Tantara ao amin’ny soratra masina
Debora mpaminany vavy


“Debora mpaminany vavy,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Debora mpaminany vavy,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Mpitsara 4–5

Debora mpaminany vavy

Mpitarika iray nanampy an’i Isiraely hatoky ny Tompo

Sary
Debora mpaminany vavy

Mpaminany vavy i Debora, izay mpitarika Isiraelita mahatoky nahazo fitaomam-panahy avy tamin’ny Tompo. Nitsahatra tamin’ny fitandremana ny didin’ny Tompo ny vahoakany ka dia nofehezin’ny Kananita izy ireo. Roapolo taona taty aoriana dia nanomboka nivavaka mba hahazo ny fanampian’ny Tompo ny Isiraelita.

Mpitsara 4:1–5

Sary
Debora mivavaka

Nahare ny vavak’izy ireo ny Tompo. Nasainy nanangona miaramila Isiraelita i Debora mba hiady tamin’ny Kananita.

Mpitsara 4:6

Sary
I Debora miresaka amin’ny miaramila

Nanana miaramila sy kalesy marobe ny Kananita. Nampatahotra ny tafika Isiraelita izany, kanefa tsy nampatahotra an’i Debora. Fantany fa hanampy azy ireo ny Tompo.

Mpitsara 4:3, 7

Sary
Baraka mangataka an’i Mohaba hanatona

I Baraka no kômandin’ny tafika Isiraelita. Tsy te hiady izy. Nieritreritra anefa izy fa raha mandeha miaraka amin’ilay tafika i Debora dia hiaro azy ireo ny Tompo. Nanaiky ny handeha i Debora. Naminany izy fa vehivavy no handresy an’i Sisera, izay kômandin’ny tafika Kananita.

Mpitsara 4:8–9

Sary
Debora miaraka amin’ny tafika eny an-tampon-tendrombohitra

Nivondrona teo ambonin’ny tendrombohitra iray ny tafika Isiraelita, ary nivondrona teo amin’ny lohasaha ny Kananita. Niteny an’i Baraka hidina ny tendrombohitra i Debora. Nampanantena izy fa hiaraka amin’izy ireo ny Tompo.

Mpitsara 4:12–14

Sary
kalesy entin’ny rano ao anaty oram-baratra

Nandefa orana ny Tompo ka dia nentin’ny rano ny kalesin’ny Kananita. Maro ireo Kananita maty an-drano, fa i Sisera kosa lasa nandositra.

Mpitsara 4:15, 17; 5:4–5, 19–22

Sary
I Jaela manasa an’i Sisera hiditra ao anaty trano lay

Nisy vehivavy iray nantsoina hoe Jaela nipetraka tao anaty trano lay teny akaiky teny. Nahita an’i Sisera nihazakazaka izy dia nasainy niafina tao amin’ny lainy i Sisera. Fantatr’i Jaela fa kômandin’ny miaramila Kananita izy ka dia novonoiny mba tsy hahafahany manao ratsy olona hafa intsony.

Mpitsara 4:15–21

Sary
Debora mitazana tanàna mandry fahalemana

Tanteraka ny faminanian’i Debora. Resin’ny vehivavy mahery fo iray i Sisera. Nikalo hira iray i Debora mba hanampiana ny Isiraelita hahatsiaro ny fomba nanavotan’ny Tompo azy ireo. Nitandrina ny didy ny Isiraelita dia niaina tao anatin’ny filaminana nandritra ny 40 taona.

Mpitsara 5:1, 24–27, 31

Hamoaka printy