2010–2019
Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, ary ireo mpiandraikitra ambony ao amin’ny Fiangonana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2019


Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, ary ireo mpiandraikitra ambony ao amin’ny Fiangonana

Ry rahalahy sy ranabavy, aroso amintsika ny hanohanana an’i Russell Marion Nelson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; Dallin Harris Oaks amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Dallin H. Oaks ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary i M. Russell Ballard ho Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: M. Russell Ballard, Jeffrey R. Holland, Dieter F. Uchtdorf, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, Dale G. Renlund, Gerrit Walter Gong, ary Ulisses Soares.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia afaka maneho izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany koa.

Aroso amintsika ny hisaorana amim-pankasitrahana noho ny asa fanompoana feno fanolorantena nataony, ny Loholona isany Wilford W. Andersen, Kim B. Clark, Lawrence E. Corbridge, Claudio R. M. Costa, Bradley D. Foster, O. Vincent Haleck, Donald L. Hallstrom, Steven E. Snow, ary Larry Y. Wilson tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy ireo ary omena ny anarana maha-Manampahefana Ambony nahavita asa tamim-boninahitra izy ireo.

Ireo izay maniry ny hiaraka haneho fankasitrahana aminay ho an’ireo Rahalahy ireo sy ny fiankavian’izy ireo noho ny asa fanompoana miavaka izay nataon’izy ireo dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hisaorana an’ireto manaraka ireto tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondrom-paritra azy ireo: Julio C. Acosta, Blake R. Alder, Alain L. Allard, Omar A. Alvarez, Taiichi Aoba, Carlos F. Arredondo, Aley K. Auna Jr., Grant C. Bennett, Michael H. Bourne, Rómulo V. Cabrera, Wilson B. Calderón, Hernando Camargo, José C. F. Campos, Nicolás Castañeda, Walter Chatora, Zeno Chow, Robert J. Dudfield, J. Kevin Ence, Meliula M. Fata, K. Mark Frost, Claude R. Gamiette, Maurício G. Gonzaga, Leonard D. Greer, Jose L. Isaguirre, Tae Gul Jung, Sergio L. Krasnoselsky, Milan F. Kunz, Bryan R. Larsen, G. Kenneth Lee, Geraldo Lima, W. Jean-Pierre Lono, Khumbulani Mdletshe, Dale H. Munk, Norman R. Nemrow, Yutaka Onda, Wolfgang Pilz, Raimundo Pacheco De Pinho, Gennady N. Podvodov, Abraham E. Quero, Marco A. Rais, Steven K. Randall, Francisco J. Ruiz de Mendoza, Edwin A. Sexton, Raúl H. Spitale, C. Walter Treviño, ‘Aisake K. Tukuafu, Juan A. Urra, Raul S. Villanueva, ary Leonard Woo.

Ireo izay maniry hiara-haneho aminay ny fankasitrahana azy ireo noho ny asa fanompoana tena tsara natolotr’izy ireo dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’ireto manaraka ireto ho Fitopololahy vaovaon’ny Vondrom-paritra: Michel J. Carter, Alfred Kyungu, R. Pepper Murray, Ryan K. Olsen, ary Iotua Tune.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo Manampahefana Ambony, sy ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, ary ireo mpiandraikitra ambony ato amin’ny Fiangonana araka izay misy ankehitriny.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, aoka haneho izany koa.

Ireo izay nanohitra na iza na iza tamin’ireo anarana naroso teo dia tokony hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkany.

Ry rahalahy sy anabavy, misaotra anareo izahay noho ny finoana tsy miato anananareo sy ny vavaka tsy tapaka ataonareo ho an’ireo mpitariky ny Fiangonana.

Hamoaka printy