Tantara ao amin’ny soratra masina
Miteny amin’i Elia ny Tompo


“Miteny amin’i Elia ny Tompo,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Miteny amin’i Elia ny Tompo,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

1 Mpanjaka 19

Miteny amin’i Elia ny Tompo

Mihaino ny feon’ny Tompo

Sary
Ahaba miresaka amin’i Jezebela, afo tazana ery aoriana

Nilaza tamin’ny mpanjakavavy Jezebela i Ahaba fa resin’ny Tompo ny mpisoron’i Bala. Tezitra i Jezebela dia niteny hoe hovonoiny ny mpaminany Elia.

1 Mpanjaka 19:1–2

Sary
Elia mahita zohy

Mba hiarovany ny tenany dia niala tao amin’ny tanin’i Isiraely i Elia. Nandeha 40 andro sy 40 alina izy, nifady hanina nandritra ny diany. Dia tonga teo an-tendrombohitra Sinay izy ka nahita zohy hiafenana. Nasain’ny Tompo nankeny an-tampon’ilay tendrombohitra i Elia mba hahafahany niresaka tamin’i Elia.

1 Mpanjaka 19:3, 8–11

Sary
Elia mijery rivotra, horohoron-tany ary afo

Nisy rivotra mahery vaika tonga ka namotipotika ireo vato manodidina ilay zohy. Taorian’izay dia nisy horohoron-tany nampihovitrovitra ny tany. Dia nisy afo nirehitra avy eo. Ren’i Elia ny fitabataban’ny rivotra sy ny horohoron-tany ary ny afo. Saingy tsy tao anatin’ireo feo nitabataba mafy ireo ny feon’ny Tompo.

1 Mpanjaka 19:11–12

Sary
ny Tompo miresaka amin’i Elia

Avy eo dia nahare feo tony sy malefaka i Elia. Fantany fa ny Tompo izany. Nanontany an’i Elia ny Tompo hoe inona no nataony tao.

1 Mpanjaka 19:12–13

Sary
Elia miresaka amin’ny Tompo

Nilaza i Elia fa niafina izy mba hiarovany tena. Nisy namono daholo ny mpaminany rehetra, ary nandà ny Tompo ny olona.

1 Mpanjaka 19:14

Sary
Elia nahita an’i Elisa

Nampahery an’i Elia ny Tompo dia nilaza taminy fa nisy Isiraelita maro mbola nitsaoka ny Tompo. Nasain’ny Tompo niverina nody i Elia ary hanomana mpaminany hafa. Elisa no anaran’io mpaminany vaovao io.

1 Mpanjaka 19:15–18

Hamoaka printy