2010–2019
Ny fomba fijery mandrakizay raketin’ny filazantsara
Aprily 2015


10:45

Ny fomba fijery mandrakizay raketin’ny filazantsara

Ilaina ny fananana fomba fijery araka ny filazantsara ho an’ireo fanapahan-kevitra misy fiantraikany amin’ny mandrakizay.

Ao anatin’ny fanambarana iray izay nomena an’i Mosesy dia nolazaina tamintsika ny fikasan’ny Raintsika any An-danitra izay nambara manao hoe: “Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”1 Araka io fanambarana io dia ny hanome fahafahana ny tsirairay handray ny fahafenoan’ny fifaliany no fanirian’ny Ray. Ireo fanambarana amin’izao andro farany izao dia maneho fa namorona drafitra lehiben’ny fahasambarana ho an’ny zanany rehetra ny Raintsika any An-danitra mba hahafahantsika miverina miara-miaina Aminy.

Ny fahatakarana io drafitry ny fahasambarana io dia manome antsika fomba fijery mandrakizay sy manampy antsika tena hanisy lanja ireo didy, ôrdônansy, fanekempihavanana ary ireo fitsapana sy fahoriana.

Azo avy amin’i Almà ny fitsipika iray manan-danja manao hoe: “Koa nomen’ Andriamanitra ho azy ny didy, rehefa nampahafantariny azy ny drafitry ny fanavotana.”2

Mahaliana ny mahatsikaritra ny fifanesen-javatra ao amin’ilay dingan’ny fampianarana. Nampianatra an’i Adama sy i Eva ny drafitry ny fanavotana aloha ny Raintsika any An-danitra izay vao nanome didy azy ireo.

Fahamarinana manan-danja io. Ny fahatakarana ilay drafitra dia hanampy ny olona hitandrina ny didy sy handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ary hanana ilay antony tena mampazoto.

Nandritra ny fotoana nanompoako tato amin’ny Fiangonana dia nahita ny fanolorantena sy ny fahatokian’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ireo firenena samihafa aho, ary ny sasany amin’ireo firenena ireo dia ahitana ady ara-pôlitika, na ara-piaraha-monina, na ara-toekarena. Antony iray iraisana izay hitako matetika tao amin’ireo mpikambana mahatoky ireo ny fomba fijery ananan’izy ireo mikasika ny mandrakizay. Ny fomba fijery mandrakizay raketin’ny filazantsara dia mitarika antsika hahatakatra ny toerana misy antsika ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra, hanaiky ireo zava-tsarotra sy hivoatra amin’ny alalan’ izy ireny, handray fanapahan-kevitra ary hampifantoka ny fiainantsika amin’ny fahafahantsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra.

Ny fomba fijery dia ny fomba fahitantsika zavatra rehefa mitazana azy ireo avy lavitra isika, ary izany dia mamela antsika hitsara ny tena lanjan’izy ireo.

Izany dia tahaka ny hoe ao anaty ala iray isika dia misy hazo iray eo anoloantsika. Raha tsy mihemotra kely isika dia tsy ho afaka hahazo an-tsaina hoe inona marina no atao hoe ala. Indray mandeha aho dia nitsidika ny kirihitr’alan’i Amazonie ao Leticia, Colombie, eo akaikin’ny sisintanin’i Brésil sy i Pérou. Tsy afaka nahazo an-tsaina ny habeny aho raha tsy nisidina teo amboniny ka nahatazana ny zava-drehetra.

Raha mbola kely ireo zanakay dia fanaon’izy ireo ny nijery fahitalavitra iray ho an’ny ankizy izay nandefa fandaharana nantsoina hoe Inona no hitanao? Nampiseho akaiky dia akaiky zavatra iray ny efijery ary nasaina namantatra ilay zavatra ny ankizy rehefa nihahita tsikelikely teo amin’ny efijery ilay sary. Raha vantany vao hita manontolo ilay zavatra dia afaka nilaza mora ny olona iray hoe saka izany, na zava-maniry, na voankazo iray, sy ny sisa.

Tadidiko fa nisy fotoana iray nijeren’izy ireo an’izany fandaharana izany, dia nampiseho zavatra akaiky dia akaiky izay noraisin’izy ireo fa toy ny ratsy tarehy tokoa, na naharikoriko mihitsy aza ilay fandaharana. Saingy rehefa nihahita ilay sary dia hitan’izy ireo fa pizza matsiro ilay izy. Dia hoy izy ireo tamiko hoe: “Dada a! hividiano ohatra an’io mihitsy izahay!” Rehefa avy takatr’izy ireo hoe inona ilay izy dia lasa zavatra tena nanintona ilay zavatra izay toy ny tsy nahafinaritra tamin’izy ireo tamin’ny voalohany.

Mamelà ahy ianareo hizara zavatra niainana iray hafa. Tia nanao piozila ireo zanakay tao an-tranonay. Mety efa samy nanana fahafahana nanao piozila avokoa angamba isika rehetra. Vita amin’ny singa kely maro ny sasany. Tadidiko fa ny iray tamin’ireo zanakay (tsy holazaiko ny anarany mba tsy hisy hahalala hoe iza izy) dia matetika no nifantoka tamin’ireo singa tsirairay, ka rehefa tsy nety nampidirina teo amin’ny toerana izay noheveriny fa tokony hisy azy izany dia nanjary tezitra izy, dia nihevitra fa tsy nisy nilana azy izany ka dia naniry ny hanary izany izy. Hainy ihany ny nanao ilay piozila nony farany rehefa takany fa nanana ny toerany tao anatin’ilay sary farany ny singa kely tsirairay avy, na dia tsy fantany teo no ho eo aza ny toerana tokony hisy izany.

Fomba iray handinihana ny drafitry ny Tompo izany. Tsy tokony hisahirana be loatra amin’ny singa tsirairay izay mandrafitra izany isika fa tokony hiezaka kosa ny hahatakatra ireo fitsipika indray miaraka amin’ny endriny manontolo, ary hahatsiaro lalandava hoe inona ilay vokatra farany ho azo. Fantatry ny Tompo ny toerana misy ny singa tsirairay avy mba hifanarahan’izany amin’ilay drafitra. Manana lanja mandrakizay ny didy rehetra ao anatin’ny sahan’ny drafitra lehiben’ny fahasambarana.

Tena faran’izay manan-danja tokoa ny hoe tsy tokony handray fanapahan-kevitra mikasika ny zavatra misy vokany mandrakizay avy amin’ny fomba fijerin’ny olona eto amin’ny fiainana an-tany isika. Ilaina ny fananana fomba fijery araka ny filazantsara ho an’ireo fanapahan-kevitra misy fiantraikany amin’ny mandrakizay.

Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Na dia ‘mifantoka’ amin’izay zavatra tena antenaintsika indrindra amin’ny mandrakizay aza isika dia hafa ny sasany amin’ireo zavatra antenaintsika eto amin’ity fiainana ity. Mety manantena fisondrotan-karama isika, na olona miavaka hampiarahana, na fandresena amin’ny valim-pifidianana, na trano lehibe kokoa—izay zavatra mety ho tanteraka na tsia. Manome antsika faharetana ny finoana ny drafitry ny Ray, eny fa na dia tsy tanteraka aza ireo zavatra tsy maharitra nantenaina ireo. Ny fanantenana dia mihazona antsika ‘hazoto hirotsaka’ amin’ny tanjona tsara, na dia amin’ny fotoana izay toa tsy hahatanteraka ireo tanjona ireo aza (jereo ny F&F 58:27).”3

Ny tsy fananana fomba fijery mandrakizay, na ny tsy fananana izany intsony toy ny teo aloha, dia mety hitarika antsika hanana fomba fijery araka ny fiainana an-tany mba ho fenitra arahantsika sy handraisantsika fanapahan-kevitra izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra.

Ny Bokin’i Môrmôna dia milaza ny fihetsika nofidian’i Nefia haseho sy ny fihetsika nofidian’i Lamàna sy i Lemoela. Samy niaritra zava-tsarotra sy fahoriana maro avokoa izy rehetra. Kanefa tsy nitovy ny fihetsika nasehon’izy ireo nanoloana ireo zavatra ireo. Hoy i Nefia: “Ary lehibe tokoa ny fitahian’ ny Tompo anay, fa raha mbola nivelona tamin’ ny hena manta izahay tany an-tany foana, ny vadinay kosa dia nanome nono betsaka ny zanany, sady natanjaka, eny, nitomban-dahy aza; ary izy ireo dia nanomboka nahatanty ny dia, tsy nimonomonona.”4

I Lamàna sy i Lemoela kosa tetsy an-kilan’izay dia nitaraina mafy. “Ary dia toy izany no nimonomononan’ i Lamàna sy i Lemoela izay zokiny indrindra, tamin-drainy. Izy ireo dia nimonomonona, satria tsy fantany ny fitondran’ ilay Andriamanitra izay efa nahary azy ireo.”5 Ny tsy fahafantarana na ny tsy firaharahiana “ny fitondran’ … Andriamanitra” dia fomba iray hamerezana ny fomba fijery mandrakizay, ary ny fimonomononana dia iray fotsiny ihany amin’ireo fomba fisehon’izany. Na dia nahita fahagagana maro niaraka tamin’i Nefia aza i Lamàna sy i Lemoela dia nihiaka hoe: “Ary efa nirenireny tany an-tany foana izahay nandritra izay taona maro izay; ary efa nisasatra ny vehivavinay, satria nitondra vohoka; ary tera-bao tany an-tany foana ireo sy niaritra ny zava-drehetra afa-tsy ny fahafatesana; ary ho tsara kokoa ho azy ireo ny maty talohan’ ny nialany tao Jerosalema, toy izay niaritra ireo fahoriana ireo.”6

Fomba fihetsika roa tsy mitovy mihitsy ireo, na dia nitovy aza ny zava-tsarotra sy ny fahoriana natrehin’izy ireo. Hita mibaribary fa tsy nitovy ny fomba fijerin’izy ireo.

Nanoratra izao manaraka izao ny Filoha Spencer W. Kimball: “Raha heverintsika fa ny fiainana an-tany ihany no fisiantsika iray manontolo dia ho zava-doza tokoa ny fanaintainana sy ny alahelo sy ny tsy fahombiazana ary ny fiainana vetivety dia nifarana.Fa rehefa jerentsika ho toy ny zavatra mandrakizay izay miitatra hatrany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana tany aloha ary mitohy mankany amin’ny hoavy mandrakizay aorian’ny fahafatesana ny fiainana, dia ho hita amin’ny fijery tsara kokoa ny zava-mitranga rehetra.”7

Ny Loholona David B. Haight dia nitantara tantara iray mikasika an’i Michel-Ange izay mpanao sary sokitra iray mba hanazavana ny maha-zava-dehibe ny fahitana ny zavatra rehetra amin’ny fomba fijery tsara kokoa: “Rehefa nanapaka bolongana vatovandana iray ilay mpanao sary sokitra dia nisy zazalahy iray tonga teo isan’andro ka nijery tamim-pahamenamenarana. Rehefa nanomboka hita sy nipoitra avy eo amin’izany vato izany ny endrik’i Davida, ary vita tanteraka mba hahafahan’ny rehetra mankafy izany, dia nanontany an’i Michel-Ange ilay zazalahy hoe: ‘Fa ahoana no nahafantaranao fa tao anatin’io vato io izy?’”8

Ny fomba fijery izay nahitan’ilay mpanao sary sokitra ilay bolongana vatovandana dia tsy nitovy tamin’ny fomba fijerin’ilay zazalahy izay nijery azy niasa. Namela ilay mpahaikanto hamorona asakanto ny fahatakarany ny zavatra azo notanterahina izay voarakitra tao anatin’ilay vato.

Mahafantatra ny zavatra tiany hotanterahina amin’ny tsirairay avy amintsika ny Tompo. Fantany ny karazana fanatsarana tiany hotontosaina eo amin’ny fiainantsika, ary tsy manan-jo ny hanoro hevitra Azy isika. Lehibe lavitra noho ny fihevitsika ny fiheviny.9

Mijoro ho vavolombelona aho fa manana Ray any An-danitra be fitiavana sy marina ary be famindrampo isika, izay nanomana drafitra ho an’ny fahasambarantsika mandrakizay. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy dia Zanany ary Mpamonjy an’izao tontolo izao. Fantatro fa mpaminanin’ Andriamanitra ny Filoha Thomas S. Monson. Ireo zavatra ireo dia lazaiko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.