Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019 Fivoriana sabotsy maraina Fivoriana sabotsy maraina Jeffrey R. HollandNy hafatra, sy ny dikany, ary ny olonaMampahatsiahy antsika ny Loholona Holland mba hihazona mandrakariva ny fifantohantsika amin’ny Mpamonjy ho ivon’ny fiainantsika sy ny finoantsika ary ny fanompoantsika. Terence M. VinsonTena mpianatry ny MpamonjyMampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fanolorantena mba ho mpianatr’i Jesoa Kristy ny Loholona Vinson. Stephen W. OwenAoka hanam-pinoana fa tsy ho kely finoanaRahalahy Owen dia nampianatra ny fomba hahavoky antsika sakafo ara-panahy amin’ny alalan’ny fianarana sy fiainana ny filazantsara mifantoka amin’ny any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana. D. Todd ChristoffersonNy fifalian’ny OlomasinaMampianatra momba ny fifaliana azo avy amin’ny fitandremana ny didy, ny fandresena ireo olana sy fanamby, ary ny fanompoana tahaka ny nanompoan’i Jesoa ny Loholona Christofferson. Michelle D. CraigFahafahana ara-panahyMampianatra ny fomba hampitomboana ny fahafahantsika ara-panahy mandray fanambarana Rahavavy Craig. Dale G. RenlundFanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa KristyMampianatra ny Loholona Renlund fa Andriamanitra dia manasa antsika mba hiala tanteraka amin’ny fomba fanaontsika fahiny ary hanomboka fiainam-baovao ao amin’i Kristy, izay mampiseho ny fanoloran-tenantsika amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana. Dallin H. OaksMatokia ny TompoMampianatra ny Filoha Oaks fa ny fatokiana ny Tompo no safidy tsara indrindra rehefa manana fanontaniana momba ireo zavatra tsy mbola nambara tamintsika isika. Fivoriana sabotsy tolakandro Fivoriana sabotsy tolakandro Henry B. EyringFanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, ary ireo mpiandraikitra ambony ao amin’ny FiangonanaNatolotry ny Filoha Henry B. Eyring ny anaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana mba hotohanana. David A. BednarHiambina amim-bavaka lalandavaNampianatra fomba telo hitandremana amin’ireo paikadin’ny devoly ny Loholona Bednar tamin’ny fampiasana ny ohatry ny biby mpihaza Guépards. Rubén V. AlliaudHita tamin’ny alalan’ny herin’ny Bokin’i MôrmônaNy Loholona Alliaud dia mampianatra ny fomba ahafahan’ny fiovam-po mitranga amin’ny alalan’ireo fahamarinana mahery vaika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Russell M. NelsonVavolombelona sy kôlejin’ny fisoronana Aharôna ary kilasin’ny ZatovovavyNanao filazana momba ireo fanovana fitsipika mifehy mahakasika ny vavolombelona sy ireo fanovana natao amin’ny kolejin’ny fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy ny Filoha Nelson. Quentin L. CookFanovana mba hanamafisana orina ny zatovoManambara fanovana rafitra izay natao hanampiana ny episkôpa hifantoka amin’ny andraikiny hikarakara ny zatovo ny Loholona Cook. Mark L. PaceAvia, hanaraka Ahy—tetikadin’ny Tompo hamaliana ny fahavalo sy drafitra handraisana andraikitra mialohaMampianatra ny Filoha Pace fa ny fandalinana ny Avia, hanaraka Ahy dia fiadiana amin’ireo fanafihan’ny fahavalo ary mitondra ireo mpikambana ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra sy ny fianakavian’izy ireo. L. Todd BudgeFitokiana tsy tapaka sy tsy mety lefyMampianatra momba ny fatokiana ny Tompo amin’ny fampitahany ny dia nataon’ny Jaredita amin’ny dia ataontsika eto amin’ny fiainana an-tany ny Loholona Budge. Jorge M. AlvaradoAorian’ny fizahan-toetra ny finoantsikaMizara ohatra ny amin’ireo izay nahita fahagagana taorian’ny fisedrana ny finoan’izy ireo ny Loholona Alvarado. Ronald A. RasbandManaja ireo fampanantenantsika sy fanekempihavanantsikaNampahatsiahy antsika ny maha-zava-dehibe ny fanajantsika ireo fanekempihavanana sy ireo fampanantenana izay nataontsika tamin’ny Tompo sy ny hafa ny Loholona Rasband. Fivoriamben’ny Vehivavy maneran-tany Fivoriamben’ny Vehivavy maneran-tany Reyna I. AburtoNa inona re miseho, mitoera eto!Mijoro ho vavolombelona ny Rahavavy Aburto fa afaka manampy ireo zanak’ Andriamanitra rehetra ny Mpamonjy mba hizaka ireo rofy ara-tsaina sy ara-batana. Lisa L. HarknessManaja ny anaranyRahavavy Harkness dia mampianatra ny dikan’ny hoe mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy sy mahatsiaro Azy mandrakariva. Bonnie H. CordonZanakavavy malalaManambara ireo fanovana natao teo anivon’ny rafitry ny Zatovovavy ary mampianatra fa ireo fiovana ireo dia hanampy ireo zatovovavy hanatona bebe kokoa ny Mpamonjy. Henry B. EyringVehivavin’ny fanekempihavanana miara-miasa amin’ AndriamanitraNy Filoha Eyring dia mampianatra ny maha-mpiara-miasa amin’ Andriamanitra ny vehivavy izay nanao fanekempihavanana mba hanompo ireo Zanany sy hanomana azy ireo mba hiverina any Aminy. Dallin H. OaksIreo didy roa lehibeNy Filoha Oaks dia nanazava ny fampiharana ilay didy hoe mitia an’ Andriamanitra ary mitia ny namantsika amin’ny fifandraisantsika amin’ireo izay mamaritra ny tenany ho LGBT (lesbienne, gay, bisexuel(le), transgenre). Russell M. NelsonIreo harena ara-panahyMampianatra ny Filoha Nelson fa ireo vehivavy izay notafiana ny herin’ny fisoronana tany amin’ny tempoly dia afaka mahazo ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany. Fivoriana alahady maraina Fivoriana alahady maraina Gerrit W. GongFiombonana ao amin’ny fanekempihavananaMamariparitra ny fitahiana avy amin’ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy amin’ny tsirairay ny Loholona Gong. Cristina B. FrancoMahita fifaliana amin’ny fizarana ny FilazantsaraNampianatra ny maha-zava-dehibe ny fizarana ny filazantsara amin’ireo manodidina antsika ny Rahavavy Franco. Dieter F. UchtdorfIlay dianao lehibe mampientanentanaMampianatra mikasika ny dia amin’ny maha-mpianatra antsika ny Loholona Uchtdorf ary mamporisika antsika mba hikatsaka an’ Andriamanitra, hanompo ny hafa ary hizara ireo zavatra niainantsika amin’ny hafa. Walter F. GonzálezNy fikasihan’ny MpamonjyMampianatra antsika ny Loholona González fa ny Mpamonjy dia te-hanasitrana antsika ary raha toa ka manatona Azy isika sy mikatsaka Azy, amin’izany Izy dia na hanasitrana antsika na hanome hery antsika mba hananana faharetana. Gary E. StevensonAza mamitaka ahyNampitandrina antsika ny amin’ny hafetsena sy fitaka ataon’ny fahavalo ny Loholona Stevenson ary manasa antsika hijanona ho matanjaka sy hanaraka ireo didin’ny Tompo izy. Russell M. NelsonNy didy lehibe faharoaManome ohatra ny amin’ny fomba hanatanterahan’ny Fiangonana sy ny mpikambana ilay didy lehibe faharoan’ny Tompo ny hitia ny namantsika amin’ny alalan’ny ezaka fanasoavana olona ny Filoha Nelson. Fivoriana Alahady Tolakandro Fivoriana Alahady Tolakandro Henry B. EyringFahamasinana sy ny drafitry ny fahasambaranaNampianatra ny Filoha Eyring fa misy fahasambarana lehibe kokoa tonga amin’ny alalan’ny fahamasinan’ny tena bebe kokoa, izay azo amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, ary fiatrehana fahoriana. Hans T. BoomMahafantatra sy mitia ary mitomboMampianatra antsika ny Loholona Boom fa ny tsirairay avy amintsika dia afaka ny hitombo ao amin’ny anjara andraikitsika ao amin’ny asan’ Andriamanitra amin’ny fahafantarana hoe iza isika ary avy eo amin’ny fanompoana ny hafa amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy. M. Russell BallardMamela ny fanahintsika hifehy ny vatantsikaNampianatra ny Filoha Ballard fa ny fananana fiainana araka ny fahamarinana dia ahitana ny fandresena ny olona araka ny nofo sy ny fanomezana laharam-pahamehana ny toetra ara-panahintsika. Peter M. JohnsonHery handresena ny fahavaloNampianatra ny Loholona Johnson fa afaka mandresy ny fitaka, ny fandrebirebena ary ny fahakiviana ataon’i Satana isika amin’ny alalan’ny vavaka, ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna ary ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Ulisses SoaresMitondra ny hazo fijaliantsikaManasa antsika ny Loholona Soares mba hitondra ny hazo fijaliantsika amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra tonga lafatry ny Mpamonjy sy amin’ny alalan’ny fanarahana ireo fampianarany sy didiny. Neil L. AndersenVoaMampianatra ny Loholona Andersen fa rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika ary mizaka amim-pahatokiana ny fanoherana, dia afaka ny ho azontsika ny voan’ilay hazon’ny fiainana (ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana). Russell M. NelsonLahateny famarananaMandrisika ny mpikambana mba ho masina kokoa ny Filoha Nelson mba hiomanana amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany manaraka ary mba handalina ny Bokin’i Môrmôna.