Testamenta Taloha 2022
14–20 nôvambra. Amosa; Obadia: “Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona ianareo”


“14–20 nôvambra. Amosa; Obadia: “-Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona ianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“14–20 nôvambra. Amosa; Obadia,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Tarehin’i Jesoa tarafin’ny labozia ao amin’ny efitrano maizina

Bread of Life (Mofon’aina), nataon’i Chris Young

14–20 nôvambra

Amosa; Obadia

“Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona ianareo”

Afaka manokatra ny sainao sy ny fonao amin’ireo hafatra ao amin’ny tenin’ Andriamanitra izay natao ho anao manokana ny Fanahy Masina. Inona no tsapanao fa tian’ny Tompo hianaranao amin’ity herinandro ity?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nosafidian’ Andriamanitra ny taranak’i Abrahama mba ho vahoakan’ny fanekempihavanany mba ho “fitahiana” ho an’ny firenena rehetra izy ireo (jereo ny Genesisy 12:2–3). Saingy tsy izany no zavatra nitranga, rehefa tonga ny fotoana nanompoan’i Amosa dia maro tamin’ireo vahoakan’ny fanekempihavanana no nangeja ny mahantra sy nanao tsinontsinona ireo mpaminany, hany ka nahatonga ny fitsaohan’izy ireo ho poakaty sy tsy nisy dikany (jereo ny Amosa 2:6–16). Marina fa ireo firenena nanodidina azy ireo ihany koa dia nanao fahotana goavana (jereo ny Amosa 1; 2:1–5), saingy tsy fialan-tsiny mihitsy ho an’ny vahoakan’ Andriamanitra izany (jereo ny Amosa 3:2). Noho izany dia nandefa mpiandry ondry avy tany Joda izay nantsoina hoe Amosa mba hitory fibebahana ao amin’ny fanjakan’i Isiraely Andriamanitra. Taty aoriana dia nanambara tamin’ny alalan’ny mpaminany Obadia Andriamanitra fa na dia efa nopotehina aza ny fanjakan’i Joda, ny Tompo dia hanangona sy hitahy ny vahoakany indray. Efa nanalavitra ny Tompo ny vahoakan’ny fanekempihavanana, araka ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo mpaminany roa, saingy tsy horoahina mandrakizay izy ireo. Rehefa manambara ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony Andriamanitra (jereo ny Amosa 3:7), dia azontsika raisina ho famantarana izany fa Izy dia mbola te hanampy antsika hanaja ireo fanekempihavanana izay nifanaovantsika Taminy.

Mba hahafantarana kokoa momba ny bokin’i Amosa sy i Obadia dia jereo ny “Amosa” sy “Obadia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Amosa 3:1–8; 7:10–15

Manambara fahamarinana amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo.

Ao amin’ny Amosa 3:3–6, ny mpaminany Amosa dia nanolotra ohatra maromaro momba ny fifandraisan-javatra: mierona ny liona satria mahita toha; voan’ny fandrika ny vorona satria misy tadivavarana. (Mariho tsara fa ao amin’ny Dikantenin’ i Joseph Smith ny andininy 6, ny teny hoe “nahatonga” dia novaina ho “nahafantatra” .[].) Ao amin’ny andininy 7–8, dia nampiharin’i Amosa amin’ny mpaminany izany lojika izany. Inona no mahatonga ny mpaminany haminany? Inona ihany koa no ianaranao momba ny mpaminany rehefa mamaky ny Amosa 7:10–15 ianao? Saintsaino hoe nahoana ianao no feno fankasitrahana fa ny Tompo dia mbola “milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony” (Amosa 3:7). Inona no ambaran’io fahamarinana io aminao momba an’ Andriamanitra?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; 21:4–8; 35:13–14.

Amosa 4–5

“Mitadiava an’i Jehovah, dia ho velona ianareo.”

Eo am-pamakianao ny Amosa 4:6–13, dia diniho tsara ny fitsarana izay nalefan’ny Tompo tamin’ny vahoakan’i Isiraely. Inona no ambaran’ireo andininy ireo momba izay nirin’ny Tompo mba hitranga aorian’ireo zavatra niainana tsirairay ireo? (jereo ihany koa ny Helamàna 12:3). Mieritrereta momba ana fitsapana vao haingana niainanao. Na dia tsy Andriamanitra aza no nandefa ny fitsapana niainanao dia saintsaino ny mety hanomezan’izany anao fahafahana azo araraotina mba hikatsahana Azy.

Vakio ny Amosa 5:4, 14–15, ary saintsaino ny naha-“feno famindrampo” ny Tompo (andininy 15) taminao rehefa nikatsaka Azy ianao na dia nandritra ny fotoana feno fitsapana izay nolalovanao aza.

Jereo ihany koa ny Donald L. Halllstrom, “Tournez-vous vers le Seigneur,” Liahona, Mai 2010, 78–80.

Amosa 8:11–12

Ny tenin’ny Tompo dia afaka hanome fahafaham-po ny hanoanana sy hetaheta ara-panahy.

Isika rehetra dia samy miatrika hanoanana sy hetaheta ara-panahy avokoa, saingy tsy ilaintsika ny “hivembena hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina” (Amosa 8:12) hitady zavatra hanome fahafaham-po antsika. Fantatsika ny zavatra izay hanome fahafaham-po an’izany hanoanana ara-panahy izany, ary isika dia efa nomena ny tenin’ny Tompo betsaka tokoa. Eo am-pamakianao ny Amosa 8:11–12, dia eritrereto ny antony maha-azo ampitahana tsara ny mosary amin’ny fiainana tsy miaraka amin’ny tenin’ Andriamanitra. Inona no hevi-baovao fanampiny izay hitanao ao amin’ny Matio 5:6; Jaona 6:26–35; 2 Nefia 9:50–51; 32:3; Enôsa 1:4–8?

Sary
andian-jatovo mijoro eo anoloan’ny tempoly

Afaka ny ho lasa mpamonjy ao an-tendrombohitra Ziona isika amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.

Obadia 1:21

Iza ireo “mpamonjy … ao an-tendrombohitra Ziona”?

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanome ny mety ho dikan’ilay andian-teny hoe “mpamonjy ao an-tendrombohitra Ziona,” amin’ny fampifandraisana ilay andian-teny amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa momba ny tantaram-pianakaviana: “Lasa mpamonjy ao an-tendrombohitra Ziona ara-bakiteny isika [ao amin’ny tempoly]. Inona no dikan’izany? Tahaka ny nanomezan’ny Mpanavotra antsika ny ainy mba ho sorona isoloana tena ho an’ny olona rehetra, ary lasa Mpamonjy antsika tamin’ny fanaovana izany, dia isika koa, amin’ny fomba kelikely kokoa, rehefa manao asa isoloan-tena any amin’ny tempoly, dia lasa mpamonjy ireo any ankoatra izay tsy manana fahafahana handroso raha tsy misy zavatra ataon’ireo ety an-tany ho azy ireo” (“Closing Remarks,” Liahona, nôv. 2004,105).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Amosa 3:7Mety hamerina hijery hafatra maromaro vao haingana avy amin’ny Filohan’ny Fiangonana sy hifanakalo hevitra momba ny zavatra izay ambaran’ny Tompo amin’ny fianakavianao amin’ny alalany ianao. Nahoana no zava-dehibe ny manana mpaminany mitarika ny Fiangonana? Ahoana no nahatonga antsika lasa nahafantatra fa mpaminany marina izy? Inona no efa ataontsika mba hanarahana ny toroheviny?

Amosa 5:4.Mety hanamboatra peta-drindrina ahitana io andinin-tsoratra masina io mba hahantona ao an-tranonareo ny fianakavianao. Inona no dikan’ny hoe mitady ny Tompo? Ahoana no fomba hikatsahantsika Azy? Inona avy ireo fitahiana azontsika rehefa manao izany isika? Azonao atao ny manasa ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana hizara sy hifanakalo hevitra momba ana andian-tsoratra masina izay mampianatra momba ny fikatsahana ny Tompo, toy ny Matio 7:7–8; Etera 12:41; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:63.

Amosa 8:11–12.Mety ho tian’ny ankizy madinika ny hanao fihetsika mifanaraka amin’ireo fehezan-teny ao amin’ireo andininy ireo. Inona no ataontsika rehefa noana sy mangetaheta ny vatantsika? Inona no ataontsika rehefa noana sy mangetaheta ny fanahintsika? Amin’ny fomba ahoana no hanomezan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara fahafaham-po ny hanoanantsika ara-panahy?

Obadia 1:21.Inona no mety ho dikan’izany hoe “mpamonjy … ao an-tendrombohitra Ziona” izany? (Raha hijery fanazavana iray momba ny mety ho dikan’izany dia jereo ny teny nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny “Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina.) Iza amin’ireo razambentsika no mila ôrdônansin’ny famonjena? Inona no hataontsika mba hanampiana azy ireo?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Misaotra Anao noho ny mpaminany,” Fihirana sy hiran’ny Ankizy, pejy 72.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mampiasà hira mba hanasana ny Fanahy ary hianarana fotopampianarana. Afaka manampy anao hianatra fitsipiky ny filazantsara ny fihainoana na famakiana hira ao amin’ny fihirana. Ohatra, afaka mihaino na mamaky ny “Misaotra Anao noho ny mpaminany” (Fihirana sy hiran’ny Ankizy, pejy 72) ianao mba hanananao finoana kokoa ny mpaminany velona. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22.)

Sary
Tempolin’i Saint Domingue, République Dominicaine

Tempolin’i Saint Domingue, République Dominicaine

Hamoaka printy