Scripture Stories
Jona mpaminany


“Jona mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2021)

“Jona mpaminany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Jona 1–4

Jona mpaminany

Mianatra matoky ny famindram-pon’ny Tompo

Sary
Jona malahelo

Mpaminany i Jona. Nilaza taminy ny Tompo mba hampitandrina ny vahoaka tao Ninive fa horavana ny tanànan’izy ireo raha tsy mibebaka izy ireo.

Jona 1:1–2

Sary
Jona miondrana an-tsambo

Saingy ny vahoaka tao Ninive dia fahavalon’ny Isiraelita. Tsy te hitory tamin’izy ireo i Jona. Koa niondrana an-tsambo izy handeha lavitra an’i Ninive.

Jona 1:3

Sary
sambo eo amin’ny ranomasina misamboaravoara

Raha mbola tao amin’ilay sambo i Jona dia nisy tafio-drivotra be tonga. Natahotra ireo lehilahy tao anatin’ilay sambo sao ho faty. Nangataka an’i Jona izy ireo mba hivavaka amin’ny Tompo hanavotra azy ireo.

Jona 1:4–6

Sary
Jona miresaka amin’ireo tantsambo

Efa fantatr’i Jona fa handefa tafio-drivotra ny Tompo satria nandositra ny zavatra nangatahin’ny Tompo mba hataony i Jona. Naniry ny hanavotra ireo olona tao amin’ilay sambo i Jona. Nilaza izy fa raha atsipin’izy ireo any an-dranomasina izy dia hijanona ilay tafiotra.

Jona 1:12

Sary
tantsambo manipy an’i Jona avy amin’ny sambo

Tsy te hanipy an’i Jona ireo lehilahy ireo. Niezaka nivoy ilay sambo ho eny amin’ny tanety izy ireo saingy mafy loatra ilay tafiotra. Farany dia natsipin’izy ireo tao an-dranomasina i Jona.

Jona 1:13–15

Sary
trondro vaventy mitelina an’i Jona

Nijanona ny tafio-drivotra. Natelin’ny trondro vaventy anefa i Jona avy eo.

Jona 1:15, 17

Sary
Jona eo amoron-dranomasina

Tao anaty kibon’ilay trondro i Jona nandritra ny telo andro sy telo alina. Nandritra izany fotoana izany dia nivavaka sy nibebaka i Jona. Naniry ny hanao izay mety izy ary nihaino ny Tompo. Henon’ny Tompo ny vavaka nataon’i Jona ary nasainy nitondra an’i Jona tamin’ny tany maina ny trondro.

Jona 1:17; 2:1–10

Sary
Jona mitory amin’ny vahoaka

Niteny an’i Jona indray ny Tompo mba hitory tamin’ny vahoaka tao Ninive. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nankatò i Jona. Nandeha tany Ninive izy ary nilaza ny vahoaka mba hibebaka raha tsy izany dia horavan’ny Tompo ny tanànan’izy ireo. Nibebaka ny mpanjaka sy ny vahoakany. Namela heloka azy ireo ny Tompo ka tsy nandrava an’i Ninive.

Jona 3

Sary
Jona tezitra

Diso fanantenana anefa i Jona satria tsy noringanina ny vahoaka. Tsy nieritreritra izy hoe mendrika ny havela heloka izy ireo.

Jona 4:1–2

Sary
Jona mijery hazo maina

Mba hampianarana lesona an’i Jona dia nampitombo hazo iray ny Tompo mba hanome aloka an’i Jona. Avy eo dia maty ilay hazo ka nalahelo i Jona noho izany.

Jona 4:5–9

Sary
Jona mampianatra vondron’olona

Nampianatra lesona iray momba ireo zanany tamin’i Jona ny Tompo. Nianatra i Jona fa tokony halahelo izy rehefa tsy mibebaka ny olona ary tokony ho faly izy rehefa manao izany izy ireo.

Jona 4:10–11

Hamoaka printy