Testamenta Taloha 2022
7–13 nôvambra. Hosea 1–6; 10–14; Joela: “Ho tia azy tsy vozonana Aho”


“7–13 nôvambra. Hosea 1–6; 10–14; Joela: -Ho tia azy tsy vozonana Aho,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“7–13 nôvambra. Hosea 1–6; 10–14; Joela,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
mpivady vao eo an-tokontanin’ny tempoly

7–13 nôvambra

Hosea 1–6; 10–14; Joela

“Ho tia azy tsy vozonana Aho”

Eo am-pandalinanao ny soratra masina sy eo am-piomananao hampianatra dia katsaho ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Taomin’ny fanahy hifantoka amin’ny inona ianao mandritra ny kilasy amin’ity herinandro ity?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Manehoa sarin’ny Mpamonjy, dia asao ny ankizy hizara zavatra izay fantany na nianarany momba Azy tamin’ity herinandro ity. Avelao izy ireo hifandimby hihazona ilay sary eo am-pizaran’izy ireo izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Hosea 10:12

Afaka mikatsaka ny Tompo aho.

Ny Hosea 10:12 dia mampiasa ny famafazana, ny fijinjana, ny fotoana, ary ny rotsak’orana ho sariohatra entina hanasana antsika mba hikatsaka ny Tompo Eo am-pamakianao io andininy io dia inona no zavatra foronina tonga ao an-tsainao mba hitaomana ny ankizy hikatsaka Azy?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Hosea 10:12 dia asao izy ireo hanao fihetsika tsotra mba hanampiana azy ireo hahatakatra io andininy io, tahaka ny mody manao hoe mamafy voa, na maka legioma amin’ny hazony, na mijoro ao anatin’ny rotsak’orana. Na manehoa sarina voa sy zava-maniry ary rotsak’orana. Ampio ireo ankizy hampitaha ny famafazana voa sy ny fijinjana sakafo tsara amin’ny fiainana amim-pahamarinana sy ny fandraisana ireo fitahiana avy amin’ny Tompo. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana narotsaky ny Tompo teo aminao rehefa niezaka nikatsaka Azy ianao.

  • Manaova sarina famataranandro eny amin’ny solaitrabe dia angataho ireo ankizy hizara fomba ahafahantsika mikatsaka ny Tompo amin’ny fotoana samihafa ao anatin’ny andro. Asao ireo ankizy hiaraka hamerina aminao ny andian-teny hoe “Izao no andro hitadiavana an’ i Jehovah” (Hosea 10:12). Ampio izy ireo hahatakatra fa fotoana foana izao hikatsahana ny Tompo. Zarao ny zavatra ataonao mba hahatsiarovana Azy amin’ny fotoana rehetra.

Sary
i Jesoa mipetraka miaraka amin’ny ankizy

I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.

Hosea 13:4,14

Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

Rehefa mampianatra momba ny Mpamonjy ianao dia mizarà fijoroana ho vavolombelona momba ny fitiavany ho an’ny zanany rehetra.

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa sarina olona maromaro, tafiditra amin’izany i Jesoa, dia angataho ireo ankizy hitady hoe iza amin’ireo olona ireo no Mpamonjintsika. Vakio ny Hosea 13:4, dia hamafiso fa tsy misy Mpamonjy afa-tsy i Jesoa Kristy. Mijoroa ho vavolombelona fa noho ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka miverina miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra indray isika.

  • Asaivo mifandimby mihazona sarin’i Jesoa eo amin’ny hazofijaliana na ao am-pasana sy sarin’i Jesoa eo ivelan’ny fasana ireo ankizy. Asao ireo ankizy hiresaka momba ny zavatra asehon’ny sary. Vakio ao amin’ny Hosea 13:14 ny hoe “Havotako tsy ho azon’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko ho afaka amin’ ny fahafatesana Izy.” Mijoroa ho vavolombelona fa namonjy antsika amin’ny fahafatesana i Jesoa Kristy ary afaka ny hitsangana amin’ny maty isika. Miaraha mihira hira iray momba ny fitsanganana amin’ny maty, toy ny “Moa ve Jesoa nitsangana?” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45). Ampio ireo ankizy hahafantatra ny Fanahy eo am-pihiran’izy ireo.

Joela 3:1

Afaka mitarika ahy ny Fanahy Masina.

Rehefa mampianatra momba ny faminanian’i Joela ao amin’ny Joela 3:1 ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ireo ankizy hiomana handray ny fanomezana ny Fanahy Masina aorian’ny batisany.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Joela 3:1 ary hazavao fa ny teny hoe “ny nofo rehetra” dia midika hoe ny olona rehetra, tafiditra amin’izany ny zanakalahy sy ny zanakavavy tahaka azy ireo. Asao ireo ankizy hanao ny sarin’ireo olona voaresaka ao amin’io andininy io (zanakalahy sy zanakavavy, lahiantitra, zatovo), ka tafiditra ao anatin’izany izy ireo. Hazavao fa fomba iray handrotsahan’ny Ray any An-danitra ny Fanahiny ny fanomezana antsika ny fanomezana ny Fanahy Masina rehefa atao batisa isika.

  • Asao ireo ankizy hizara ny zavatra fantany momba ny Fanahy Masina. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny Fanahy Masina dia afaka mampianatra antsika momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary afaka manampy antsika hahafantatra ny marina (jereo ny Jaona 14:26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:17). Mizarà zavatra niainana izay manampy ireo ankizy hahatakatra ireo fomba hanampian’ny Fanahy antsika.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Hosea 2:19–20

Afaka mitandrina am-pinoana ireo fanekempihavanana nataoko aho.

Ao amin’ny bokin’ny Hosea ny Tompo dia mampitaha ireo fanekempihavanana nataony tamin’i Isiraely amin’ny fanambadiana. Na dia teo aza ny tsy fahatokian’ireo Isiraelita, dia mbola tiany izy ireo ary tiany hiverina. Io fampitahana io dia afaka manampy anao hampianatra ireo ankizy momba ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ireo ankizy fa ao amin’ny bokin’ny Hosea ny Tompo dia mampitaha ireo fanekempihavanana nataony tamin’i Israely amin’ny fanambadiana. Manehoa sarina mpanambady amin’ireo ankizy. Amin’ny fomba ahoana no tian’ny Ray any An-danitra hifampitondran’ny mpivady? Amin’ny fomba ahoana no hanehoantsika amin’ny Tompo fa tiantsika Izy ary ho mahatoky Aminy isika?

  • Ampio ireo ankizy hahatakatra fa ny fanekempihavanana ataontsika amin’ny Tompo dia natao haharitra mandrakizay. Manasà ankizy anankiray hamaky ny Hosea 2:19–20, ka hitady ireo teny izay manoritsoritra ny fahatsapan’ny Tompo mahakasika ireo fanekempihavanana amintsika. Inona no fanekempihavanana ataontsika rehefa atao batisa isika? Amin’ny fomba ahoana no hitandremantsika io fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo io?

Hosea 13:4,14

I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra ahy.

Ahoana no hampiasanao ny tenin’i Hosea mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo ankizy momba ny Mpamonjy sy Mpanavotra azy ireo? Rehefa mampianatra ianao dia ampio ireo ankizy hahatsapa ny fifaliana sy ny fitiavana ao amin’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamaky ny Hosea 13:4, 14, ary hitady ireo teny na andian-teny izay mamariparitra an’i Jesoa Kristy. Inona no ampianarin’ireo tandindona ireo antsika momba Azy? Asao ireo ankizy hampiasa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina mba hitadiavana sy hizarana andin-tsoratra masina hafa izay mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy Mpanavotra. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy, ary omeo fahafahana ny ankizy hanao torak’izany koa.

Joela 3:1–2

Afaka mitarika ahy ny Fanahy Masina.

Maro amin’ireo ankizy ampianarinao no mety efa vita batisa ary nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ahoana no hampiasanao ireo andinin-tsoratra masina ireo hanampiana ny ankizy hahatakatra ny hery sy ny fitahiana avy amin’ny fihainoana ny feon’ny Fanahy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hiaraka hamaky ny Joela 3:1–2, ka hampiditra ny anarany eo amin’ny toeran’ny hoe “zanakalahinareo” sy zanakavavinareo.” Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fehezan-teny toy ny hoe Ny fahany Masina dia afaka… ary asao ireo ankizy hifandimby hameno ilay fehezan-teny. Amporisiho izy ireo hampiditra zavatra nianarany avy tao amin’ny Jaona 14:16; Môrônia 10:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:17, ary andinin-tsoratra masina hafa.

  • Mametraha zavatra ao anaty lovia iray, dia avelao ireo ankizy hifandimby handrotsaka rano ao. Hazavao fa ilay zavatra dia maneho antsika, ary ny rano dia maneho ny Fanahy Masina. Rehefa atao batisa isika dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina, izay fomba iray hanatanterahan’ny Tompo ny fampanantenany “handatsaka ny fanahi[ny].” Inona no tsy maintsy ataontsika mba handraisana ny Fanahy Masina? Asao ireo ankizy hizara fotoana izay nahatsapany ny fitaoman’ny Fanahy.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ireo ankizy hamantatra zavatra izay nianarany momba ny Ray any An-danitra, na i Jesoa Kristy, na ny Fanahy Masina tao an-dakilasy. Amporisiho izy ireo hizara izany amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mikatsaha fanambarana isan’andro. Rehefa miomana hampianatra ianao dia mivavaha ary saintsaino ny soratra masina mandritra ny herinandro. Mety ho tonga aminao amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra ny hevitra na fahatsapana momba ny fomba hampianarana. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 12.)

Hamoaka printy