Testamenta Taloha 2022
11 desambra. Ataoko lohalaharana eo amin’ny fiainako ve ny zavatr’ Andriamanitra? Hagay; Zakaria 1–3; 7–14


“11 desambra. Ataoko lohalaharana eo amin’ny fiainako ve ny zavatr’ Andriamanitra? Hagay; Zakaria 1–3; 7–14,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022 (2021)

“11 desambra. Ataoko lohalaharana eo amin’ny fiainako ve ny zavatr’ Andriamanitra?” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny kilasin’ny Zatovovavy: Lohahevitra ara-potopampianarana 2022

Sary
fianakaviana eo ivelan’ny tempoly

11 desambra

Ataoko lohalaharana eo amin’ny fiainako ve ny zavatr’ Andriamanitra?

Hagay; Zakaria 1–3; 7–14

Sary
sary famantarana ny miaraha mifanakalo hevitra

Miaraha mifanakalo hevitra

Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy na kilasy; 10–20 minitra

Avereno miaraka any amin’ny fiantombohan’ny fivoriana ny Fanevan’ny Zatovovavy na ny Fanevan’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Avy eo dia mitariha fifanakalozan-kevitra momba ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny alalan’ny fampiasana ny iray na ny maromaro amin’ireo fanontaniana etsy ambany na fanontaniana nomaninao manokana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 10.2, 11.2, ChurchofJesusChrist.org). Manomàna fomba hanaovana ireo zavatra izay ifanakalozanareo hevitra.

  • Fiainana ny filazantsara. Inona no noresahin’ny episkôpà tamin’ny fivorian’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy misy antsika? Inona no asa azontsika atao mifototra amin’izany fifanakalozan-kevitra izany?

  • Fikarakarana ireo sahirana. Ahoana no ahafahantsika manolo-tanana amin’ny olona araka ny fomban’i Kristy rehefa mahita olona mila fanampiana isika nefa tsy mahita holazaina?

  • Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara. Inona no zavatra hitantsika tao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka mitondra fifaliana ho antsika? Ahoana no ahafahantsika mizara izany fifaliana izany amin’ny hafa?

  • Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay. Inona no ataontsika mba hahitana ny anaran’ireo razambentsika izay mila ôrdônansin’ny tempoly? Inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa hahita ny anaran’ny razambeny?

Any amin’ny fiafaran’ny lesona dia ataovy araka izay mety izao manaraka izao:

  • Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika nampianarina.

  • Ampahatsiahivo an’ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na ny kôlejy ireo drafitra sy fanasana izay natao nandritra ny fivoriana.

Sary
teach the doctrine icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Tarihin’ny olon-dehibe mpitarika iray na zatovo iray; 25–35 minitra

Manomàna tena ara-panahy

Feno zavatra manan-danja tokony hatao ny fiainana. Raha tsy mitandrina isika dia mety hahatonga antsika hanadino ny tanjon’ny fiainana ny habetsahan’ny zavatra atao eo amin’ny fiainana. Fantatsika fa ny Mpamonjy sy ny filazantsarany no tokony ho lohalaharana indrindra amintsika, saingy afaka mampiala mora foana ny fifantohantsika ny zavatra hafa. Izany angamba no antony anoroan’ny soratra masina hevitra antsika hoe “hevero ny làlanareo” (Ohabolana 4:26), “hevero ny làlanareo” (Hagay 1:5), sy ny hoe “diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia” (2 Korintiana 13:5).

Ny Isiraelita velona tamin’ny andron’i Hagay mpaminany dia nila izany karazana fanasana izany. Tamin’ny ezaka nisy vokany nataon’izy ireo hanarenana an’i Jerosalema dia nahemotr’izy ireo ny fanorenana indray ny tranon’ny Tompo. Hevero ny fomba ahafahan’ny fampitandreman’ny Tompo ao amin’ny Hagay 1 mihatra amintsika ankehitriny. Ahoana no hanentananao ireo izay ampianarinao hanombatombana ny fanoloran-tenany hametraka ny zavatr’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainany? Azonao dinihina ny hafatry ny Loholona Dale G. Renlund hoe “Fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy” (Liahona, nôv. 2019, 22–25) na ny fampianaran’ny Filoha Ezra Taft Benson ao amin’ny “Le grand commandement: aimer le Seigneur” (ao amin’ny Enseignements des présidents de l’Église: Ezra Taft Benson [2014], 41–50).

Sary
kilasin’ny zatovovavy

Azontsika atao laharam-pahamehana manan-danja indrindra ny zavatr’ Andriamanitra.

Miaraha mianatra

Azonao atao ny manomboka ny fifanakalozan-kevitra amin’ny alalan’ny fanoratana andian-teny avy ao amin’ny Hagay 1:6 eny amin’ny solaitrabe. Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo hevitra ireo—mamafy voa nefa tsy mijinja mihitsy, mihinana nefa tsy mahatsiaro ho afa-po mihitsy, na mahazo vola kanefa mametraka izany ao anaty kitapo loaka—mikasika ny fandaniana fotoana amin-javatra hafa ankoatra izay tian’ny Tompo hataontsika? Na dia tsy mangataka antsika hifantoka amin’ny fananganana tempoly aza ny Tompo dia inona no angatahiny hifantohantsika? Ahoana no ahafahantsika mametraka ireny zavatra ireny ho laharampahamehana manan-danja eo amin’ny fiainantsika? Ireto asa atao manaraka ireto dia afaka manampy ny zatovo hanombatombana ny fanolorantenany hametraka ny zavatr’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia fotoana tena tsara isan-kerinandro handrefesana ny fanolorantenantsika ho an’i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny fanasan’ny Tompo mba hieritreretana raha toa ka mihalasa tahaka ny Mpamonjy kokoa isika? Azon’ny zatovo zaraina angamba ny fomba hanaovany izany. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manao lisitra ireo fanontaniana mety hapetrany amin’ny tenany mandritra ny fanasan’ny Tompo. Asao izy ireo hisaintsaina ny iray na ny maromaro amin’ireo andinin-tsoratra masina na hafatra na loharanon-kevitra hafa eo ambanin’ny “Loharanom-pitaovana enti-manohana” eo am-panaovany ilay lisitra.

  • Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, ao amin’ilay hafany hoe “Ny amin’ireo zavatra izay manan-danja indrindra” (Liahona, nôv. 2010, 19–22), dia nizara torohevitra izay afaka manampy ny zatovo “[hihevitra] ny làlan’[izy ireo]” (Hagay 1:5). Azonao atao ny manasa ny isam-batan’olona na vondrona kely tsirairay hamaky ny fizarana telo farany ao amin’ilay lahateny (manomboka amin’ilay fizarana hoe “Ny herin’ireo fitsipika fototra”), ary hitady ny dikan’ny hoe mampifantoka ny fiainantsika amin’ny Mpamonjy. Afaka mizara ny zavatra izay tsapany fa anentanan’ny Fanahy azy mba hataony izy ireo mba hanamafisana orina ny fanoloran-tenany ho an’i Jesoa Kristy.

  • Betsaka amintsika no revo manao zavatra tsara. Saingy tsy voatery ho ny zavatra tsara indrindra foana akory izy ireny. Hevero ny hizara fehezan-teny iray avy amin’ny fizarana voalohany amin’ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Bon, mieux, encore mieux” (Liahona, nôv. 2007, 104–8) izay afaka manampy ny zatovo hahatakatra io fitsipika io. Azonao atao ihany koa ny manasa azy ireo tsirairay hanao lisitra ny zavatra ataony isan’andro. Angataho izy ireo hanombatombana manokana raha “tsara”, na “tsara kokoa” na “tsara indrindra” ny zavatra atao tsirairay. Inona no mahatonga ny zavatra atao iray ho “tsara indrindra”? Amporisiho ny zatovo hifampizara ny zavatra ianarany avy amin’ity fanaovana tomban’ezaky ny tena manokana ity.

Manaova asa amim-pinoana

Amporisiho ireo mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy mba hisaintsaina sy hirakitra an-tsoratra ny zavatra izay hataon’izy ireo mba handraisana andraikitra amin’ireo fahatsapana izay noraisin’izy ireo androany. Raha tian’izy ireo dia afaka mizara ny heviny izy ireo. Asao izy ireo hieritreritra hoe rehefa mandray andraikitra ka mampihatra ny zavatra tsapany izy ireo dia ahoana no hanamafisan’izany ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Loharanom-pitaovana enti-manohana

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

“Tsy ilaina ny mampianatra ny zavatra rehetra ao anatin’ny fotoam-pianarana iray mba handonana ny fon’olona iray—hevi-dehibe iray na roa matetika dia ampy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7).

Hamoaka printy