Scripture Stories
Davida sy Goliata


“Davida sy Goliata,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Davida sy Goliata,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

1 Samoela 17

Davida sy Goliata

Miatrika fanamby goavana

Sary
Goliata

Nanafika ny Isiraelita ny Filistina. Isa-maraina dia nisy Filistina goavana iray nantsoina hoe Goliata nanome fanamby ny Isiraelita izay hiady aminy. Ngeza sady lava mihoatra ny rehetra izy ary masiaka. Nanao akanjo fiarovana mahery izy ary nitondra sabatra sy lefona ary ampinga lehibe. Tsy nisy olona sahy niady taminy.

1 Samoela 17:1–11

Sary
miaramilan’Isiraely mihinana

I Davida dia ankizilahy tanora mpiandry ondry izay nanana finoana ny Tompo. Miaramila tao amin’ny tafik’Isiraely ireo zokiny lahy. Indray andro dia nitondra sakafo ho an’ireo rahalahiny i Davida. Rehefa tonga tao amin’ny tobin’ny miaramila izy dia naheno ny fanamby nataon’i Goliata.

1 Samoela 17:20–23

Sary
Davida miresaka amin’ny miaramila

Nanontanian’i Davida ireo miaramila hoe nahoana no tsy misy olona miaro an’Isiraely. Tezitra ireo rahalahiny ary nilaza taminy handeha hikarakara ireo ondry. Fantatr’i Davida anefa fa hiaro an’Isiraely ny Tompo.

1 Samoela 17:24–30

Sary
Davida miresaka amin’ny Saoly mpanjaka

Fantatr’i Saoly mpanjaka ny finoan’i Davida, koa nangataka ny hijery an’i Davida izy. Nilaza tamin’i Saoly i Davida fa tsy natahotra ny hiady amin’i Goliata izy. Nohazavain’i Davida fa indray mandeha izy raha niambina ny ondriny dia namono liona sy bera. Niaro azy ny Tompo tamin’izany, ary fantatr’i Davida fa mbola hiaro azy ny Tompo izao.

1 Samoela 17:31–37

Sary
Davida manandrana akanjo fiarovana

Nomen’i Saoly an’i Davida ny akanjo fiarovany. Saingy tsy omby izany ka nesorin’i Davida. Nanapa-kevitra ny hiady tsy manao akanjo fiarovana izy.

1 Samoela 17:38–39

Sary
Davida mihazona vato

Nanangona vato kilonjy dimy i Davida ary nataony anaty harona izany. Nentiny ny antsamotadiny sy ireo zavatra fampiasany miandry ondry dia lasa izy niatrika an’i Goliata.

1 Samoela 17:40

Sary
Davida miresaka amin’i Goliata

Rehefa nahita an’i Davida i Goliata dia nikiakiaka izy ary nihomehy azy. Nilaza izy fa tsy afaka ny handresy azy ny ankizilahy mpiandry ondry. Nikiakiaka i Davida namaly fa natoky ny Tompo izy hiaro azy! Nilaza i Davida fa ho resiny i Goliata mba hanehoana ny halehiben’ny Tompo.

1 Samoela 17:42–47

Sary
Davida miady amin’i Goliata

Nihazakazaka nanatona an’i Goliata i Davida. Nanipy vato haingana tamin’ny antsamotadiny izy. Nahavoa an’i Goliata teo amin’ny handriny ilay vato ary dia nikarapoka tamin’ny tany ilay lehilahy goavana. Nanampy an’i Davida handresy an’i Goliata ny Tompo, tsy nila sabatra na ankanjo fiarovana.

1 Samoela 17:48–50

Sary
vatan’i Davida sy i Goliata

Rehefa hitan’ireo filistina fa maty i Goliata dia natahotra izy ireo ka nitsoaka. Nandresy ilay ady ny Isiraelita. Natoky ny Tompo i Davida ary niaro an’Isiraely ny Tompo.

1 Samoela 17:51–53

Hamoaka printy