Aza mamitaka ahy
Rehefa mankatò ireo didin’ Andriamanitra isika dia ho voatarika mandrakariva eo amin’ilay lalana marina ary tsy ho voafitaka.
Anio aho dia hanolotra teny mifono torohevitra ho an’ny rehetra, indrindra ho anareo ao anatin’ny taranaka vao misondrotra, dia ny ankizy ao amin’ny Kilonga, ny zatovolahy, ary ny zatovovavy izany. Ianareo dia tena tian’ny mpaminanin’ny Tompo amin’izao androntsika izao, dia ny Filoha Russell M. Nelson izany. Tena tiany ianareo ka niresaka tamin’ny maro taminareo izy tamin’ny taona lasa nandritra ny fampitana ny fampaherezam-panahy maneran-tany manokana ho an’ny zatovo izay “Fanantenana ho an’i Isiraely” no lohateniny.1 Matetika isika no mandre ny Filoha Nelson miantso anareo amin’izany mihitsy: “fanantenana ho an’i Isiraely,” ilay taranaka vao misondrotra sy ny hoavin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny.
Ry namako zandry isany, tiako ny hanomboka amin’ny fizarana tantaram-pianakaviana anankiroa.
Ilay Dalmatien faha-102
Taona maro lasa izay dia tonga tao an-trano avy niasa aho ary gaga nahita loko fotsy niparitaka teny rehetra teny: teny amin’ny tany, teny amin’ny varavaran’ny garazy, ary teny amin’ny biriky menan’ny tranonay. Nozahako akaiky ny toerana ka hitako fa mbola mando ilay loko. Nisy dian-doko nitarika nankany amin’ny tokotany tao ambadiky ny trano ary dia narahako izany. Hitako tao ny zanako lahy dimy taona, niaraka tamin’ny borosindoko teny an-tanany, nanenjika ny alikanay. Voatondraka loko fotsy ny tapan’ilay Labrador mainty mahafatifatinay!
“Inona ity ataonao?” Hoy aho nanontany tamin’ny feo hentitra.
Nijanona ny zanako lahy, nijery ahy, nijery an’ilay alika, ary nijery ilay borosindoko nisy loko nitete, ka niteny hoe: “Tiako hitovy amin’ireo alika misy teboka mainty ao anatin’ilay horonan-tsary fotsiny izy. Hitanao, ilay misy ireo Dalmatiens miisa 101.”
Tiako ny alikanay. Raha ny hevitro dia tsy misy kianina ilay alika, kanefa nanana hevitra hafa ny zanako lahy.
Saka mitsoriadria-tsoratra ny volony
Ny tantarako faharoa dia mikasika an’i Dadatoa Grover izay nipetraka tany amin’ny trano iray tany ambanivohitra, lavitra ny tanan-dehibe. Nihaantitra i Dadatoa Grover. Nieritreritra izahay fa tokony hihaona amin’ireo zanakay lahy izy mialoha ny hahafatesany. Koa, indray tolakandro, dia nanao dia lavitra tamin’ny alalan’ny fiara nankany amin’ny tranony izahay. Niara-nipetraka nifampitsidika izahay dia nampahafantatra azy tamin’ireo zanakay lahy. Tsy lasa lavitra akory ny resaka dia naniry ny hivoaka sy hilalao tany ivelany ireo zanakay roalahy zandriny indrindra, angamba dimy sy enina taona tamin’izay.
Raha nandre ny fangatahan’izy ireo i Dadatoa Grover, dia niondrika izy ka nibanjina ny endrik’izy ireo. Efa antitra be sy tsy nahazatra ny endriny ka somary natahotra azy ireto ankizilahy. Hoy izy tamin’izy ireo tamin’ny feony hentitra: “Mitandrema fa misy mouffettes marobe any ivelany any.” Raha nandre izany izaho sy i Lisa dia tena gaga tokoa, natahotra izahay sao hitsifotra fofona maimbo amin’izy ireo ny mouffette iray! Tsy ela dia nivoaka nilalao tany ivelany ireo ankizilahy rehefa nanohy fitsidihanay izahay.
Taty aoriana rehefa tao anaty fiara handeha hody izahay dia nanontany an’ireo ankizilahy aho hoe: “Nahita mouffette ve ianareo?” Namaly ny iray tamin’izy ireo hoe: “Tsia, tsy nahita izahay, fa nahita saka mainty iray izay mitsoriadria-tsoratra fotsy ny lamosiny!”
Ilay mpamitaka lehibe
Ireo tantara momba ny ankizy tsy manan-tsiny mahita zava-baovao momba ny fiainana sy ny tena zava-misy ireo dia mampitsiky antsika tsirairay, kanefa koa maneho hevitra lalina kokoa.
Tao amin’ilay tantara voalohany dia nanana alika fiompy mahafatifaty iray, kanefa na teo aza izany, dia naka loko iray dabakely izy, niaraka teny amin’ny borosy fandokoana teny an-tanany, ka tapa-kevitra ny hamorona ny fihevereny ny zava-marina.
Tao amin’ilay tantara faharoa dia tsy nahafantatra tsotra izao ny mety ho loza natrehan’izy ireo raha nahita mouffette ireo ankizilahy ireo. Noho ny tsy fahafahan’izy ireo nahafantatra ny zavatra tena hitan’izy ireo, dia notandindomin-doza izy ireo. Ireo dia tantara momba ny tsy fahalalana ny tena endri-javatra, ny fiheverana ny zavatra tena izy ho zavatra hafa mihitsy. Tsy dia nampanahy loatra ny vokatr’ireo zavatra nitranga ireo.
Na izany aza, maro ankehitriny no mitolona amin’ireo olana ireo amin’ny ambaratonga lehibe kokoa. Na izy ireo tsy afaka mahita ny zavatra araka ny tena maha-izy azy, na tsy afa-po amin’ny fahamarinana. Ankoatra izany dia misy hery miasa ankehitriny izay natao hitarika antsika mihitsy mba hiala amin’ny fahamarinana tanteraka. Ireny fitaka sy lainga ireny dia mihoatra lavitra ny tsy fahalalana ao anatin’ny tsy fananan-tsiny ny tena endri-javatra ary matetika goavana ny vokatr’izany fa tsy kely.
I Satana, ilay rain’ny lainga sy ilay mpamitaka lehibe, dia manao izay hahatonga antsika hiahiahy ny amin’ireo zavatra araka ny tena ahitana azy, ka na tsy miraharaha ireo fahamarinana mandrakizay na manova azy ireny ho zavatra toa mahafinaritra kokoa. “Miady amin’ny olomasin’ Andriamanitra izy”2 ary nandany arivo taona maro izy nanao kajikajy sy nanao fampiharana ilay fahaizana mandresy lahatra ny zanak’ Andriamanitra rehetra mba hino fa ratsy ny tsara ary tsara ny ratsy.
Izy dia nalaza teo amin’ny fandresen-dahatra ny olombelona fa ireo mouffettes dia saka kely ihany, na afaka manova ny Labrador ho Dalmatien ianao miaraka amin’ny loko.
Handeha isika izao hitodika any amin’ny ohatra iray momba io fitsipika io mihitsy izay hita ao amin’ny soratra masina rehefa niatrika mivantana izany toe-javatra izany koa i Mosesy mpaminanin’ny Tompo. “Nampaka[rina] … ho eo an-tendrombohitra avo izaitsizy tokoa [i Mosesy] ary nahita an’ Andriamanitra nifanatrika izy ary niresaka Taminy.”3 Nampianarin ’ Andriamanitra momba ny tena maha-Izy Azy mandrakizay i Mosesy. Nilaza Izy fa na dia olombelona mety maty sy tsy tonga lafatra aza i Mosesy dia nampianatra an’i Mosesy Andriamanitra fa i Mosesy “natao araka ny endriky ny Zanaka Lahitokako; ary ny Zanaka Lahitokako no … ho Mpamonjy.”4
Ho famintinana, tao anatin’ilay fahitana mahagaga hitany, dia nahita an’Andriamantira i Mosesy, ary nianatra zavatra manan-danja momba ny tenany ihany koa izy: zanak’ Andriamanitra izy.
Henoy tsara ny nitranga rehefa tapitra io fahitana mahatalanjona io. “Ary ny zava-nitranga, … dia … tonga i Satana naka fanahy azy, nanao hoe: Ry Mosesy, zanak’olona,miderà ahy”5 Namaly tamin-kerim-po i Mosesy hoe: “Iza moa ianao? Fa indro izaho dia zanak’ Andriamanitra, manahaka ny endriky ny Zanaka Lahitokany; ary aiza izay voninahitrao no tokony hidera anao aho?”6
Raha amin’ny teny hafa dia hoy i Mosesy hoe: “Tsy afaka mamitaka ahy ianao satria fantatro hoe iza aho. Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra aho. Tsy manana ny fahazavany sy ny voninahiny ianao. Koa nahoana aho no tokony hidera anao na ho tafalatsaka ao amin’ny famitahanao?
Izao dia henoy tsara ny navalin’i Mosesy avy eo. Nanambara izy hoe: “Mialà ety ry Satana; aza mamitaka ahy.7
Betsaka ny azontsika ianarana avy amin’ny fomba famalin’i Mosesy teo anatrehan’ny fakam-panahin’ny fahavalo. Manasa anareo aho hamaly torak’izany rehefa mahatsapa ho taomin’ny fakam-panahy. Omeo baiko ny fahavalon’ny fanahinareo amin’ny alalan’ny fitenenana hoe: “Mialà! Tsy manana voninahitra ianao. Aza maka fanahy ahy na mandainga amiko! Satria fantatro hoe iza aho, dia zanak’ Andriamanitra. Ary hangataka fanampiana amin’ilay Andriamanitro foana aho.”
Tsy hilavo lefona moramora amin’ilay tanjony manimba mba hamitaka sy handavo antsika anefa ny fahavalo. Marina fa tsy nanao izany tamin’i Mosesy izy, ka naniry kosa ny hanao izay hanadinoan’i Mosesy hoe iza marina izy mandrakizay.
Toy ireny naneho fahatezeran-jaza ireny i Satana ka “nihiaka tamin’ny feo mafy, nitroatroatra teo amin’ny tany sy nandidy, nanao hoe: Izaho ihany no Lahitokana, miderà ahy.”8
Handeha isika hanao famerenana. Renareo ve izay vao nolazainy teo? “Izaho ihany no Lahitokana. Miderà ahy!”
Vokatr’izany dia hoy ilay mpamitaka lehibe: “Aza matahotra; tsy handratra anao aho. Tsy mouffette aho fa saka kely tsy manan-tsiny mitsoriadria-tsoratra mainty sy fotsy fotsiny.”
Dia niantso an’ Andriamanitra i Mosesy avy eo, ka nahazo ilay tanjany masina. Na dia nangovitra aza ny fahavalo ary nihovitrovitra ny tany dia tsy nilefitra i Mosesy. Feno fahatokiana sy nazava ny feony. “Mialà amiko ry Satana,” hoy izy, “fa izao Andriamanitra iray izao ihany no hoderaiko, izay Andriamanitry ny voninahitra.”9
Nony farany dia “Niala teo … izy … avy teo anatrehan’i Mosesy.”10
Rehefa avy niseho sy nitsodrano an’i Mosesy noho ny fankatoavany ny Tompo dia niteny hoe:
“Hotahiana ianao ry Mosesy, fa … ianao dia hatao mahery noho ny rano maro. …
“Ary indro, Izaho momba anao, dia hatrany amin’ny fiafaran’ny andronao.”11
Ny fanoheran’i Mosesy ny fahavalo dia ohatra mahery vaika sy manazava ny saina amam-panahy ho antsika tsirairay, na inona na inona toe-javatra iainantsika eo amin’ny fiainana. Hafatra mahery vaika ho anareo izany, dia ny hahafantatra izay tokony hatao rehefa miezaka mamitaka anareo izy. Satria ianareo, tahaka an’i Mosesy, dia nomena fanomezana iray, dia ny fanampiana avy any an-danitra izany.
Didy sy tsodrano
Ahoana no ahafahanao mahita io fanampiana avy any an-danitra io, tahaka ny nahitan’i Mosesy izany, ka tsy ho voafitaka na tafalatsaka ao anatin’ny fakam-panahy ianao? Misy fantsona mazava hahazoana fanampiana avy amin’ Andriamanitra izay nohamafisin’ny Tompo Izy Tenany mihitsy indray tato anatin’ity fotoam-pitantanana rehefa nanambara izy hoe: “Koa Izaho Tompo dia mahalala ny antambo izay hanjo ny mponin’ny tany, ka iantso an’i Joseph Smith zanany mpanompoko sy niteny taminy avy any an-danitra ary nanome azy didy.”12 Raha lazaina amin’ny teny tsotra kokoa dia afaka milaza isika fa ny Tompo, izay mahafantatra “ny fiafarana hatramin’ny fiandohana,”13 dia mahafantatra ireo fahasarotana miavaka amin’izao androntsika izao. Noho izany dia nanome fomba iray hanoherantsika ireo olana sy fakam-panahy Izy, ary ny maro amin’izy ireo dia vokatra mivantan’ny fitaomana mamitaky ny fahavalo sy ireo fanafihany.
Tsotra ilay fomba. Miresaka amintsika zanany amin’ny alalan’ireo mpanompony Andriamanitra, ary manome antsika didy. Azontsika amboarina ireo andininy vao notanisaiko ireo ka hilaza fa “izaho Tompo dia … niantso [ny Filoha Russell M. Nelson], mpanompo[ny] sy niteny taminy avy any an-danitra ary nanome azy didy Andriamanitra.” Moa ve tsy fahamarinana lehibe izany?
Ijoroako ho vavolombelona amin’ny fomba manetriketrika fa ny Tompo dia tena niresaka marina avy tany an-danitra tamin’i Joseph Smith, nanomboka tamin’ilay Fahitana Voalohany lehibe. Miresaka amin’ny Filoha Nelson koa izy amin’izao androntsika izao. Mijoro ho vavolombelona aho fa niresaka tamin’ireo mpaminany tamin’ny andro fahiny Izy ary nanome azy ireo didy izay natao mba hahazoan’ireo zanany fifaliana eto amin’ity fiainana ity sy voninahitra any amin’ny fiainana ho avy.
Manohy manome didy amin’ny mpaminanintsika velona ankehitriny Andriamanitra. Betsaka ireo ohatra: ny fifandanjana eo amin’ny fampianarana ny filazantsara mifototra ao an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana, ny fanoloana ny fampianarana sy fitsidihana isan-tokantrano ho fanompoana, ny fanatsarana ireo fomba fanatanterahan-javatra sy ôrdônansy any amin’ny tempoly, ary ny fandaharana vaovao ho an’ny ankizy sy ny zatovo. Talanjona amin’ny fahatsarana sy ny fangorahana asehon’ny Ray any An-danitra be fitiavana sy i Jesoa Kristy Zanany aho, izay namerina tamin’ny laoniny indray ny Fiangonan’ny Mpamonjy teto an-tany ary niantso mpaminany iray amin’izao androntsika izao. Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manonitra ireo andro mahaory amin’ny fahafenoan’ ny fotoana.
Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana
Ny fankatoavana ireo didy nomena ny mpaminanintsika dia tsy fanalahidin’ny fisorohana ny fitaoman’ilay mpamitaka fotsiny ihany fa fanalahidy koa mba hiainana fifaliana sy fahasambarana maharitra ihany koa. Tsotra anefa io rakipohy io: ny fahamarinana, na fankatoavana ireo didy, dia mitondra fitahiana, ary ireo fitahiana dia mitondra fahasambarana, na fifaliana, eo amin’ny fiainantsika.
Mikatsaka ny hamitaka anareo ihany koa anefa ny fahavalo, amin’ilay fomba niezahany namitahana an’i Mosesy. Niseho foana tamin’ny alalan’ilay tsy tena endriny izy. Niezaka nanafina foana ilay tena endriny izy. Mihambo izy fa hahatonga ny fiainanareo ho ory ny fankatoavana ary handroba ny fahasambaranareo izany.
Afaka mieritreritra ny sasany amin’ireo tetika entiny hamitahana ve ianareo? Ohatra, sarontsaronany ny voka-dratsy manimban’ny zava-mahadomelina na ny fisotroana ka lazainy fa hitondra fahafinaretana kosa izany. Arobony ao anatin’ny singa ratsy maro karazana izay hita ao anatin’ny tambazotran-tserasera isika, anisan’izany ny fampitahana mandrava sy ny zava-misy lazaina fa lafatra loatra. Ankoatra izany, dia ataony tsara afina ireo votoatin-javatra maizina sy manimba hita ao amin’ny internet toy ny pôrnôgrafia, sy ireo fanafihana mibaribary ny hafa amin’ny alalan’ny fandrabiana ao amin’ny internet, ary ny famafazana fampahalalana diso mba hiteraka ahiahy sy tahotra ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika. Mibitsika amin-kafetsen-dratsy izy hoe: “Araho fotsiny aho dia tena ho sambatra ianareo.”
Tena manan-danja manokana ho an’izao androntsika izao ireo teny nosoratan’ny mpaminany iray tao amin’ny Bokin’i Môrmôna taonjato maro lasa izay: “Ny faharatsiana dia tsy fahasambarana na oviana na oviana14 Enga anie ho fantatsika araka ny endriny ireo fitak’i Satana. Enga anie isika hahatohitra sy hahita ireo lainga sy fitaoman’ilay iray izay mikatsaka ny hamotika ny fanahintsika sy handroba ny fifaliantsika amin’izao fotoana izao sy ilay voninahitsika ho azo any aoriana.
Ry rahalahy sy anabaviko malala, tsy maintsy mahatoky sy mailo hatrany isika, satria izany no hany fomba hamantarantsika ny fahamarinana sy handrenesantsika ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpanompony. “Fa milaza ny marina ny Fanahy ary tsy mandainga. … Noho izany, ireo zavatra ireo dia aseho antsika mazava tsara ho famonjena ny fanahintsika. … Fa nolazain’ Andriamanitra koa tamin’ny mpaminany fahiny izy ireny.”15 Olomasin’ Andriamanitra Tsitoha isika, ilay fanantenana ho an’i Isiraely! Moa ve isika hilavo lefona? “Tokony hisitrika ve isika na hitsoaka an’ilay ady? Tsia! … Hijoro ho mahatoky sy marina mandrakariva amin’ny didin’ Andriamanitra, amin’ny fanahy, sy ny fo, ary ny tanana isika.”16
Mijoro ho vavolombelona manokana ny amin’ilay Iray Masin’i Isiraely aho, dia i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitiavana, sy fahamarinana ary fifaliana avy Aminy aho, izay tanteraka noho ny sorona tsy manam-petra sy mandrakizay nataony. Rehefa mankatò ireo didiny isika dia ho voatarika mandrakariva eo amin’ilay lalana marina ary tsy ho voafitaka. Amin’ny anarana masin’ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy, amena.