Scripture Stories
Sadraka, Mesaka, ary Abednego


“Sadraka, Mesaka, ary Abednego,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Sadraka, Mesaka, ary Abednego,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Daniela 1; 3

Sadraka, Mesaka, ary Abednego

Fitsapam-pinoana mampidi-doza

Sary
Nebokadnezara mpanjaka sy ny sarivongana volamena

Nanamboatra sarivongana volamena goavana i Nebokadnezara mpanjaka ary nanery ny vahoakany mba hanompo izany. Raha tsy nanaiky izy ireo dia hatao ao anaty lafaoro misy afo.

Daniela 1:6–7; 3:1–6

Sary
Sadraka, Mesaka, ary Abednego

Tia an’ Andriamanitra i Sadraka, sy i Mesaka, ary i Abednego naman’i Daniela ary tsy hitsaoka ny andriamani-dison’ny mpanjaka izy ireo. Tezitra tamin’izy ireo ny mpanjaka.

Daniela 3:6–15

Sary
Sadraka, Mesaka, ary Abednego miresaka amin’ny mpanjaka

Niresaka tamin’ny mpanjaka ireo mpinamana telo ireo fa Andriamanitra irery ihany no hotompoiny. Nino izy ireo fa afaka hiaro azy Andriamanitra. Kanefa na dia tsy hanavotra azy ireo aza Izy, dia hijoro izy ireo amin’ny zavatra inoany.

Daniela 3:15–18

Sary
lehilahy telo sy anjely iray ao anaty afo

Tezitra mafy tamin’i Sadraka, sy i Mesaka, ary i Abednego ny mpanjaka. Nasainy natsipy tao anaty lafaoro misy afo izy ireo. Kanefa rehefa nijery tao amin’ilay lafaoro ny mpanjaka dia gaga izy nahita olona avy any an-danitra tao anatin’ilay afo niaraka tamin’ireo lehilahy telo ireo. Tsy main’ilay afo izy ireo.

Daniela 3:19–25

Sary
lehilahy telo no nivoaka avy ao anaty afo

Nantsoin’ny mpanjaka i Sadraka, sy i Mesaka, ary i Abednego dia nivoaka avy tao anaty lafaoro izy ireo. Tsy nampaharary azy ireo ny afo na nandoro ny fitafian’izy ireo akory aza.

Daniela 3:26–27

Sary
Sadraka, Mesaka, ary Abednego miresaka amin’ny mpanjaka

Nankatò ny didin’ Andriamanitra i Sadraka, sy i Mesaka, ary i Abednego na dia notandindomin-doza aza ny ain’izy ireo. Nanampy ny mpanjaka hino an’ Andriamanitra ny ohatra nasehon’izy ireo.

Daniela 3:28–29

Hamoaka printy