2010–2019
Nahoana no manan-danja ny fanambadiana sy ny fianakaviana—Na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao
Aprily 2015


15:38

Nahoana no manan-danja ny fanambadiana sy ny fianakaviana—Na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao

Ny fianakaviana no ivon’ny fiainana sy fanalahidin’ny fahasambarana mandrakizay.

Tamin’ny volana Nôvambra lasa teo aho dia nahazo tombontsoa ny ho voasa–niaraka tamin’ny Filoha Henry B. Eyring sy ny Eveka Géraled Caussé–mba hanatrika ny fikaonan-doha iray momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana tany Vatikana, Rôma, Italia. Nanatrika izany ireo solontena ara-pivavahana avy amin’ny antokom-pinoana samihafa miisa 14 sy avy amin’ny kaontinanta enina, izay samy nasaina haneho ny finoany mikasika ny zava-manjo ny fianakaviana eo amin’izao fotoana izao.

President Henry B. Eyring, Bishop Gerald Causse and Elder Perry in Rome

Nanokatra ny fivoriana voalohany tamin’ilay fihaonambe tamin’izao fanambarana izao ny Papa François: “Ankehitriny isika dia miaina ao anatin’ny kolontsain’ny zava-mihelina, ka ao anatin’izany dia mihabetsaka ireo olona izay mandao tsotra izao ny fanambadiana ho toy ny fanolorantena ampahibemaso. Matetika io fiovana lehibe eo amin’ny fomba sy ny toe-tsaina io no nandrangaranga ny sainan’ny fahalalahana, kanefa raha ny marina dia nitondra faharavana ara-panahy sy ara-pitaovana ho an’ny olona tsy tambo isaina izany, indrindra ireo tena mahantra sy marefo indrindra. … Izy ireo foana no mijaly indrindra ao anatin’io krizy io.”1

Rehefa niresaka mikasika ireo taranaka vao misondrotra izy dia nilaza fa zava-dehibe ny hoe “tsy manolotra ny tenany amin’ny [foto-pisainana] misy poizina momba ny zava-mihelina [izy ireo], fa mba ho mpanova miaraka amin’ny herimpo hikatsaka ny marina sy ny fitiavana maharitra, hanohitra ireo kisary mahazatra.” Tsy maintsy atao izany.2

Synod hall with the faith leaders on the marriage summit

Narahin’ny famelabelarana sy fifanakalozan-kevitra niaraka tamin’ireo mpitarika ara-pivavahana izay niresaka mahakasika ny lohahevitry ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray izany. Rehefa nihaino ireo karazana mpitarika ara-pivavahana maro maneran-tany izay azo eritreretina aho dia nandre azy ireo niombon-kevitra tanteraka ka naneho fanohanana ny finoan’ny tsirairay ny fahamasinan’ny rafitry ny fanambadiana sy ny lanjan’ny fianakaviana ho toy ny singa fototry ny fiarahamonina. Nahatsapa fitoviana sy firaisankina niaraka tamin’izy ireo aho.

Maro ireo nahita sy naneho io firaisankina io, ka samy nanao izany tamin’ny fomba maro samihafa. Anisan’ny tiako indrindra ny fotoana nitanisan’ny manampahaizana Silamo iray avy any Iran ara-bakiteny ny andininy roa tao amin’ilay fanambarantsika ho an’ny fianakaviana.

Nandritra ilay fikaonan-doha dia nahatsikaritra aho fa rehefa niray hina mikasika ny fanambadiana sy ny fianakaviana ireo antokom-pinoana sy antokom-pivavahana ary fiangonana isan-karazany dia niray hina koa tamin’ireo soatoavina sy fahatokiana ary fanolorantena izay miaraka ho azy amin’ireo fianakaviana izy ireo. Tena zava-nahatalanjona ho ahy ny nahita ny fomba nanoloan’ireo laharampahamehana mifantoka amin’ny fianakaviana ireo fahasamihafana eo amin’ny lafiny ara-pôlitika, ara-toekarena na ara-pivavahana. Rehefa ny fitiavan’ny mpivady sy ny fanantenana, fiahiahiana ary ny nofinofy ho an’ireo zanaka no asian-dresaka dia mitovy avokoa isika rehetra.

President Henry B. Eyring speaking in a news room.

Tena nahafinaritra ny nanatrika ireo fivoriana niaraka tamin’ireo solontena maneran-tany rehefa niara-nanambara ny fahatsapany mikasika ny lanjan’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray izy ireo. Ny lahateny tsirairay nataon’izy ireo dia narahin’ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ireo mpitarika ara-pivavahana hafa. Ny Filoha Henry B. Eyring no nanolotra ny fijoroana ho vavolombelona farany tamin’ilay fikaonan-doha. Nijoro ho vavolombelona mahery vaika mikasika ny hatsaran’ny fanambadiana izay ifanoloran’ny mpivady tena sy ny finoantsika ny fitahiana nampanantenaina mikasika ny fianakaviana mandrakizay izy.

Tena famaranana nety tsara ho an’ireo telo andro manokana ireo ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Filoha Eyring.

Izao dia mety manontany ianareo hoe “Raha nahatsapa izany fitoviana teo amin’ny laharampahamehana momba ny fianakaviana sy finoana izany ary ny ankamaroany, raha toa ka niombon-kevitra mikasika ny tokony atao hoe fanambadiana avokoa ireo rehetra avy amin’ireo antokom-pinoana sy fivavahana, ary raha toa ka niombon-kevitra amin’ny soatoavina izay tokony hapetraka ao amin’ny tokantrano sy ny fifandraisan’ny fianakaviana izy rehetra dia inona no mety ho mampiavaka antsika? Inona no mampiavaka sy maha-samy hafa Ny Fiangonan’i Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny sisa ambiny amin’izao tontolo izao?

Izao ny valiny: na dia nahafinaritra aza ny nahita sy nahatsapa fa manana zavatra maro iraisana amin’ny sisa ambiny amin’izao tontolo izao isika mikasika ny fianakaviantsika, dia isika irery no manana ny fomba fijery mandrakizain’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

Tena mivelatra sy manan-danja tokoa ny zavatra entin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny teo amin’ilay fifanakalozan-kevitra momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana hany ka tokony hantitranterina mazava tsara izany: ataontsika ho lohahevitra mandrakizay izany! Ampiakarintsika amin’ny ambaratonga ambonimbony kokoa ny fanolorantena sy ny fahamasinan’ny fanambadiana noho ny finoantsika sy ny fahatakarantsika fa niandoha tany alohan’ity tany ity ny fianakaviana ary haharitra mandrakizay.

Tamin’ny fomba tsotra sy mahery vaika ary mahafinaritra no nampianaran’ny tononkira nataon’i Ruth Gardner an’io fotompampianarana io tao amin’ny hiran’ny Kilonga hoe: “Ensemble à Tout Jamais.” Miatoa kely ange ary eritrereto ny momba ireo ankizy ao amin’ny Kilonga maneran-tany izay mihira ireo tononkira ireo amin’ny fitenin-drazany, amin’ny heriny iray manontolo, miaraka amin’ny fientanentanana izay ny fitiavana ny fianakaviana ihany no afaka mampihetsika izany:

Fianakaviana mandrakizay

No drafitry ny Ray.

Fa mba iriako hatrany ny hahatontosa izany,

Ka ny Tompo no nanoro ahy.3

Ny haifinoana iray manontolon’ny filazantsarantsika naverina tamin’ny laoniny dia mifototra amin’ny fianakaviana sy ny fanekempihavanana vaovao sy mandrakizain’ny fanambadiana. Ato anatin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, isika dia mino ny fiainana talohan’ny nahaterahana izay toerana niainantsika rehetra amin’ny maha-zanaka fanahy ara-bakitenin’ Andriamanitra, ilay Raintsika any An-danitra antsika. Isika dia mino fa efa mpikambana sy mbola mpikambana ao amin’ny fianakaviany.

Isika dia mino fa ny fanambadiana sy ny fifandraisan’ny fianakaviana dia afaka mitohy aorian’ny fahafatesana—fa ny fanambadiana notanterahan’ireo izay manana ny fahefana ilaina amin’izany ao amin’ny tempoliny dia hitohy hanan-kery any amin’ny tontolo ho avy. Ny fombafombantsika amin’ny fanambadiana dia manala ireo teny hoe “lamban’akoho ka faty no hisarahana” fa milaza kosa ny hoe “mandritra izao fiainana izao sy mandrakizay.”

Isika koa dia mino fa ny fianakaviana nentin-drazana matanjaka dia tsy vitan’ny hoe singa fototry ny fiarahamonina mafy orina, toekarena mafy orina ary kolontsain’ny soatoavina mafy orina fotsiny—fa singa fototry ny mandrakizay sy ny fanjakana ary ny governemantan’ Andriamanitra koa.

Isika dia mino fa ny firafitra sy ny governemantan’ny lanitra dia ho aorina manodidina ny fianakaviana sy ny havana.

Noho ny finoantsika fa ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia mandrakizay no antony mahatonga antsika, amin’ny maha-fiangonana antsika, te ho mpitarika sy ho mpandray anjara amin’ny hetsika maneran-tany ho fanamafisana orina azy ireo. Fantatsika fa tsy ireo olona izay mavitrika ara-pivavahana fotsiny ihany no manana soatoavina sy laharampahamehana iombonana mikasika ny fanambadiana maharitra sy ny fifandraisana mafy orina eo amin’ny fianakaviana. Maro ireo olona eto amin’izao tontolo izao no nanapa-kevitra fa ny fanambadiana izay ifanoloran’ny mpivady tena sy ny fari-piainan’ny fianakaviana no anisan’ny fomba fiaina faran’izay saro-pady sy faran’izay iafiana ary faran’izay mahafaly indrindra.

Tsy mbola nisy olona na dia iray aza, nahita fomba mahomby kokoa hanabeazana ny taranaka vao misondrotra ankoatra ny “tokantrano” iray ahitana mpivady miaraka amin’ny zanaka.

Nahoana no tokony hanan-danja ny fanambadiana sy ny fianakaviana—na aiza na aiza? Ny fakana ny hevitry ny olona dia mampiseho fa ny fanambadiana dia mbola tarigetra sy fanantenan’ny ankabeazan’ny sokajin-taona tsirairay—eny fa na dia eo amin’ireo taranaky ny arivotaona aza, izay andrenesantsika matetika ny fisafidianana ny ho tokan-tena, ny fahalalahan’ny tena manokana ary ny fanaovana tokantrano maso fa tsy ny fanambadiana. Raha ny marina dia hoe: mbola te hanan-janaka sy hanorina fianakaviana matanjaka ny ankamaroan’ny olona maneran-tany.

Raha vantany vao manambady sy manan-janaka isika dia vao mainka voaporofo bebe kokoa ny fitoviana marina misy eo amin’ny olombelona rehetra. Amin’ny maha-“olon’ny fianakaviana” antsika—na aiza na aiza no iainantsika, na inona na inona ny mety ho finoantsika ara-pivavahana—dia iarahantsika manana ny ankabeazan’ireo fahasahiranan-tsaina sy ireo fampivoarana, ireo fanantenana sy fiahiahiana ary nofinofy ho an’ny zanatsika.

Hoy i David Brooks, izay mpanoratra ao amin’ny New York Times hoe: “Tsy tsara kokoa ny fiainan’ireo olona rehefa omena fahalalahan’ny tena be loatra hanao izay sitrapony izy ireo. Fa tsaratsara kokoa izy ireo rehefa voahodidin’ny fanolorantena izay mihoatra lavitra noho ny safidin’ny tenany manokana—fanolorantena ho an’ny fianakaviana, ho an’ Andriamanitra, ho an’ny asa ary ho an’ny tanindrazana.”4

Ny olana iray dia hoe maro amin’ireo fampitam-baovao sy fialamboly maneran-tany no tsy ahitana taratra ireo laharampahamehana sy soatoavin’ny maro an’isa. Na inona na inona antony, maro loatra amin’ireo fahitalavitra, sarimihetsika, mozika ary Internet no mampiseho tranga manokana manjo ny olom-bitsy izay milaza ny tenany ho toy ny maro an’isa. Ny fahavetavetana sy ny fahafatesan’ny eritreritra, izay manomboka amin’ireo herisetra mahery vaika ka hatramin’ny firaisana ara-nofo natao ho fialamboly fotsiny, dia aseho ho toy ny fenitra ka mety hitarika ireo olona manana soatoavina nentin-drazana hahatsapa ho toy ny hoe efa nilaozan’ny toetr’andro isika na avy tamin’ny vaninandro taloha. Ao anatin’izao tontolo izay anjakan’ny Internet sy ny fampitam-baovao izao dia tsy mbola nananosarotra toy izany ny manabe ankizy tompon’andraikitra sy mitandrina ny fanambadiana sy ny fianakaviana miaraka.

Na manao ahoana na manao ahoana ny zavatra mety haroson’ireo endrika maro samihafan’ny seraseram-pifandraisana sy ny fialamboly, ary na dia eo aza ny fihenana marina misy eo amin’ny fanirian’ny sasany amin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana, dia mbola mino ny ankamaroan’ny olombelona fa ny fanambadiana dia tokony ho eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray. Izy ireo dia mino ny fahatokiana ao amin’ny fanambadiana, ary mino ny voadin’ny fanambadiana hoe “na ao anatin’ny aretina na ao anatin’ny fahasalamana” sy ny hoe “lamban’akoho ka faty no hisarahana.”

Mila mampahatsiahy ny tenantsika matetika isika, tahaka ny nampahatsiahivana ahy tany Rôma, mikasika ilay fahamarinana manome toky sy mankahery hoe: mbola faniriana sy tarigetran’ny ankamaroan’ny olona ny fanambadiana sy ny fianakaviana ary tsy irery isika amin’ireo finoana ireo. Tsy mbola nanahirana toy izany hatrizay ny mitady ny fandanjalanjana azo atao eo amin’ny asa, ny fianakaviana ary ny filan’ny tena manokana raha tsy amin’izao androntsika izao. Amin’ny maha-fiangonana antsika dia mitady ny hanampy amin’ny fomba rehetra izay azontsika atao isika mba hanorenana sy hanohanana fanambadiana sy fianakaviana matanjaka.

Izay no antony mahatonga ny Fiangonana ho mandray anjara mavitrika sy manolotra fitarihana amin’ny fiombonana maro isan-karazany sy ezaka iraisam-pinoana mba hanamafisana orina ny fianakaviana. Izay no antony mahatonga antsika mizara ny soatoavintsika izay mifantoka amin’ny fianakaviana amin’ireo fampitam-baovao sy tambazotra ifaneraserana. Izay no antony mahatonga antsika mizara ny firaketantsika momba ny tetiarantsika sy momba ny havantsika amin’ny firenen-drehetra.

Tiantsika ny handrenesana ny feontsika izay manohitra ireo fomba fiaina diso sy hafa izay miezaka manolo ny rafitry ny fianakaviana izay Andriamanitra Izy Tenany mihitsy no nametraka izany. Tiantsika koa ny handrenesana ny feontsika amin’ny fanohanana ny fifaliana sy ny fahafaham-po izay entin’ny fianakaviana nentin-drazana. Tsy maintsy tohizantsika ny fanehoana izany feo izany manerana an’izao tontolo izao amin’ny fanambarana ny antony maha-zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana, ny antony mahatonga ny hoe tena manan-danja tokoa ny fanambadiana sy ny fianakaviana, ary ny antony mahatonga ny hoe hanan-danja mandrakariva izany.

Ry rahalahiko sy anabaviko, mifototra amin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ao anatin’ny fanambadiana sy fianakaviana no ahafahantsika tena miray hina amin’ireo finoana hafa. Manodidina ny fanambadiana sy ny fianakaviana no hahitantsika fitoviana lehibe indrindra amin’ny sisa ambiny amin’izao tontolo izao. Manodidina ny fanambadiana sy ny fianakaviana no ananan’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany fahafahana lehibe indrindra ho fahazavana eo an-tampon-tendrombohitra.

Mamelà ahy ianareo hamarana izany amin’ny fijoroana ho vavolombelona (ary ireo sivifolo taona niainako teto an-tany no ahafahako milaza izany tanteraka) fa arakaraka ny mahalehibe ahy no ahatongavako saina fa ny fianakaviana no ivon’ny fiainana sy fanalahidin’ny fahasambarana mandrakizay.

Izaho dia mankasitraka ny vadiko sy ny zanako ary ireo zafikeliko mbamin’ny zafiafiko, sy ireo zanak’olom-pirahalahy sy zanak’olom-pirahavavy rehetra ary ireo fianakaviam-badiko sy ireo havana izay nahatonga ny fiainako ho voatahy, eny, ho mandrakizay mihitsy aza. Izany fahamarinana mandrakizay izany no izarako ny fijoroako ho vavolombelona mahery vaika sy masina indrindra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ny lahateny nataon’ny Papa François tao amin’ny Humanum: An International Interreligious Colloquium on the Complementarity of Man and Woman, 17 nôv. 2014, humanum.it/en/videos; jereo koa ny zenit.org/en/articles/pope-francis-address-at-opening-of-colloquium-on-complementarity-of-man-and-woman.

  2. Papa François, Colloquium on the Complementarity of Man and Woman.

  3. “Ensemble à tout jamais,” Cantiques, no. 192.

  4. David Brooks, “The Age of Possibility,” New York Times, 16 nôv. 2012, A35; nytimes.com/2012/11/16/opinion/brooks-the-age-of-possibility.html.