ankehitriny dia natahotra ny mpanjaka sao hahavery ny ainy izy, ka hoy izy: Raha hitsimbina ny aiko ianao, dia hotoviko aminao na inona na inona hangatahinao, na dia ny antsasaky ny fanjakana aza.”7

Tsarovy ity tolotra ity, ny antsasaky ny fanjakany ho solon’ny ainy.

Taty aoriana anefa, rehefa nahatakatra ny filazantsara izy, dia nandroso tolotra iray hafa. “Hoy ny mpanjaka: Inona no hataoko mba hahafahako manana izany fiainana mandrakizay izay efa noresahinao izany? Eny, inona no hataoko mba ho azo aterak’ Andriamanitra aho, rehefa hongotana hiala ao an-tratrako izao faharatsiam-panahy izao ka handraisako ny Fanahiny mba hahatonga ahy ho feno fifaliana mba tsy hahazoana mandroaka ahy amin’ny andro farany? Indro, hoy izy, hilaozako izay rehetra ananako, eny, hafoiko ny fanjakako mba hahazoako mandray izany fifaliana lehibe izany.”8

Tamin’io indray mitoraka io dia vonona ny hahafoy ny fanjakany manontolo izy, satria taminy dia nanan-danja kokoa mihoatra noho izay rehetra nananany ny filazantsara! Fair dinkum no niainany ny filazantsara.

Ny fanontaniana ho antsika tsirairay avy izany dia ny hoe: Fair dinkum ihany koa ve no iainantsika ny filazantsara? Satria raha manolo-tena amin’ny ampahany fotsiny isika dia tsy fair dinkum! Ary Andriamanitra dia tsy mpidera ireo izay matimaty amin’ny fanolorantenany.9

Tsy misy harena, fialam-boly, toerana, tambazotra ifaneraserana, jeu vidéo, fanatanjahan-tena, fahafantarana olo-malaza, na zavatra hafa eto ambonin’ny tany ka sarobidy kokoa noho ny fiainana mandrakizay. Ny torohevitry ny Tompo ho an’ny olona tsirairay avy araka izany dia ilay hoe “hevero ny lalanareo.”

Ny tenin’i Nefia no mahalaza indrindra ny zavatra tsapako hoe: “Mirehareha ny amin’ny fahatsorana aho; mirehareha ny amin’ny fahamarinana aho; mirehareha ny amin’i Jesoako aho fa Izy efa nanavotra ny fanahiko tamin’ny helo.”10

Tena mpanara-dia Azy marina ve isika, Izy izay nanome antsika ny rehetra avy Aminy? Izy izay Mpanavotra sy Mpanalalana antsika amin’ny Ray? Izy izay nanolo-tena tanteraka tao amin’ny sorona fanavotana nataony, ary manolo-tena tanteraka ankehitriny amin’ny fitiavany sy ny famindrampony ary ny faniriany ny hahazoantsika fifaliana mandrakizay? Miangavy anareo rehetra izay mihaino sy mamaky ireto teny ireto aho: Miangavy aho, aza ahemotra ho amin’ny fotoana iray izay tsy mbola misy akory amin’ny fotoana ho avy ny fanoloranareo tena feno. Meteza ho fair dinkum izao ary iaino ilay fifaliana! Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.