Tantara ao amin’ny soratra masina
Daniela sy ireo namany


“Daniela sy ireo namany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)

“Daniela sy ireo namany,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Daniela 1

Daniela sy ireo namany

Mandà tsy hihinana ny hanin’ny mpanjaka

Sary
ankizilahy entin’ny miaramila

Nambabo an’i Jerosalema ny fanjakan’i Babylona. Nalain’izy ireo ho lavitry ny fianakaviany tany Jerosalema ny zatovolahy maranin-tsaina sy matanjaka indrindra ka nentin’izy ireo niverina tany babylona mba hanompo ny Mpanjaka.

Daniela 1:1–4

Sary
zatovolahy ao amin’ny lapan’ny mpanjaka

Anisan’ireo zatovolahy ireo i Daniela sy ireo namany. Nofidiana hanompo tao amin’ny lapan’ny mpanjaka izy ireo ary lasa olon-kendry.

Daniela 1:4–6

Sary
hanina sy divay

Nomen’ny mpanjaka hanina sy divay i Daniela sy ireo namany. Saingy tsy nihinana ny hanin’ny mpanjaka na nisotro ny divay izy ireo. Nifanohitra tamin’ny didin’ Andriamanitra izany.

Daniela 1:5–8

Sary
zatovolahy mihinana

Lasa natahotra ny amin’ny ainy ny mpanompon’ny mpanjaka noho izany. Nikarakara an’i Daniela sy ireo namany izy, ary nieritreritra fa raha nandà ny hanin’ny mpanjaka izy ireo dia ho lasa kely kokoa noho ireo zatovolahy hafa. Dia ho tezitra ny mpanjaka ka hampamono ilay mpanompo.

Daniela 1:9–10

Sary
Daniela miresaka amin’ny mpanompo

Saingy natoky an’ Andriamanitra i Daniela ary naniry ny hankatò ny didiny. Nangataka an’ilay mpanompo i Daniela mba hanome azy ireo rano sy hanin-kotrana mandritra ny 10 andro ary avy eo hampitaha ny fahasalaman’izy ireo amin’ny fahasalaman’ireo zatovolahy hafa. Nanaiky ilay mpanompo.

Daniela 1:11–14

Sary
Daniela sy ireo namany mianatra

Afaka 10 andro dia salama kokoa mihoatra ireo zatovolahy hafa rehetra i Daniela sy ireo namany. Nanaraka ny didin’ Andriamanitra i Daniela sy ireo namany, ary nataon’ Andriamanitra ho lehilahy hendry indrindra tao an-dapan’ny mpanjaka izy ireo.

Daniela 1:15–20

Hamoaka printy