2010–2019
Mbola mahagaga anareo ve izany?
Aprily 2015


10:13

Mbola mahagaga anareo ve izany?

Famantarana ny finoana ny mitolagaga amin’ireo zava-mahagagan’ny filazantsara. Fahafantarana ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny zavatra rehetra manodidina antsika izany.

Nanana fifaliana lehibe izaho sy ny vadiko tamin’ny nanabeazanay ireo zanakay dimy teo akaikin’ny tanàna mahafinaritr’i Paris. Tianay ny nanome azy ireo fahafahana feno maro mba hahita ny zavatra mahatalanjon’izao tontolo izao nandritra ireo taona ireo. Isaky ny lohataona dia nanao dia lavitra ny fianakavianay mba hitsidika ireo sangan’asa mendrika hotsaroana, ireo toerana manan-tantara, ary ireo zava-mahagaga ara-boajanahary goavana indrindra tany Eorôpa. Farany, rehefa avy nipetraka nandritra ny 22 taona tao amin’ny faritr’i Paris izahay dia niomana ny hifindra monina. Mbola tsaroako foana ilay andro nanatonan’ny zanako ahy ka nitenenany hoe: “Dada, tena mahamenatra mihitsy izany! Nipetraka teto isika nandritra ny fiainantsika iray manontolo, kanefa tsy mbola tany amin’ny Tour Eiffel mihitsy!”

Betsaka ireo zava-mahagaga eto amin’ity izao tontolo izao ity. Kanefa rehefa hitantsika matetika eo ambany masontsika izy ireny dia ataontsika tsinontsinona. Mijery isika kanefa tsy tena mahita; maheno isika kanefa tsy tena mihaino.

Niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nandritra ny asa fanompoana nataony teto an-tany nanao hoe:

“Sambatra ny maso mahita izay hitanareo:

“Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry handre izay renareo, fa tsy nahare.”1

Matetika aho no nanontany tena hoe manao ahoana izany niaina tamin’ny andron’ny Mpamonjintsika izany. Azonareo sary an-tsaina ve izany mipetraka eo an-tongony izany? Mahatsapa ny fihiny? Manatri-maso rehefa nanompo ny hafa Izy? Kanefa dia mbola maro tamin’ireo izay nifanenana Taminy no tsy nahafantatra—tsy “nahita”—fa niaina teo anivony ilay tena Zanak’ Andriamanitra.

Manana tombontsoa koa isika miaina amin’ny fotoana miavaka. Ireo mpaminany fahiny dia nahita ny asan’ny Famerenana amin’ny laoniny ho “asa mahatalanjona … , eny, asa mahatalanjona sy mahagaga iray.”2 Tamin’ity fotoampitantanana ity irery ihany no niantsoana misiônera marobe, sy nanokafana firenena marobe ho amin’ny hafatry ny filazantsara ary nananganana tempoly marobe manerana izao tontolo izao.

Amintsika, dia misy ihany koa ireo zava-mahagaga mitranga amin’ny fiainantsika tsirairay amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika. Anisan’izany ny fiovampontsika manokana, ireo valim-bavaka azontsika, ary ireo fitahiana lehibe izay arotsak’ Andriamanitra amintsika isan’andro.

Famantarana ny finoana ny fahagagana amin’ireo zava-mahagagan’ny filazantsara. Fahafantarana ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika sy eo amin’ny zavatra rehetra manodidina antsika izany. Mamokatra tanjaka ara-panahy ihany koa ny fahagagantsika. Manome antsika ny tanjaka mba hijanonana ho miorim-paka ao amin’ny finoantsika izany sy hirotsahan’ny tenantsika ao amin’ny asa famonjena.

Aoka anefa isika hitandrina. Marefo ny fahafahantsika ho gaga. Rehefa ela ny ela dia mety hitoetra ao amintsika ny toetra toy ny fitandremana amim-pahazarana fotsiny ny didy, ny fahalainana, na ny harerahana mihitsy ka hahatonga antsika tsy hiraharaha eny fa na ireo famantarana miavaka indrindra sy ireo fahagagan’ny filazantsara aza.

Ny Bokin’i Môrmôna dia mamaritra vanim-potoana iray tena mitovy amin’ny antsika, izay nialoha ny fahatongavan’ny Mesia tany Amerika. Nipoitra tampoka teny amin’ny lanitra ireo famantarana ny fahaterahany. Nandraingiraingin’ny fahagagana izy ireo ka nanetry ny tenany, ary saika ho niova fo avokoa ny rehetra. Efa-taona monja taty aoriana anefa dia “nanomboka nanadino ireo famantarana sy zava-mahagaga izay efa reny ireo ary nanomboka tsikelikely ho tsy talanjona firy tamin’ ny famantarana na ny zava-mahagaga avy tany an-danitra, … ary nanomboka tsy nino izay rehetra efa reny sy hitany izy.”3

Ry rahalahy sy anabavy isany, mbola mahagaga anareo ve ny filazantsara? Mbola afaka mahita, mandre, mahatsapa, ary talanjona ve ianareo? Sa nihena ny ara-panahinareo? Na inona na inona toe-javatra iainanareo dia manasa anareo aho hanao zavatra anankitelo.

Voalohany, aza reraka na oviana na oviana amin’ny fahitana na fahitana indray ireo fahamarinan’ny filazantsara. Hoy ilay mpanoratra Marcel Proust hoe: “Ny tena dia amin’ny fahitan-java-baovao dia tsy ny fitadiavana tontolo vaovao, fa ny fananana maso vaovao.”4 Tsaroanareo ve ny fotoana voalohany namakianareo andinin-tsoratra masina ka nahatsapanareo fa toy ny niresaka mivantana taminareo ny Tompo? Tsaroanareo ve ny fotoana voalohany nahatsapanareo ny fitaomana mamin’ny Fanahy Masina teo aminareo, angamba talohan’ny nahafantaranareo fa Fanahy Masina izany? Tsy fotoana masina sy niavaka ve ireny?

Tokony ho noana sy hangetaheta ny fahalalana ara-panahy isika isan’andro. Mifototra amin’ny fandalinana, fandinihana lalina ary vavaka izany fomba fanaon’ny tena manokana izany. Mety ho alaim-panahy isika indraindray ka hieritreritra hoe: “Tsy mila mandalina ny soratra masina aho anio; efa novakiako avokoa ireo taloha” na “Tsy mila mandeha any am-piangonana aho anio; tsy misy zava-baovao any.”

Ny filazantsara anefa dia loharanom-pahalalana izay tsy ho ritra na oviana na oviana. Misy zava-baovao hatrany azo ianarana sy ho tsapa isaky ny alahady, amin’ny fivoriana tsirairay, ary ao amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Amim-pinoana no hihazonantsika ilay fampanantenana fa raha “mitady [isika] dia hahita.”5

Faharoa, afikiro amin’ireo fahamarinana mazava sy tsotran’ny filazantsara ny finoanareo. Tokony hiorim-paka amin’ireo fitsipika fototry ny finoantsika sy ny fahadiovan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ary ireo fomba fitsaohana tsotra indrindra izay ataontsika ny fahagagantsika.

Niresaka momba ny tantaran’ny lehilahy telo izay nihaona taminy nandritra ny fihaonamben’ny distrika iray tany Afrika ny misiônera vehivavy iray. Avy tany amin’ny tanàna lavitra anaty kirihitra izy ireo izay tsy mbola nananganana ny Fiangonana kanefa nahitana mpikambana mahatoky 15 sy naman’ny Fiangonana efa ho 20 isa. Nandeha an-tongotra mihoatra ny roa herinandro ireo lehilahy ireo, nanao dia mihoatra ny 480 kilaometatra tamin’ny lalana feno fotaka noho ny orana, mba hahafahan’izy ireo manatrika ny fihaonambe sy hitondra ny fahafolonkarena avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona misy azy ireo. Nanao drafitra ny hijanona mandritra ny herinandro iray manontolo izy ireo mba hahafahany mankafy ny tombontsoan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ny alahady manaraka ary dia nanantena ny handeha hiverina sady hiloloha baoritra feno Bokin’i Môrmôna mba homena ireo vahoaka any amin’ny tanànany.

Nijoro ho vavolombelona ilay misiônera fa nanohina azy ny zava-mahagaga nasehon’ireto rahalahy telo ireto sy ny fanolorantena avy tamin’ny fo nataony mba hahazoana zavatra izay tsy sarotra azo akory ho an’ilay misiônera.

Nanontany tena izy hoe: “Raha toa ka mifoha aho amin’ny marainan’ny alahady iray any Arizona ka mahita fa tsy mandeha ny fiara, handeha an-tongotra ve aho ho any am-piangonana izay trano vitsivitsy miala ny tranoko fotsiny? Sa hijanona ao an-trano satria lavitra loatra izany na satria avy ny orana?”6 Fanontaniana tsara hosaintsainintsika rehetra izany.

Farany dia manasa anareo aho mba hikatsaka sy hankamamy ny fananana ny Fanahy Masina ho namana. Tsy azo tsapaina amin’ny fahatsapantsika ara-boajanahary ny ankamaroan’ireo zava-mahagagan’ny filazantsara. Ireny no ireo zavatra izay “tsy mbola hitan’ny maso sy tsy mbola ren’ny sofina, … efa namboarin’ Andriamanitra ho an’izay tia Azy.”7

Rehefa manana ny Fanahy miaraka amintsika isika dia manjary mora handairan-javatra ny fahatsapana ara-panahintsika ary mihatsara ny fitadidiantsika ka tsy afaka hanadino ireo fahagagana sy famantarana izay hitantsika isika. Izany no mety ho antony nivavahan’ny mpianatr’i Jesoa Nefita tamin-kafanam-po, raha nahafantatra fa efa handao azy ireo Izy, “ho an’izay niriany indrindra; ary niriany ny hanomezana ny Fanahy Masina azy ireo.”8

Na dia nahita ny Mpamonjy tamin’ny masony manokana aza izy ireo sy nikasika ny ratrany tamin’ny tanany manokana dia fantatr’izy ireo fa hihalefy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo raha tsy havaozina hatrany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahin’ Andriamanitra. Ry rahalahy sy anabaviko isany, aza manao na inona na inona mety hahavery izany fanomezana sarobidy sy mahatalanjona izany—ny fananana ny Fanahy Masina ho namana. Katsaho amin’ny alalan’ny vavaka mafy sy fiainana araka ny fahamarinana izany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny asa izay irotsahantsika dia “asa mahagaga sy mahatalanjona.” Rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy isika dia mijoro ho vavolombelona amintsika Andriamanitra “[amin’ny] famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.”9 Amin’izao andro miavaka izao dia mijoro ho vavolombelona aho fa ny zava-mahagaga sy mahatalanjon’ny filazantsara no vatofantsika ao amin’ny fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra—ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Izany no fanomezam-pitiavana lafatra indrindra izay natolotry ny Ray sy ny Zanaka, izay iray tanjona, amintsika. Miaraka aminareo aho manao hoe: “Mahagaga ahy ny fitiavan’i Jesoa. … Endrey mahagaga re, mahagaga re!”10

Ny hananantsika hatrany ny maso izay mahita, sofina izay maheno, ary fo izay mahatsapa ireo zava-mahagagan’ity filazantsara mahatalanjona ity no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Lioka 10:23–24.

  2. 2 Nefia 27:26.

  3. 3 Nefia 2:1.

  4. “Marcel Proust,” Guardian, 22 jolay 2008, theguardian.com/books/2008/jun/11/marcelproust.

  5. Matio 7:7.

  6. Nalaina sy narindra avy tamin’ny Lorraine Bird Jameson, “The Giants of Kinkondja” (article on Africa Southeast Area website, 2009); web.archive.org/web/20101210013757/http:/www.lds.co.za/index.php/news-a-events/news/aseanews/91-the-giants-of-kinkondja.

  7. 1 Korintiana 2:9.

  8. 3 Nefia 19:9.

  9. Hebreo 2:4.

  10. “Mahagaga ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44.