Testamenta Taloha 2022
7–13 nôvambra. Hosea 1–6; 10–14; Joela: “Ho tia azy tsy vozonana Aho”


“ 7–13 nôvambra. Hosea 1–6; 10–14; Joela: -Ho tia azy tsy vozonana Aho,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana 2022 (2021)

“ 7–13 nôvambra. Hosea 1–6; 10–14; Joela,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
mpivady vao eo an-tokotanin’ny tempoly

7–13 nôvambra

Hosea 1–6; 10–14; Joela

“Ho tia azy tsy vozonana Aho”

Asao ny Fanahy mba hiaraka aminao ao anatin’ny fandalinanao ny Hosea sy ny Joela. Raiso an-tsoratra ireo hafatra izay hitarihan’ny Fanahy ny fonao sy ny sainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Natao ho tena lalim-paka sy tena manan-danja ny fanekempihavanana nataon’ny Tompo tamin’i Isiraely ka nampitahain’ny Tompo tamin’ny fanambadiana izany. Tahaka ny fanambadiana, ilay fanekempihavanana dia nahitana fanoloran-tena mandrakizay, fifampizarana traikefa, fiarahana manorina fiainana, fahitsim-po aman-tsaina tanteraka ary ny faratampony indrindra dia fitiavana avy amin’ny fo. Izany karazana fahafoizan-tena izany dia niaraka tamin’ny zavatra takina ambony dia ambony, ary vokany tena ratsy raha mivadi-pitokisana. Nofaritan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany Hosea ny vokany sasantsasany nianjady tamin’ireo Isiraelita noho ny tsy fanajana ny fanekempihavanan’izy ireo. Kanefa ny hafany dia tsy hoe: “Holaviko ianareo noho ny tsy fahatokianareo.” Fa hoe: “Hasaiko ianareo hiverina” (jereo ny Hosea 2:14–15) kosa. “Hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana hianao,” hoy ny nambaran’ny Tompo (Hosea 2:22). “Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho” (Hosea 14:5). Izany ihany no hafatra omeny antsika amin’izao fotoana izao eo am-pikatsahantsika ny hanaja ireo fanekempihavanantsika amim-pitiavana sy amim-panolorantena.

Nizara hafatra mitovy amin’izany i Joela: “Miverena amin’i [Tompo] Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy. Mahari-po sady be famindrampo” (Joela 2:13). “[Ny Tompo dia ho fanantenan’ny olona ary ho hery ho an’ny zanak’i Isiraely]” (Joela 3:16). Rehefa mamaky ny Hosea sy ny Joela ianao dia saintsaino ny fifandraisanao amin’ny Tompo. Eritrereto ny fomba hanosehan’ilay fahatokiany anao mba ho lasa mahatoky Aminy koa.

Mba hanaovana topimaso ny bokin’i Hosea sy i Joela, dia jereo ny “Hosea” sy ny “Joela” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Hosea 1–3; 14

Manasa ahy lalandava hiverina Aminy ny Tompo.

Nivadi-pitokisana tamin’i Hosea i Gomera vadiny ary nasongadin’ Andriamanitra izany zava-nitranga nampalahelo izany mba hampianarana ireo Isiraelita ny zavatra tsapany momba azy ireo sy momba ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo Taminy. Rehefa mamaky ny Hosea 1–3 ianao dia saintsaino ny fomba fijerin’ny Tompo ny fifandraisany amin’ny olon’ny fanekempihavanany. Mety hisaintsaina ireo fomba nahatonga anao, tahaka ireo Isiraelita, ho nivadi-pitokisana tamin’ny Tompo sy ny fomba nanolorany tanana anao ianao. Ohatra, inona no zavatra ampianarin’ny Hosea 2:14–23 sy ny Hosea 14 anao momba ny fitiavan’ny Tompo sy ny famindrampony? Ahoana no fomba fampisehoanao Azy ny fitiavanao sy ny fahitsim-po aman-tsainao?

Sary
vehivavy iray mipetraka amin’ny tany miaraka amin’ny lehilahy iray mametraka ny tanany eo amin’ny loha

I Gomera mpanota, izay anehoana an’i Isiraely, dia nahazo fanavotana tamin’ny alalan’ny Tompo. Sary fanehoana nataon’i Deb Minnard, nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

Hosea 6:4–7; Joela 2:12–13

Ny fanolorantena ho an’ Andriamanitra dia tsy maintsy tsapa any anaty fa tsy aseho eny ivelany fotsiny.

Nodidin’ny Tompo ny olony mba hanolotra biby hatao fanatitra. Na dia nankatò izany lalàna izany aza ny olona tamin’ny andron’i Hosea, dia tsy nankatò didy izay manan-danja kokoa izy ireo (jereo ny Hosea 6:4–7). Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “ny famindrampo no sitraky ny [Tompo] fa tsy fanatitra alatsa-dra, ary ny fahalalana an’ Andriamanitra noho ny fanatitra dorana”? (Hosea 6:6). Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe toy ny rahona na ny ando ny fahamarinana? Tokony ho marina tahaka ny ahoana isika ? (jereo ny Isaia 48:18; 1 Nefia 2:9–10).

Azonao atao koa ny mamaky ny Matio 9:10–13; 12:1–8 mba hahitana ny fomba nampiasan’ny Mpamonjy ny Hosea 6:6 nandritra ny asa fitoriany. Manampy anao mba hahatakatra ny tenin’i Hosea amin’ny fomba ahoana ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Rehefa mamaky ny Joela 2:12–13, dia mety manampy ny mahafantatra fa ny fanatriarana na fandrovitana ny akanjon’ny tena dia marika nentim-paharazana ety ivelany hanehoana ny fitomaniana sy ny nenina (jereo mba hahitana ohatra ny 2 Tantara 34:14–21,27). Inona no tsy mampitovy ny fanatriarana ny fo sy ny fanatriarana ny fitafiana?

Jereo koa ny Isaia 1:11–17; Matio 23:23; 1 Jaona 3:17–18.

Joela 2

“Handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho.”

Rehefa naminany “ny andron’ny Tompo” i Joela, dia nofaritany ho toy ny “maizina sy manjombona ,” ary “lehibe sy matahotra indrindra” izany (Joela 2:1–2,11). Niatrika andro maro lehibe sy mahatahotra indrindra i Isiraely nandritra ny tantarany ary hiatrika zavatra bebe kokoa toy izany ny vahoakan’ny fanekempihavan’ Andriamanitra amin’ny ho avy. Inona no manaitra anao mikasika ny torohevitra nomen’ny Tompo ao amin’ny Joela 2:12–17? Jereo koa ireo fitahiana nampanantenainy ao amin’ny Joela 2:18–27, 3:1–5. Nahoana ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ny Joela 3:1–5 no mety ho tena manan-danja amin’ireo andro voafaritra ao amin’ny Joela 2, ka tafiditra ao anatin’izany izao androntsika izao?

Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe ny Tompo dia “handatsaka ny fanahi[ny] amin’ny nofo rehetra”? (Joela 3:1). Manao ahoana ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Joela 3:1–2 ? (Jereo ny Asan’ny Apostoly 2:1–21; Joseph Smith—Tantara 1:41.)

Afaka misaintsaina izao teny avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson izao ianao: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy ho azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96). Nahoana ny fanambarana no tena manan-danja ho an’ny fahaveloman’ny fanahintsika? Ahoana no ahafahantsika mampitombo ny fahafahantsika mandray fanambarana ho an’ny tena manokana?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Hosea 2:19–20.Ny Tompo dia nampiasa ny fanoharana momba ny fanambadiana mba hamaritana ny fifandraisany ara-panekempihavanana amin’i Isiraely (jereo koa ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ny, “Vady,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Azon’ny fianakavianao ifanakalozana hevitra ny antony mahatonga ny fanambadiana ho fanoharana tsara ho an’ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra. Nahoana no manampy antsika hahatakatra ny zavatra tsapan’ Andriamanitra momba antsika ny Hosea 2:19–20? Ahoana no ahafahantsika ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana nataontsika Taminy?

Hosea 10:12.Mety ho tian’ny ankizy ny manao sarina famantaranandro sy mandrafitra fomba ahafahan’izy ireo mikatsaka ny Tompo isaky ny ora tsirairay mifanesy mandritra ny andro iray.

Joela 2:12–13.Mba hanampiana ny fianakavianao hiresaka mikasika ny Joela 2:12–13, dia afaka mametraka sary iray eny amin’ny faritra irain’ny efitrano ianao, ary ny teny hoe fahotana eny amin’ny faritra mifanatrika amin’izany ao amin’ny efitrano. Asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hifandimby hanatrika ilay teny voasoratra ary avy eo hitodika any amin’ny Mpamonjy eo am-pizaran’izy ireo zavatra izay afaka manampy antsika hitodika any Aminy “amin’ny fon[tsika] manontolo.” Ampio ny olona ao amin’ny fianakaviana hieritreritra mikasika ireo lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ireo zavatra iarahana manao, asa fivelomana, fianarana any an-tsekoly ary ireo fifandraisana.

Joela 2:28–29.Mety hidika inona izany hoe ny Fanahy halatsaka amintsika izany? Angamba afaka mampiseho izany amin’ny alalan’ny fandrarahana rano mitosaka ianao ary avy eo ampitahaina amin’ny rano atao mitete kely na mitsitaitaika.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Venez à Jésus! Il vous appelle,” Cantiques, no.62.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampianaro ny fotopampianarana. “Aza mamela velively amin’izao ny fahafahana iray hanangonana miaraka ny zanaka mba hianatra ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Ny fotoana toy izany dia mahalana raha oharina amin’ny ezaka ataon’ilay fahavalo” (Henry B. Eyring, “The Power of Teaching Doctrine,” Ensign, May 1999,74).

Sary
I Jesoa mijoro eo an-tokonam-baravarana

Come unto Me (Mankanesa aty Amiko), nataon’i Kelly Pugh

Hamoaka printy