Tantara ao amin’ny soratra masina
Daniela sy ny nofin’ny mpanjaka


“Daniela sy ny nofin’ny mpanjaka,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Daniela sy ny nofin’ny mpanjaka,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Daniela 2

Daniela sy ny nofin’ny mpanjaka

Hafatra mahagaga nomen’ Andriamanitra ana mpanjaka iray

Sary
mpanjaka manonofy

Nanonofy ny mpanjakan’i Babylona ka nahatezitra azy. Nangataka an’ireo mpisorony sy ireo lehilahy hendriny izy mba hilaza aminy ny dikan’ny nofiny.

Daniela 2:1–3

Sary
mpanjaka mieritreritra

Tsy holazain’ny mpanjaka amin’izy ireo ilay nofy. Nilaza izy fa raha tena manana hery marina ireo mpisorona sy olon-kendry dia ho afaka milaza aminy ilay nofy izy ireo sy ny dikan’izany.

Daniela 2:4–9

Sary
mpanjaka mandroaka ireo olon-kendry

Nilaza tamin’ny mpanjaka ireo mpisorona sy olon-kendry fa tsy afaka manambara ny dikan’ny nofiny izy ireo raha tsy lazain’izy ireo aminy ilay nofy. Tsy misy olona afaka manao izany hoy izy ireo. Tezitra ny mpanjaka ka nilaza fa hovonoiny avokoa ny olon-kendry rehetra ao amin’ny fanjakana, anisan’izany i Daniela sy ireo namany.

Daniela 2:10–13

Sary
Daniela miresaka amin’ny miaramila

Rehefa tonga ny mpiambin’ny mpanjaka haka an’i Daniela sy ireo namany dia nangataka fotoana kely i Daniela mba hahafahany milaza amin’ny mpanjaka ny dikan’ny nofiny. Fantatr’i Daniela fa Andriamanitra dia mahafantatra sy mahita ny zavatra rehetra, hatramin’ny nofy. Nangataka ireo namany hiaraka hivavaka aminy i Daniela.

Daniela 2:14–18

Sary
Daniela mivavaka

Nasehon’ Andriamanitra an’i Daniela tao anatin’ny fahitana ny nofin’ny mpanjaka ary nampianariny azy ny dikan’izany. Nisaotra an’ Andriamanitra i Daniela noho ny namaliany ny vavaka nataony sy ireo namany sy noho ny fanavotana ny ain’izy ireo. Avy eo dia nandeha nilaza tamin’ny mpanjaka ny dikan’ilay nofy izy.

Daniela 2:19–25

Sary
Daniela miresaka amin’ny mpanjaka

Nolazain’i Daniela fa ny nofin’ilay mpanjaka dia momba ana sarivongana lehibe iray izay noravan’ny vato iray niendaka avy tamin’ny tendrombohitra iray. Ilay sarivongana dia naneho ny fanjakan’izao tontolo izao. Ilay vato niendaka avy tamin’ny tendrombohitra dia naneho ny fanjakan’ Andriamanitra izay hameno ny tany. Fantatry ny mpanjaka fa nilaza ny marina i Daniela

Daniela 2:26–49

Hamoaka printy